Ramatoa Ramavonirina Oliva sy ny Mpikambana ao amin’ny Vaomiera misahana ny Teny malagasy, teny miampita sisintany
28 Février 2019
Toe-javamisy amin’ny lafiny tantaraRaha ny Teny malagasy no resahina amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia mbola ao an-tsain’ny maro ilay fomba fiheverana hoe « Ny teny malagasy tsy mankaiza, hatreo Ivato ihany no itenenana azy fa raha vao mivoaka ny sisintanin’i Madagasikara dia efa tsy misy mpampiasa intsony.
Tsy omen-tsiny izay rehetra mihevitra ny Teny malagasy ho toy izany satria tokoa raha vao tafiditra ao anaty fiaramanidina ho any ivelany ianao dia teny frantsay sy teny angilsy na teny anglisy sy teny swahili no ifandraisana manomboka eo, arakaraka ny sidina raisina.
Tsy ela anefa fa vao tamin’ny faha-21-n’ny volana febroary 2019 tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Teny ibeazana dia naseho antsika teto amin’ny akademia fa any amina firenena samihafa any dia misy olona, vondron’olona tsy teratany malagasy nefa mankafy ny teny malagasy ary mampiasa azy eo amin’ny sehatry ny kanto.
Saingy eo amin’ny sehatry ny kanto ihany ve ary no ampiasana ny teny malagasy any amin’ny firenen-kafa sa mba misy firenena mampiasa azy io ho teny ifandraisana eo amin’ny fiainana andavanandro ?
Noho ny herin’ny Tantara sy ny lafiny toe-karena dia tsy ny vahoaka Malagasy irery intsony ankehitriny no mampiasa ny teny Malagasy ho teny entina mifanerasera amin’ny fiainana andavanandro, eo amin’ny fiarahamonina, any an-tsekoly fa misy firenena hafa ihany koa dia ny firenena kômôrianina izany.
Ny lahateny nataon’Atoa Bouhrane Abderemmanne, teratany Kômôrianina, Mpampianatra Mpikaroka ao amin’ny CNDRS any Comores, sy ny fanadihadiana natao tamin’ny mpianatra Kômôrianina mianatra eny amina sekoly ambony, sy ireo lahatsoratra fanadihadiana momba ny teny ampiasaina ao Comores, miseho an-tambajotra no ahitana fa : mihoatra ny 41 700 tany amin’ny taona 2007 ny isan’ny mpiteny teny malagasy any amin’io firenena io ary tsy mitsaha-mitombo io isa io noho ny firoboroboan’ny fifandraisan’ny Firenena Kômôrianina amin’ny Firenena malagasy eo amin’ny lafiny ara-toekarena (varotra) sy fanabeazana : maro ny mpianatra avy any no mandranto fahaizana aty amin’ny sekoly ambony aty Madagasikara, ary ny hita dia miezaka ny mianatra teny malagasy izy ireny ka amin’ny ankapobeny dia efa mahafehy ny fampiasana izany amin’ny fiainana andavanandro rehefa mody aorian’ny fahavitan’ny fianarany..
Koa satria tsy mitsaha-mitombo ny mpiteny mampiasa ny teny malagasy ao amin’io firenena io dia misy mihitsy anarana anondroan-dry zareo ny teny malagasy, dia kibushi / kiboushi, sy shibushi / shiboushi izay. Azo vinavinaina toy izao ny fiaviany :
ki-boushi
ki : midika ho teny tahaka ny hita ao amin’ny ki-swahili
boushi : botry (Tsy mampiasa ny farateny “-tra” ny kiboushi fa fanahafana ara-peo no hita : ohatra : tsofotr’andro = tsofchrou (androu)
izany hoe : kiboushi = fitenin’ireo olona nandeha botry niampita nankao Comores.
Mitovitovy rafitra amin’ny hoe : volan’Onjatsy : fitenin’ireo Onjatsy (teny Malagasy novantanin’ny Anteony tamin’ny taona 1337 tao Matitanana.)
Ary dia lasa tenim-pirenena faharoa aorian’ny shimaore tenim-pirenena ao Mayotte ny kibushi, sy shibushi, ary ny teny frantsay no teny ôfisialy ao Mayotte.
Vokatr’izay lafiny tantara izay eo amin’ny satan’ny teny malagasy eo anivon’ny firaisambe AfrikaninaNoho ny hamaroan’ny mpiteny ny teny malagasy eto an-toerana (24 tapitrisa mahery) noho io fiteny io efa manara-penitra ka nahafahana namoaka asa soratra maro sy Rakibolana, ary noho io teny io ampiasaiana ho teny ifandraisana eo amin’ny fiarahamonina any amina firenena ivelan’i Madagasikara dia, tamin’ny fivorian’ny “ Académie Africaine des Langues (ACALAN) ” izay natao tao Addis- Abeba tamin’ny 5-6-7-Febroary 2009 dia lany ho isan’ireo teny 12 matanjaka indrindra aty afrika atsinanana ary miampita sisintany (ampiasaina ho teny ifandraisana eo amin’ny fiainana andavanandro) ny teny Malagasy, miaraka aminy amin’izany ny Kiswahili, ny Somali.
Voninahitra isaloran’ny teny Malagasy izay sata miampita sisintany izay, fa sata mitaky fanatontosana andraikitra ihany anefa mba hahatonga ny teny Malagasy hahaleo hahalasa lavitra amin’izay fiampitana sisintany izay.
Fa hatreto, mba manao ahoana ary izay endriky ny teny malagasy miampita sisintany izay ? Moa ve tsy miova amin’ny endriny tany am-piandohana ? Ny mikasika izay lafinkevitra izay no anton’izao famelabelarana izao.
Fomba fiasa1 - Fandinihana tahirinkevitra momba ny fivoaran’ny teny malagasy
2 - Fitrandrahana tahirinkevitra mirakitra ny teny malagasy ampiasaina any Comores
Endriky ny teny Malagasy miampita sisintanySantionana tahirinkevitra 1 : Voambolana
Malagasy | Kibushi / shibushi | Frantsay |
Akory (FT) | Akori | Bonjour |
Tsara (MO) | Tsara | Bien |
Mihinana (MO) | mihinagnan | Manger |
Minon-drano (FT) | Midranou | Boire |
Be (MO) | Bé | Grand |
Kely (MO) | Héli / hili /kéli | Petit |
Tsofotr’andro (FT) aliny (FT) | Haligni /handra / tsofchrou | Nuit |
Maraindray (FT) | maradraingni | Matin |
Haniny (FT) | hanigni | Repas |
Vato (MO) | Vatou | Pierre |
Ranomasiny (FT) | Ranou massigni | La mer |
Amorom-pasina (FT) | An fassini | La plage |
Fasina (FT) | Fassini | Sable |
Jery (FT) | dzéri | Intelligence |
- « i » eo amin’ny fara-teny nefa amin’ny malagasy, ny « i » mamarana teny dia « y »
- “gn”ny eo amin’ny toeran’ny « n tendro roa » sy « n tendro satroka » izay manana zara asa manavaka kanefa dia tsy miavaka fa natao « gn » avokoa
- feo [ou] raha « o /[u] » amin’ny teny malagasy hita izany amin’ny hoe vatou = vato [vatu] amin’ny teny Malagasy . Raha jerene anefa ny rakiteny misy any amin-dry zareo dia tsy mbola misy fitsipika mifehy mazava ny amin’ny fampiasana ny “ou” sy “o” eo amin’ny toeran’ny “o” amin’ny teny Malagasy. Ohtra samy ampiasaina : akori sy ranou
- litera « u » sy “c” izay tsy ao amin’ny abidia malagasy.
- “ss” izay tsy ampiasaina amin’ny teny Malagasy eto Madagasikara
- “ch” tsy ampiasaina
Santionana tahirinkevitra 2 : fehezankevitra / fehezantenyAkori anaou = / manao ahoana ianao Comment vas tu ?
Tzara na za tzara = / tsara (aho) je vais bien.
S’il vous plait, je voudrais de l’aide. = Tafadali, za mangataka tahitahi.
Je me suis trompé de direction, de chemin …= Za véri lalagnan
« parlez-vous français ? » = Ana mi voulagna ki vasaha ?
« connaissez-vous où se trouve … » = Ana méhèhi missi …
Hita amin’io tahirinkevitra 2 io fa eo amin’ny lafiny fifehezanteny dia :
- ny mpisolotena no manokatra hatrany ny fehezanteny ; izay rafitra izay dia fahita any amin’ny fiteny avy any avaratra eto Madagasikara
Ny tahirinkevitra 1 sy 2 dia ahitana fa ny teny ibeazana any amin’ny faritra avaratry ny Nosy Madagasikara no niampita any Comores ary ny teny iantsoiny azy aza raha halalinina toa manambara izay fiaviany izay : kibushi.= ki-bushi, ki manambara ny hoe teny amin’ny swahili, bushi (botry ?) izany hoe tenin’ireo olona nitaingina botry ary tonga ao amin’ny Nosy Comores ( ?) izay efa voalaza teny aloha.
Sehatra ifampidinihan’ny firenena roa tonta, amin’ny lafiny tenyKoa satria ny Firenena kômôrianina dia firenena niampitan’ny teny Malagasy ary mampiasa azy io ho fiteny ifandraisana eo amin’ny fiainana andavanandro, raha natsangana teo anivon’ny “Academie Africaine des Langues” (ACALAN) tamin’ny 24-26 aogositra 2011 ny Vaomiera Malagasy misahana ny teny miampita sisintany, izay ny tenako no filohany, dia mpikambana ao anatin’io vaomiera io ry zareo avy ao Comores, ary dia ao no sehatra ifanakalozan-kevitra mikasika ny teny Malagasy miampita sisintany. Efa tena mihamahazo vahana ny shibushi sy ny kibushi any Comores.
Ary toy ny fiteny hafa rehetra miampita sisin-tany dia misy fakana volontany ataon’ny mpiteny, araka izay eritreretiny ho mahamety azy, amin’ny teny eo an-toerana (eto dia ny teny malagasy manoloana ny teny frantsay sy ny teny shimaoré ) ka mahatonga ilay teny ho tsy marara-penitra loatra sy manana endrika safiotra aza (créole), kanefa izay toe-javatra izay no mitarika fanjavonan’ilay teny miandalana, mihamaty, ny tanjona anefa di any hampatanjaka izay teny miampita sisin-tany ka hahatonga azy hahaleo hahalasa, hihabe voho, hiampita any amin’ny firenen-kafa koa
Ka mba hahafahana mampanara-penitra ireo teny miampita sisintany, tafiditra amin’izany teny Malagasy, ny “Académie des Langues Africaines (ACALAN)” dia nikarakara atrikasa nandraisan’ireo Vaomieran’ny teny miampita sisintany rehetra anjara, isan’izany ny vaomiera malagasy miampita sisintany, “ Atelier d’ Harmonisation des Langues Transfrontalières”, izay natao tany Kampala Ouganda tamin’ny 15-16-17. Nandritra izany atrikasa izany no nandraisan’ny vaomiera Malagasy (miaraka amin-dry Zareo avy ao Comores) fanapahan-kevitra amin’ny lafiny fampanaraham-penitra ny Kibushi sy ny Shibushi izay toy izao manaraka izao:
Fomba fiasa
Fanangonana tahirinkevitra efa misy eto Madagasikara, Ngazidja, Mwali, Ndzuani sy Mayotte
Avy eo nifandray tamin’ny alalan’ny mailaka sy telefaonina ny roa tonta. Ny tarika avy ao Comores, tao amin’ny Birao Rezionaly CNDRS no nifamotoana niasa ary ny tarika avy eto an-toerana kosa dia tao amin’ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia malagasy. Ny fandrindrana ny asa dia natao tany Kampala (Ouganda) ny 14 novembra indray andro mialoha ny atrikasa
Ireto avy ny nanompanana ny adihevitra.Paika fanatanterahana
Famolavolana boky fampianarana ny teny malagasy ampianarina any an-tsekoly ho an’ny teratany vahiny (izay efa tetikasan’ny vaomiera ihany fa mbola tsy nahitana famatsiam-bola)
Fanofanana ny mpanofana / mpampianatra