Pr. RABENILAINA Roger Bruno
Ny fifehezanteny malagasy
Fampidirana :
Tsy inona ny fifehezanteny fa fandinihana ny fitsipika mifehy ny fifandraisan’ny voanteny mitambatra ho tari- boanteny sy ho fehezanteny. Tsy voafetra amin’ny fisesin’ny voanteny manara-tsipika marin-drano, noho izany, ny tambatra ara-pifehezanteny, fa miompana indrindra koa amin’ny fiarahan’ireo voanteny ireo ho tarika, izay singa miasa eo anelanelan’ny voanteny sy ny fehezanteny.
Raha hamoaka hevitra na haneho fihetseham-po na hanao zava-kanto tokoa manko no itenenan’ny olona eo amin’ny fiarahamonina, dia tsy voanteny mandeha singany no ahafany manao an’izany fa voanteny na tari-boanteny maro, roa farafahakeliny, izay atao hoe tohin-teny. Omena ny anarana hoe fehezanteny ilay tohin-teny mahatafavoaka an’ilay hevitra na fihetseham-po na zava-kanto.
Mifanojo amina hafatra tokana mazàna ny fehezanteny. Toy izany ireto ohatra manaraka ireto :
(1) Maina ny andro
(2) Lehilahy Rakoto
(3) Milomano ny ankizy
(4) Mikapoka mpianatra Ramose
Dingana telo no hitondrana ny famelabelarana :
1° Fandrasana fehezanteny.
2° Fiendrika sy fitodiky ny fehezanteny.
3° Fiofohan’ny fehezanteny.
Tsy maintsy voafehy ireo lafin-javatra telo ireo raha tiana ny hahafehy ny teny malagasy ka hahaizan’ny tompon-teny mamorona fehezanteny sy mampiovaova ny endriny hambaboana ny fo aman-tsain’ ny mpihaino tiana hampitana hafatra.
1. FANDRASANA FEHEZANTENY
Mitaky fahalalana zavatra vitsivitsy ny fandrasana fehezanteny, dia ny atao hoe : fehezanteny, tsinjara asa, karazan-teny, fomba fandrasana, tsinjara toerana, toe-kevitry ny lafika sy fameno.
1.1. Ny fehezanteny
Inona no ilazana fa fehezanteny ny tohin-teny (1) Maina ny andro, (2) Lehilahy Rakoto, (3) Milomano ny ankizy, (4) Mikapoka mpianatra Ramose, etsy ambony ?
Satria mahalaza hevitra feno, izany hoe mirakitra hafatra mazava :
- voalaza ao amin’ny (1) Maina ny andro fa « tsy misy ny orana » (nefa tokony hisy, amin’ny fahavaratra ohatra) ;
- voalaza ao amin’ny (2) Lehilahy Rakoto fa « manana rafi-batana iavahany amin’ny vehivavy Rakoto » na « manana toe- tsaina sahisahy Rakoto » (arakaraka ny toerana sy fotoana ary olona itenenana) ;
- voalaza ao amin’ny (3) Milomano ny ankizy fa « mihevaheva miriorio anaty rano amin’ny fampiasana ny tongotra aman-tanany ny ankizy » ;
- voalaza ao amin’ny (4) Mikapoka mpianatra Ramose fa « mikasi-tanana mamely ny mpianany Ramose ». Inona tokoa moa no mitranga raha esorina misesy ny singa ao amin’ireo tohin-teny ireo?
- Raha esorina na foanana ny singa voalohany, dia tsy misy hevitra na hafatra voambara intsony, fa zavatra na olona no lazaina na tanisaina, dia :
(1) ny andro
(2) Rakoto
(3) ny ankizy
(4) Ramose
- Raha esorina na foanana ny singa faharoa, dia hevitra tsy mitombina, hevitra tsy misy ifaharany, hevitra tsy loabody, tsy tonga volana, no voambara :
(1) Maina
(2) Lehilahy
(3) Milomano
(4) Mikapoka mpianatra
- Fa raha samy voatonona ny singa faharoa, izay milaza zavatra na olona, sy ny singa voalohany, izay manambara hevitra, dia tafita ilay hafatra.
1.2. Ny tsinjara asa
Izany no ilazana fa hoe :
- VARA, izany hoe singa manondro ny hevitra tiana hambara (vara > ambara + ?avara, toy ny hoe : vely > ambely + avely, vela > ambela + avela, vidy > ?ambidy + avidy) ny singa voalohany.
- LAFIKA, izany hoe zavatra na olona na biby itombenana na ilafihana na ifaharan’ny hevitra ambara, ny singa faharoa.
Ny hevitra ambara dia mety ho :
- toetra, toy ny ao amin’ny (1) : maina ny andro
- karazana, toy ny ao amin’ny (2) : lehilahy Rakoto
- asa, toy ny ao amin’ny (3) : milomano ny ankizy sy (4) : mikapoka mpianatra Ramose.
Ny lafika ifaharan’ny hevitra ambara dia mety ho :
- zava-manana aina : olona na biby : lehilahy Rakoto
- zavatra tsy manana aina : azo tsapaina na tsy azo tsapaina : maina ny andro.
1.3. Ny karazan-teny
Ny sokajin-teny misy ny voanteny ampiasaina no resahina eto. Araka izany :
- ny Vara dia mety ho :
• Faritoetra raha milaza toetra ka hafohezina hoe Ft,
• Anarana raha milaza karazana ka hafohezina hoe A,
• Matoanteny raha milaza asa na fisehoan-javatra ka hafohezina hoe M.
- ny Lafika kosa dia mety ho anarana (A) na tarika anarana (TA) hatrany. Raha tsy anarana izy io, dia mety ho :
• Solo anarana, hafohezina hoe Sa ; ohatra, soloana ny hoe : izy ny anarana hoe : Rakoto (2), ny ankizy (3), Ramose (4).
• Solo manondro, hafohezina hoe Sm ; ohatra, soloana ny hoe : izao ny anarana hoe : ny andro (1).
• Anarana mahafao-be, izay azo takonana hatrany ary ferana faritoetra (Ft) na matoanteny (M) avy eo aoriany ; ohatra ny anarana mahafao-be hoe : vahoaka, izay takona ato amin’ny hoe : ny madinika = ny vahoaka madinika, sy olona, izay takona ato amin’ny hoe : ny lehibe = ny olon-dehibe, ny mahitahita = ny olona mahitahita.
1.4. Ny fandrasana
Fomba roa no azo anehoana na andrasana ny fehezanteny (1) – (4) raha ny hitantsika hatreto no iaingana :
1° Ny fomba voalohany dia mifototra amin’ny tsinjara asa, izay miompana amin’ny hevitra, dia ny hoe VARA (hafohezina hoe V) sy LAFIKA (hafohezina hoe Lf). Ampahatsiahivina fa ny anjara asa dia miompana amin’ny rafitra ivelany, dia ny hoe ENTI-MILAZA (hafohezina hoe EM) sy LAZAINA (hafohezina hoe L). Koa raha ny fomba voalohany àry no andrasàna ny (1) – (4) dia :
VARA ……………………….. LAFIKA
(1) maina …………………….. ny andro
(2) lehilahy ………………….. Rakoto
(3) milomano ……………….. ny ankizy
(4) mikapoka mpianatra ….. Ramose
V Lf no rafitra ara-tsinjara asa isehoan’ireo fehezanteny ireo (EM L, araka anjara asa).
2° Ny fomba faharoa dia mifototra amin’ny karazan-teny na sokajin-teny A (anarana), Ft (faritoetra), M (matoanteny). Araka izany dia toy izao ny firasan’ny fehezanteny (1) – (4) avy :
(1) Ft… A………. maina ny andro
(2) A…. A………. lehilahy Rakoto
(3) M…. A………. milomano ny ankizy
(4) M…. A A……… mikapoka mpianatra Ramose
Rehefa matoanteny ny vara dia tsara sady tena ilaina aza ny manampy singa azy io mba hampazava ny hevitra ambara.
Toy izany ny (4) etsy ambony :
raha esorina teo aorian’ny vara matoanteny mikapoka ny singa anarana mpianatra dia miova ny hevitry ny matoanteny mikapoka sy ny fehezanteny (4) manontolo :
Mikapoka Ramose
Tsy misy heviny, toy ny hoe : Manasa Rasoa, io fehezanteny io raha tsy ao anatina sehatra itenenana na ao anatina fitantaran-javatra na atao valina fanontaniana. Ao anatin’ny resaka ifanaovan’ny samy mpianatra, ohatra, dia midika hoe : Mamono mpianatra Ramose izy io ; fa midika hoe kosa : Mivarotra lafo ny entany Ramose ao anatina resaka ifanaovan’ny samy mpividy na mpanjifa, na Mandefa baolina mandrivorivo Ramose ao anatina resaka ifanaovan’ ny samy mpijery lalao baolina tolo-tanana.
Ankoatra ny hevitra hoe : Milalao anaty rano ny ankizy, izay raketin’ny fehezanteny (3), hoy isika, dia mety ho ny hoe : Tsy maharaka ny fampianarana ny ankizy no hevitr’io fehezanteny io ao anatin’ny sehatra itenenana hafa. Mba hialana amin’ny « hevitra tsy azo mampihazohazo » toy izany dia ampiana tarika anarana misy mpampiankin-teny, na tari-mpampiankin-teny, hafohezina hoe TP, ny vara matoanteny milomano, ka ny hoe : ao an-dobo, ohatra, no azo raisina amin’ny heviny voalohany, fa ny hoe : amin’ny fampianarana kosa amin’ny heviny faharoa.
Toy ny hoe : mpianatra ao amin’ny (4), dia mameno, izany hoe manazava na mametra ny hevitra tiana horaketin’ny vara, ireo tarika anarana ireo ka omena ny anarana hoe : FAMENO.
Anarana ary mety ho anarana foana koa, toy ny lafika, ny fameno, izay atao hoe tari-mpampiankin-teny (na TP) raha ampidirin’ny mpampiankin-teny fa tarika anarana kosa (na TA) raha tsy misy mpampiankin-teny.
1.5. Ny tsinjara toerana
Koa satria mety ho samy anarana ny lafika, izay tarika anarana (TA) sy ny fameno, izay TA na tari-mpampiankin-teny (TP), ao amin’ny fehezanteny amana vara matoanteny, dia mety tsy hiavaka ireo tsinjara asa ireo eo am-pandrasana fehezanteny. Noho izany dia ilaina ny fandaharana an’ireo ka ny toerana misy azy manolotra ny vara, dia ny tsinjara toerana, no anaovana an’izany.
Raha raisina ny (3) sy (4) ka asiana ny fameno hoe : ao an-dobo ny (3), dia azo avahana tokoa ny lafika sy fameno amin’ireo :
(3) Milomano ao an-dobo ny ankizy
(4) Mikapoka mpianatra Ramose
Tsikaritra tokoa fa tsy maintsy eo aorian’ny vara matoanteny ny fameno eto, raha mety ho any alohan’ny vara kosa ny lafika. Porofon’izany ireto tohin-teny ireto :
(3) = *Ao an-dobo milomano ny ankizy
(3) = Ny ankizy milomano ao an-dobo
(3) = *Milomano ny ankizy ao an-dobo
(4) = *Mpianatra mikapoka Ramose
(4) = Ramose mikapoka mpianatra
(4) = *Mikapoka Ramose mpianatra
Lazaina àry fa ao amin’ny toerana manaraka ny vara matoanteny no misy ny fameno, ary ao ihany, ka ladina ny tarehimarika 1 ny A manondro azy io ao amin’ny fandrasana : A1. Lazaina kosa fa tsy raikitra ny toerana misy ny lafika, miolotra ny vara, ka ladina ny tarehimarika 0 ny A manondro azy io : A0. Inty, noho izany, ny rafitra ara-tsinjara toeran’ny (3) sy (4) :
M….. A1….. A0
M….. A1….. A0
Milomano….. ao an-dobo….. ny ankizy
Mikapoka….. mpianatra….. Ramose
1.6. Ny toe-kevitry ny lafika sy ny fameno
Ilaina ny mahafantatra ny toetra amam-pomban’ny lafika sy ny fameno, na ny atao hoe toe-kevitry ny anarana, na toetrany ara-tsinjara toerana, raha tiana ny hahafehy tanteraka ny fehezanteny. Iarahan’ny ankamaroan’ny mpahaiteny manaiky fa mety ho miaina (miay) na tsy miaina (-miay) ny zavatra tondroin’ny anarana.
Fanao koa anefa ny mpampifanohitra ny zava-boahary hafa amin’ny olombelona.
Amin’izany dia avahana ho olona (ol) na tsy olona (-ol) ny anarana ka alady ny A ireo fanafohezan-teny ireo, araka izao :
Aol (anarana (manondro) olona), A-ol (anarana (manondro) tsy olona), ity farany moa dia mety ho Amiay na A-miay.
Atao hoe ol ny A raha azo soloana ny mpisolo anarana (Sa) izy, azy, aminy, fa –ol kosa raha tsy azo soloana ny Sa fa ny solo manondro (Sm) izany, an’izany, amin’izany.
Aol, ohatra, ny lafika (A0) ny ankizy, ao amin’ny (3) [milomano ny ankizy] :
satria azo soloana ny solo anarana (Sa) izy : [milomano izy], fa tsy ny solo manondro (Sm) izany : [milomano *izany] ;
toraka izany koa ny fameno (A1) mpianatra, ao amin’ny (4), satria azo soloana ny solo anarana (Sa) azy fa tsy solo manondro (Sm) an’izany :
(4) Mikapoka (azy, * an’izany) Ramose.
A-ol kosa ny fameno (A1) ao an-dobo, ao amin’ny (3) ihany, satria azo soloana ny solo manondro (Sm) amin’izany :
[milomano ao ny ankizy] fa tsy ny solo anarana (Sa) aminy : [* milomano ao (amin’izany, * aminy) ny ankizy].
Azo soloana ny solo toerana (St) ao koa eto ny ao an-dobo noho izy io milaza toerana :
(3) = Milomano ao ny ankizy
Mibaribary amin’ireto ohatra efatra manaraka ireto ny lanjan’ny toe-kevitra amin’ny famerana sy fanakarana ny hevitra raketin’ny vara izay miovaova arakaraka ny maha olona (Aol) na tsia (A-ol) ny fameno (A1), na arakaraka ny maha miaina (Amiay) na tsy miaina (A-miay) azy io. (Miseho koa izany amin’ny lafika (A0) fa tsy hidirantsika eto) :
(5) Miandry vahiny i Soa = Manasa vahiny i Soa (Aol ny A1)
(6) Miandry omby i Soa = Miambina omby i Soa (A-ol ny A1)
(7) Miandry valisoa i Soa = Manantena valisoa i Soa (A-ol ny A1)
(8) Miandry saha i Soa = Miaro saha i Soa (A-ol ny A1)
Ny toe-kevitra hoe miaina (Amiay) sy tsy miaina (A-miay) no manavaka ny fameno (A1) – izay samy A-ol – ao amin’ny fehezanteny telo farany ka mahatonga ny hevitry ny vara hoe : miandry ho samy hafa.
Mbola azo atao koa ny manavaka ny fameno (A1) ao amin’ny (7) sy (8) ho anarana tsapa (Atsapa) sy anarana tsy tsapa (A-tsapa) ka ivoasana koa ny maha samy hafa ny hevitry ny miandry.
Mety tsy ho ampy anefa ny fampiasana ny toe-kevitry ny anarana hamerana ny hevitry ny vara fa tsy maintsy mbola hozaraina madinidinika kokoa ny toetra ara-tsinjara toerana hoe : olona, tsy olona, miaina, tsy miaina, tsapa, tsy tsapa.
Amin’izay dia tokony hidirana ny antsoin’ny Pr. Gaston Gross hoe : “sokajin-draha” hanavahana, ohatra, ny Aol = : gadra ato amin’ny :
(9) Miandry gadra i Soa = Miambina gadra i Soa
amin’ny Aol = : vahiny ao amin’ny (5) ;
ny Amiay = : fody ato amin’ny : (10) Miandry fody i Soa = Mandroaka fody i Soa
amin’ny Amiay = : omby ao amin’ny (6) ;
ny A-tsapa = : sazy ato amin’ny : (11) Miandry sazy i Soa = Manampo sazy i Soa
amin’ny A-tsapa = : valisoa ao amin’ny (7) ;
ny Atsapa = : trano ato amin’ny : (12) Miandry trano i Soa = Mitandrina trano i Soa
amin’ny Atsapa = : saha ao amin’ny (8).
Amin’ny rakibolana mandrina voanaratra (elektrônika) sy amin’ny dika teny mandeha ho azy na ampiasana solosaina ary amin’ny fampianarana ny teny malagasy sy fandaharan-teny an-tsoratra no tena ilana ny fahafantarana ny toe-kevitry ny fameno sy/na lafika mbamin’ny sokajin-draha misy azy.
1.7. Ny karazana fameno
Avahana ho karazany roa ny famenon’ny matoanteny, dia ny fameno zoina sy ny fameno toejavatra, arakaraka ny fifamatorany akaiky na tsia amin’ny vara.
‘Ndeha hampiana fameno hafa ny fehezanteny (3) sy (4) hanehoana an’izany fiavahana izany.
Indreto àry ny (3a) sy (4a) :
(3a) Milomano ao an-dobo isan’andro ny ankizy
(4a) Mikapoka mpianatra amin’ny tehina isan’andro Ramose
Araka ny hita tetsy aloha dia raikitra ho eo aorian’ny vara matoanteny hoe : milomano, mikapoka ny toeran’ny fameno
(A1) ao an-dobo, mpianatra. Tsy mba toy izany anefa ny fameno (A) isan’andro fa azo avadika ho eo alohan’ny vara na ahemotra ho eo aorian’ny lafika :
(3a) = Isan’andro (dia) milomano ao an-dobo ny ankizy
(3a) = Milomano ao an-dobo ny ankizy isan’andro
(4a) = Isan’andro (dia) mikapoka mpianatra amin’ny tehina Ramose
(4a) = Mikapoka mpianatra amin’ny tehina Ramose isan’andro
Mitovy karazana amin’ny fameno hoe : ao an-dobo, mpianatra, kosa ny fameno hoe amin’ny tehina, ao amin’ny (4a), satria sady tsy azo avadika (alefa any alohan’ny vara amin’ny lalan’ny Kt= : E+dia) no tsy azo ahemotra (alefa any aorian’ny lafika), araka ireto tohin-teny tsy fehezanteny ireto :
(4a) = *Amin’ny tehina (dia) mikapoka mpianatra Ramose
(4a) = *Mikapoka mpianatra Ramose amin’ny tehina
Tsy fehezanteny ireo satria tsy misy « heviny » izany amin’ny tehina izany, izay midika hoe : araka ny hevitry ny tehina, eo imason’ny tehina ka anomezana toetr’olona ny tehina.
Ny fameno raikitra ho eo aorian’ny vara na raikitra an-kabaka, toy ny hoe : ao an-dobo, mpianatra, amin’ny tehina, dia antsoina hoe zoina, satria zoin’ny asa na iantefan’ny asa na iafaran’ny asa ambaran’ny matoanteny, na hoe koa manazava ny hevitra raketin’ny vara, ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa tondroin’ny vara, akaiky, mariny, marikitra ny matoanteny. Izany koa no ilazana azy ity hoe fameno-matoanteny. Ladina tarehimarika 1, 2, 3 … ny A anehoana azy, noho izany.
Ny fameno tsy raikitra ho eo aorian’ny vara kosa na tsy raikitra an-kabaka fa afaka mifindrafindra, toy hoe : isan’andro, dia atao hoe toejavatra, satria tsy zoin’ny asa ambaran’ny matoanteny, na hoe koa tsy manazava ny hevitra raketin’ny vara, tsy ilaina fa manodidina fotsiny ny fanatanterahana ny asa tondroin’ny vara, lavitra, mihataka ny matoanteny. Izany koa no iantsoana azy ity hoe famenom-pehezanteny. Ladina tarehintsoratra i, j, k, l, m, n … ny A anondroana azy, noho izany.
1.8. Ny karazana zoina sy toejavatra
Mety hisy fameno zoina maro miaraka ao anaty fehezanteny iray, toy ny ao amin’ny (4a), izay ahitana ny hoe : mpianatra, amin’ny tehina.
Tsy maintsy alahatra ireo fameno zoina ireo hahafantarana hoe iza no marikitra indrindra ny matoanteny.
Azo atao an’izany, ohatra, ny fameno roa ao amin’ny (4a), dia ny hoe : mpianatra, amin’ny tehina, ka sivana ara-bika no tsy maintsy ampiasaina.
Azo tsoahana hiala ao amin’ny toerany hankany alohan’ny vara tokoa ny amin’ny tehina fa tsy ny mpianatra :
(4a) = Amin’ny tehina no mikapoka mpianatra Ramose
(4a) = *Mpianatra no mikapoka amin’ny tehina Ramose
Noho izany, dia tsy marikitra kokoa (tsy mifamato-kevitra akaiky kokoa amin’) ny vara noho ny mpianatra ny amin’ny tehina : ladina 2 izany ny A manondro azy : A2 = : amin’ny tehina, ka toy izao ny firasan’ny fehezanteny (4a) :
(4a) M [mikapoka] A1 [mpianatra] A2 [amin’ny tehina] Ai [isan’andro] A0[Ramose]
Ao amin’ny (4a) ihany dia atao hoe zoina mivantana ny mpianatra, satria :
1° Tsy ialohavana ary tsy mety hialovana mpampiankin-teny (Pt) :
(4a) = *Mikapoka amy mpianatra amin’ny tehina isan’andro Ramose
2° Azo eferina amin’ny mpanoritra (S) ny (avy eo alohany) :
(4a) = Mikapoka ny mpianatra amin’ny tehina isan’andro Ramose
3° Azo soloana ny solo anarana (Sa) azy + anazy :
(4a) = Mikapoka (azy + anazy) amin’ny tehina isan’andro Ramose
Atao hoe zoina iharana koa ny fameno hoe : mpianatra. Marihina fa rehefa mpisolo anarana (Sa) na solo manondro (Sm) ny zoina iharana dia asiana ny safy alohan-joina (Sz) hoe : ana. Toraka izany koa ireto karazana anarana ireto : anaran-tsamirery, anarana milaza rohim-pihavanana tsy voaefitra (tsy misy efitra (Ef) toy ny mpanoritra (S) eo alohany) fa voafetra (misy fetra (Fe) toy ny mpisolo anarana tampisaka (Sat) eo aoriany) :
Namangy an-(dRabe, drainy, dreniny, janany, badiny, jokiny, jandriny) izy
Ao amin’ny (4a) ihany dia atao hoe zoina tsy mivantana ny fameno amin’ny tehina, satria :
1° Ialohavan’ny mpampiankin-teny (Pt) amina.
2° Mety tsy hialohavana mpampiankin-teny (Pt) ka amin’izay dia tsy azo soritana : (4a) = Mikapoka mpianatra (*ny) tehina isan’andro Ramose
3° Azo soloana ny mpisolo manondro (Sm) ama-mpampiankin-teny (Pt) amin’izany fa tsy ny mpisolo anarana
(Sa) ama-mpampiankin-teny (Pt) aminy (satria A-ol ny tehina fa tsy Aol) : (4a) = Mikapoka mpianatra (amin’izany, *aminy) isan’andro Ramose
Antsoina koa hoe zoina tsy iharana ny fameno hoe : amin’ny tehina.
Avahana ho fitaovana, tanty/mpandray, tolorana, toerana ary alalana ny zoina tsy iharana, ka ny karazana mpampiankin-teny afa-mifanova amin’ny amy + amina no sivana amin’izany. Toraka an’izany koa ny toejavatra izay miavaka ho fotoana, toerana, fomba ary antony. Toy izao, araka izany, ny karazam-pameno zoina sy toejavatra voavaka, raha hafohezina hoe Pt ny mpampiankin-teny, am ny amy + amina, an ny ana, St ny mpisolo toerana, al ny alalan’ny ary E ny tsy fitrangan’ny Pt :
zoina iharana : Pt = : Ø
(13) Mandroso Ø ny sakafo i Soa
zoina fitaovana : Pt = : E + am
(14) Mitoraka ny fody (E + amy) vato i Bera
zoina tanty/mpandray : Pt = : am, (E + St) am
(15) Mandroso sakafo amin’ny vahiny i Soa
(16) Mamelatra tsihy (E + eo) amin’ny tany i Soa
zoina tolorana : Pt = : am
(17) Mivarotra ny taniny amin’ny vahiny i Rebia
(18) Mimenomenona amin’ny mpianany Ramose
zoina toerana : Pt = : (E + St) (am + an)
(19) Monina (E + eny) (amy + an-) havoana ry Be
(20) Mandrakitra ny volany (E + ao) (amy + an-) vata i Soa
zoina alalana : Pt = : am (E + al)
(21) Manenjika ny dahalo amin’ny (E + alalan’ny) alika ny zandary
toejavatra fotoana : Pt = : E + am
(22) Mandeha any an-tsena (E + amy) maraindraina i Soa
toejavatra toerana : Pt = : (E + St) (am + an)
(23) Miandry omby (E + any) (amy + an-) saha i Be
toejavatra fomba : Pt = : am + an
(24) Milahatra (amin- + am-)pilaminana ny mpitokona
toejavatra antony : Pt = : (ami + noho) –na
(25) Mirotaka (ami + noho)n’ny vidin-javatra ny olona.
2. FIENDRIKA SY FITODIKY NY FEHEZANTENY
Rehefa matoanteny ihany ny vara no mety hiova endrika na fiendrika, izany hoe mety hiova tsirin-teny (fa tsy miova hevitra) :
Mianatra ny lesony i Soa = Ianaran’i Soa ny lesony
Tsy mba ahitana an’izany kosa rehefa anarana na faritoetra ny vara, satria tsy aman-tsirin-teny ny anarana toy ny hoe : biby sy ny faritoetra toy ny hoe : diso ato amin’ireto fehezanteny ireto :
Biby taloha ny olombelona
Diso amiko i Bera
ka tsy misy tsirin-teny afa-mifanova amin’ny tsy misy.
Marina fa aman-tovona ma- ny mpamari-toetra hoe : maloto ato amin’ny fehezanteny hoe : Maloto ho an’ny mpivavaka ny ody kanefa tsy afa-mifanova amina tsirin-teny hafa io tovona io, satria lavina, ohatra, ny tohin-teny hoe : *Alotoan’ny ody ny mpivavaka
raha ny fehezanteny amana vara matoanteny etsy ambony no alain-tahaka. Midika izany fa tsy manana fitodika ny fehezanteny amana vara anarana sy ny fehezanteny amana vara faritoetra.
Marihina fa tsy manana fitodika koa ny fehezanteny antsoin’ny fitsipi-pitenenena araka anjara asa hoe : mitodika amin’ny mpamari-toe-javatry ny tsaraina. Fehezanteny saro-drafitra ireny, izany hoe, araka ny mbola hahitantsika azy, fehezanteny ahitana fehezanteny na fehezankevitra roa.
Toy izany ny hoe : Naha biby ny olombelona taloha = Naha taloha # Biby ny olombelona
izay tsy mifandray amin’ny etsy ambony hoe : Biby taloha ny olombelona
Ankoatra izany dia tokony ho fehezanteny ireto tohin-teny manaraka ireto raha marina fa manana fitodika tokoa ny fehezanteny amana vara tsy matoanteny (faritoetra eto) ka maha- no tsirin-teny fanovan’ny tsirin-teny zerô :
*Mahamaloto ny ody ny mpivavaka
*Mahadiso an’i Bera aho
Mitarika antsika hanavaka ny fiendrika amin’ny fitodika ireo fanamarihana roa sosona etsy ambony ireo. Araka ny fitsipiteny nentin-drazana tokoa dia ahitana fiendrika telo ny teny malagasy, dia ny fiendrika mañano asehon’ny tovona mx-, ka Ø, a, an, añ, i … ny x- (vakiny miova) arakaraka ny fototeny ; ny fiendrika anoina asehon’ny tovona a-, voa- sy/na tovana –ana, -ina sy/na tsofoka –in-, arakaraka ny fototeny, ary ny fiendrika añanovana asehon’ny tsirin-teny sara-droa x-…-ana ka ny x- dia ilay vakiny miova ao amin’ny mx- mañano ihany. Ohatra : fiendrika mañano :
mx- = : mØ- : mØ-ita
mx- = : ma- : ma-tory
mx- = : man- : man-deha
mx- = : mañ- : mañ-enty
mx- = : mi- : mi-jery
fiendrika anoina :
a- : a-lefa
voa- : voa-dona
-ana : sorat-ana
-ina : kapoh-ina
-in- : t-in-ady
fiendrika añanovana :
x- = : Ø- : Ø-it-ana
x- = : a- : a-tori-ana
x- = : an- : an-dehan-ana
x- = : añ- : añ-ente-a(na)
x- = : i- : i-jer-ena
Araka ny fitsipiteny ara-piofohana kosa dia misy karazany roa ny fitodika amin’ny teny malagasy, dia ny fitodika fototra sy ny fitodika sampana. Efatra farafahakeliny ny isan’ny fitodika fototra, dia ny fitodika mihatra sy ny tsy mihatra miampy ny fitodika mamoatra sy mitoina. Fito kosa farafahakeliny ny isan’ny fitodika sampana.
Atao hoe toejavatra ny iray amin’ireo, fa ny enina sisa kosa, izay omena ny anarana iombonana hoe fitodika zoina, dia iharana, fitaovana, tanty, tolorana, toerana ary alalana.
Raha ny endrika na rafitry ny vara matoanteny no isehoan’ny fiendriky ny fehezanteny, dia ny hevitra fonosin’ny fifandraisana misy eo amin’ny matoanteny sy ny fameno kosa no ifotoran’ny fitodiky ny fehezanteny.
Atao hoe mihatra ny fehezanteny manana fitodika fototra raha iharana ny fameno voalohany ka lazaina ny lafika.
Ohatra : jereo ny fehezanteny (13) ka hatramin’ny (17) ary (20) sy (21) etsy ambony. Atao hoe tsy mihatra kosa ny fehezanteny manana fitodika fototra raha tsy iharana ny fameno voalohany ka lazaina ny lafika. Ohatra : jereo ny fehezanteny (18) sy (19).
Atao hoe mamoatra na mitoina kosa ny fehezanteny raha mamoatra na mitoina ny lazaina (jereo etsy ambany : 3.2.1, 4.3° sy 7.).
Atao hoe zoina ny fitodika sampana (na tsy fototra) raha zoina ny lazaina, fa toejavatra kosa raha toejavatra ny lazaina. Ao amin’ny fizarana fahatelo no hanantomorantsika an’izany, rehefa hiresaka ny fiofohana manova fitodika isika, satria ny fiharan’izany karazam-pitsipika izany amin’ny fehezanteny manana fitodika fototra, na fehezanteny fototra, no miteraka ny fehezanteny manana fitodika sampana, na fehezanteny sampana.
3. FIOFOHAN’NY FEHEZANTENY
Manavanana antsika Malagasy kokoa tokoa ny mampiasa fehezanteny sampana (tsy fototra), anoina sy añanovana, noho ny mampiasa fehezanteny « iaingana » (fototra), mañano, miolotra amin’ny Frantsay, ohatra, izay fatra-mpampiasa fehezanteny mañano. Na izany aza anefa dia ny fehezanteny mañano no niaingantsika handraiketana ny tsinjara asa sy tsinjara toerana misy ao anatin’ny fehezanteny malagasy, ka niantsoantsika an’io karazam-pehezanteny io hoe : fehezanteny fototra.
Raha ny fehezanteny mañano àry no iaingana, izany hoe ny fehezanteny manana fitodika mirasa ho : M A1 A2 Ai A0, [mikapoka ny mpianatra amin’ny tehina isan’andro Ramose], dia azo atao ny mampihatra fanovana ara-bika telo miaraka na amin’ny ampahany amin’izany fehezanteny izany. Iarahan’ny ankamaroan’ny mpahaiteny manaiky ny fisian’ ireo fanovana ara-bika ireo, dia :
- ny fanampiana na vp (vela manampy),
- ny fampanjavonana na vz (vela mampanjavona),
- ny fampifamadihan-toerana na vt (vela mampifamadi-toerana).
Ny fiasan’ireo fiovana ara-bika ireo no omena ny anarana hoe fiofohana (fototeny : ofoka) na fifandraisan-drafitra na fifandraisan-tsahala. Amin’izany dia :
- tsy miova ny tsinjara asa sy ny tsinjara toerana,
- tsy miova ny reniteny feno fa ny reniteny foana ihany,
- mety misy reniteny feno anampy amin’ny fiofohana sasany.
Avahana ho karazana roa lehibe ny fiofohana, dia ny fiofohana manova fitodika ahitana ny fiovam-piendriky ny vara matoanteny sy ny fiofohana tsy manova fitodika tsy ahitana fiovam-piendrika ny fehezanteny mañano (fototra).
3.1. Ny fiofohana manova fitodika
Ity karazam-piofohana voalohany ity no mahatonga ny fitodika fototra ho fitodika sampana. Ovana ho lazaina ny fameno eto, izany hoe ampifamadihin-toerana (vt) amin’ny lafika. Amin’izay dia : 1° miova endrika (vz sy vp) ny vara matoanteny ka lasa anoina sy/na añanovana; 2° manjary miankina amin’ny vara ny lafika ka ialohavan’ny mpampiankin-teny (Pt) –na (vp) mitampisaka amin’ny vara. Ny anarana manondro ny fameno atao lazaina no anarana omena an’ilay fiofohana sy ny fehezanteny azo.
Araka izany dia mitovy isa amin’ny karazana fameno zoina fantatra, miampy ny fameno toejavatra mitambatra, ny fiofohana manova fitodika sy ny karazam-pehezanteny tsy mañano (na fehezanteny (manana fitodika) sampana) avy amin’izany.
Koa satria enina ny isan’ny fameno zoina hita hatramin’izao, dia enina koa izany ny isan’ny fiofohana zoina (sy ny isan’ny fehezanteny (manana fitodika) zoina vokatr’izany). Indreto ireo : fiofohana iharana, fitaovana, tanty, tolorana, toerana ary alalana. Anankiroa ihany kosa ny isan’ny fiofohana toejavatra azo avahana hatramin’ izao, dia ny fiofohana toejavatra manatsoaka sy ny fiofohana toejavatra tsy manatsoaka.
Hafohezina ka atao anaty fonosana mahitsy ([…]) ireo karazam-piofohana ireo, araka ny mahazatra eran-tany. Toy izao izany :
Fiofohana zoina : [ihara], [fitaova], [tanty], [tolora], [toera], [alala].
Fiofohana toejavatra : [toeja tsoaka], [toeja zerô].
Raha ampiharina amin’ny fehezanteny mañano manana fitodika fototra (13) – (25) etsy ambony (§1.8) ireo fiofohana
ireo, dia ny fehezanteny (F) anoina sy añanovana manana fitodika sampana eo ambany no azo. 3.1.1. Fiofohana zoina
[ihara] : (13) = Aroson’i Soa ny sakafo (F iharana)
[fitaova] : (14) = (Atoraka + itoraha)n’i Bera ny fody ny vato (F fitaovana)
[tanty] : (15) = (Rosoa + androsoa)n’i Soa sakafo ny vahiny (F tanty)
(16) = (Velara + amelara)n’i Soa tsihy ny tany (F tanty)
= Amelaran’i Soa tsihy (E + eo) amin’ny tany (F tanty)
[tolora] : (17) = Ivarotan’i Rebia ny taniny ny vahiny (F tolorana)
(18) = Imenomenonan-dRamose ny mpianany (F tolorana)
[toera] : (19) = Onenan-dry Be (E + eny) (amy + an-) havoana (F toerana)
(20) = Andraketan’i Soa ny volany (ny + (E + ao) (amy + an-) vata
(F toerana) [alala] : (21) = Anenjehan’ny zandary dahalo ny alika (F alalana)
3.1.2. Fiofohana toejavatra
[toeja zerô] : (22) = Andehanan’i Soa any an-tsena (E + ny + amy) maraindraina (F toejavatra fotoana)
(23) = Iandrasan’i Be omby (ny + (E + any) (amy + an-)) saha (F toejavatra toerana)
[toeja tsoaka] : (24) = (Amim- + am-)pilaminana no ilaharan’ny mpitokona (F toejavatra fomba)
(25) = (E + amin’ + nohon’) ny vidin-javatra no irotahan’ny olona (F toejavatra antony)
3.2. Ny fiofohana tsy manova fitodika
Tsy mba anarana mifototra amina hevitra no anondroana ny fiofohana eto fa anarana mifototra amin’ny endrika isehoan’ny fiofohana. Mandika na mandoko ny fiovana mitranga ny fiantsoana ny fiofohana eto fa tsy mandika hevitra toy ny teo ambony. Azo avahana ho karazany roa ny fiofohana tsy manova fitodika, dia : 1° ireo manova ny fehezanteny ho saro-drafitra, dia ny [vadika], [tsoaka], [antitra], [ova], [voatra], [evana], [sala], [toina], sy 2° ireo tsy manova ny fehezanteny ho saro-drafitra na manova azy ho tokan-drafitra, dia ny [findra], [samaka], [andry]/ [anara], [halava], [ako]. Marihina moa fa tokan-drafitra ny fehezanteny raha tsy ahitana afa-tsy vara tokana sy lafika tokana ary fameno zoina tokana isan-karazana, fa saro-drafitra kosa raha ny mifanohitra amin’izany no mitranga.
3.2.1. Ny fiofohana manova fehezanteny ho saro-drafitra
1. [vadika] :
Ny fiofohana mamadika TA (tarika anarana) / TP (tarika anarana misy mpampiankin-teny na tari-mpampiankin-teny), na [vadika], dia mametraka TA/TP ho eo alohan’ny vara amin’ny alalan’ny kian-teny (Kt) dia. Tsarovy fa tsy mba azo atao an’izany ao amin’ny F fototra ny zoina fa ny lafika sy ny toejavatra ihany (ny lazaina koa ao amin’ny F tsy fototra). Azo ampiana fa tsy M’ ny vokany.
Ohatra : (26) Mikorana ao an’efitra ny ankizy = Ny ankizy dia mikorana ao an’efitra fa tsy mianatra = Ao an’efitra dia mikorana ny ankizy fa tsy mianatra
2. [tsoaka] :
Ny fiofohana manatsoaka TA/TP, na [tsoaka], dia manaisotra TA/TP iray teo amin’ny toerany ho eo alohan’ny vara amin’ny alalan’ny kian-teny (Kt) no. Tsy mba azo atao an’izany anefa ny iharana ao amin’ny F fototra. Azo ampiana fa tsy TA’/TP’ ny vokany.
Ohatra :
(26) = Ny ankizy no mikorana ao an’efitra fa tsy ny mpiasa = Ao an’efitra no mikorana ny ankizy fa tsy ao an-dakozia
3. [antitra] :
Ny fiofohana manantitra, na [antitra], dia sady mamadika TA/TP iray no manatsoaka TA/TP iray hafa ho eo alohan’ny vara amin’ny alalan’ny kianteny (Kt) dia … no. Azo ampiana fa tsy TA’/TP’ ny vokany.
Ohatra :
(26) = Ny ankizy dia ao an’efitra no mikorana fa tsy ao an-dakozia = Ao an’efitra dia ny ankizy no mikorana fa tsy ny mpiasa
Inona izany no manavaka ny [vadika] sy [tsoaka] ary [antitra]?
Ny voalohany mampisongadina ny vara, ny faharoa mampisongadina ny TA/TP tsoahana, ny fahatelo mampisongadina ny TA/TP anterina, dia ny TA/TP tafiditra eo anelanelan’ny dia sy no.
Inona kosa no manavaka ny [vadika] sy [tsoaka] ?
Ny [vadika] dia tsy manala tanteraka teo amin’ny toerany an’ilay TA/TP avadika, satria mbola azo averina eo amin’ny toerany ilay TA/TP, na izy tenany na amin’ny endrika mpisolo : (26) = Ny ankizy dia mikorana ao an’efitra (ny ankizy + izy ireo)
Antsoina ihany koa hoe [ombotra] amin’izay ny [vadika], indrindra raha takona ny Kt ka averina eo amin’ny toerany amin’ny endrika mpisolo ny TA/TP :
Ny ankizy, mikorana ao an’efitra izy ireo
Ao an’efitra, mikorana ao ny ankizy
Ny [tsoaka] kosa dia manala tanteraka teo amin’ny toerany an’ilay TA/TP tsoahana, satria tsy azo averina eo amin’ny toerany intsony ilay TA/TP na dia amin’ny endrika mpisolo aza : (26) = *Ny ankizy no mikorana ao an’efitra (ny ankizy + izy ireo)
Azo takonana ny Kt = : dia fa tsy azo atao an’izany kosa ny Kt = : no.
4. [ova] sy [voatra] :
Ny fiofohana manisy mpanova, na [ova], dia mampiditra fehezanteny mpanova (F mpanova) ao anatina fehezanteny tokan-drafitra omena ny anarana hoe fehezanteny ovana (F ovana), ka atao hoe anarana ivelany, na Aiv, ny lafiky ny F mpanova.
Fomba telo no azo ampiasaina amin’izany, araka ireto mpanova karazany telo ireto :
1° ny mpanova : (man-(a)- + manao) ny Aiv
2° ny mpanova : (maha- + manao, mahatonga) ny Aiv
3° ny mpanova : (-amp- + mitarika, mitondra, manao) ny Aiv
Raha man(a)- + manao sy maha- + manao, mahatonga no varan’ny F mpanova, dia faritoetra (Ft) na anarana (A) ny varan’ny F ovana. Raha –amp- + mitarika, mitondra, manao kosa ny varan’ny F mpanova, dia matoanteny (M) ny varan’ny F ovana.
1° Ny (man-(a)- + manao) ny Aiv dia mametra karazana matoanteny maromaro ka anisan’ireo ny matoanteny ao amin’ny kilasy fahafolo enina amby (K16) :
(27) (Mana- + manao) i Soa # Kila ny kafe = (Manakila + manao kila) ny kafe i Soa
(28) (Mana- + manao) i Soa # Kitoza ny hena = (Manakitoza + manao kitoza) ny hena i Soa
Mety hampiasaina amina F ovana amana vara matoanteny koa izy io :
(29) (Mana- + manao) i Koto # Miborotsaka ny patalohany = (Manaborotsaka + manao miborotsaka) ny patalohany i Koto
(30) (Man- + manao) ny masoandro # Miempo ny menaka
= (Manempo + manao miempo) ny menaka ny masoandro
2° Ny (maha- + manao, mahatonga) ny Aiv dia mahavaofy tsara ny fehezanteny antsoin’ny fitsipi-pitenenana araka anjara asa hoe « F mitodika amin’ny mpamari-toe-javatry ny tsaraina » :
(31) (Maha- + manao, mahatonga) ny hady # Mafy ny vohitra = (Mahamafy + mahatonga ho mafy) ny vohitra ny hady
(32) (Maha- + manao) ny fanahy # Olona ny olona = (Maha + manao) olona ny olona ny fanahy
Marihina fa ny fombam-pitenenana hoe : Ny fanahy no maha olona dia vokatry ny fampiharana ny [tsoaka] tamin’ny hoe : Maha olona ny olona ny fanahy ka nampanjavonina ny tarika anarana, lafiky ny F ovana, hialana amin’ny fiverenan’ny anarana hoe : olona.
3° Ny –amp- ny Aiv dia mahavaofy ny fehezanteny antsoin’ny fitsipi-pitenenana araka anjara asa hoe « F mitodika amin’ny mpampanao » :
(33) (-amp- + mitondra) i Be # Midina ny entana = (Mampidina + (mitondra, mandefa) midina) ny entana i Be
(34) (-amp- + mitarika) i Be # Midina ny vahiny = (Mampidina + mitarika midina) ny vahiny i Be
Hita amin’ny (33) fa tsy mira mpampanao ny anarana ivelany (Aiv) i Be, lafiky ny F mpanova, fa mpanao. Ao amin’ny (34) izy io no mpampanao. Ato amin’ny (35) indray dia tsy mpampanao ny hoe : tsindrona (Aiv) fa antony :
(35) (-amp- + (manao + mahatonga)) ny tsindrona # Miafa ny tazo = (Mampiafa + (manao + mahatonga) miafa) ny tazo ny tsindrona
Koa na mpampanao ny Aiv, na mpanao, na antony dia mamoatra na mampivoatra hatrany hatrany ny lafiky ny F ovana izy io. Izany koa no iantsoana ny fiofohana manisy mpanova iasan’ny –amp- ny Aiv hoe fiofohana mamoatra na [voatra].
5. [evana] :
Ny fiofohana manevanevana, na [evana], dia vokatry ny fampiharana ny [ova] iasan’ny tsirin-teny mpanova (Ttov) -amp- (na [voatra], endrika iray isehoan’ny [ova]) izay atsofoka amin’ny matoanteny tsy mihatra aman-tovona mi-, ka atao anarana ivelany (Aiv) ny lafiky ny F mihatra. Mira hevitra amin’ny F « mihatra » ny F « mamoatra » azo, ao anatin’ny samy fifandraisany avy amin’ilay F ovana « tsy mihatra » :
(30) Manempo ny menaka ny masoandro = Miempo ny menaka = Mampiempo ny menaka ny masoandro
6. [sala] :
Ny fiofohana manalasala, na [sala], dia mifanohitra amin’ny [evana], izany hoe tsy mifandray miaraka ny F mihatra sy tsy mihatra ary mamoatra :
(36) Mamahy ny omby Rakoto = Mifahy ny omby /= *Mampifahy ny omby Rakoto
(37) Manafina ny mpangalatra Rakoto /= Miafina ny mpangalatra = Mampiafina ny mpangalatra Rakoto
7. [toina] :
Ny fiofohana mitoina, na [toina], dia mandravona F anankiroa ho tokana ka iombonany ny matoanteny : ny matoanteny dia miravona amin’ny alalan’ny fanatsofohana ny –if- amin’ny man-M na ny -ifamp- amin’ny mi-M sy ny fampitohizana ny TA roa amin’ny mpandrohy mampitohy (Ro) sy na fampialohavana ny mpampiankin-teny (Pt) amina an’ilay TA akaiky indrindra ny matoanteny. Ny TA, izay lafika ao amin’ny iray, dia fameno ao amin’ny faharoa :
(38) Manenjika an’i Vao i Soa # Manenjika an’i Soa i Vao = Mifanenjika (i Vao sy i Soa + amin’i Vao i Soa)
(39) Miresaka amin’i Vao i Soa # Miresaka amin’i Soa i Vao = Mifampiresaka (i Vao sy i Soa + amin’i Vao i Soa)
Azo lazaina hoe « mpanao iharana mitoina » ny TA tsirairay ao amin’ny (38) ary « mpanao tanty mitoina » ao amin’ny (39).
3.2.2. Ny fiofohana tsy manova ny fehezanteny ho saro-drafitra na manova azy ho tokan-drafitra
8. [findra] :
Ny fiofohana mamindra toerana ny TA sy ny TP, na [findra], dia mahatonga ny TA lafika (A0) sy ny TP zoina (A1) hifandika :
(40) Mihandrona ao amin’ny tokotany ny rano = Mihandrona rano (E + ao amin’)ny tokotany
(41) Misy amin’ny trano ny mavo = Misy mavo (E + amin’) ny trano
Raisina ho « matoanteny » eto ny hoe : mihandrona sy misy.
9. [samaka] :
Ny fiofohana manasamaka, na [samaka], dia manilaka TA tokana ho TA roa. Endrika anankiroa no isehoany :
1° TA tsotra lasa TA roa.
2° TA (A1) miendrika fehezanteny antsoina hoe tari-pehezana (fa F) lasa TA tsotra (A1) sy fehezanteny antsoina hoe safelika (ho F) A2 :
1° Rehefa TA tsotra ilay TA, dia [samaka] roa no hita :
1.1. [samaka 1] : Aa–na Ab = Aa Ab : A1 A0 (F tsy mihatra), A2 A1 (F mihatra)
(42) Misasa ny tanan’i Soa = Misasa tanana i Soa
(43) Manasa ny tanan’ny zandriny i Soa = Manasa tanana ny zandriny i Soa
1.2. [samaka 2] : Aa–na Ab = St am Aa Ab : St am A1 A0 (F tsy mihatra) = Ab St am Aa : A1 St am A2 (F mihatra)
(44) Mikorosy ny toekaren’i Madagasikara = Mikorosy eo amin’ny toekareny i Madagasikara
(45) Mamatotra ny tongotry ny omby i Koto = Mamatotra ny omby eo amin’ny tongony i Koto
2° Rehefa TA tari-pehezana ilay TA, dia ampiasaina ny [samaka 3] : M A0 fa V (Sa°, A1) = M (Sa°, A1) ho V A0
Ampiakarina ho eo amin’ny toeran’ny zoina iharana (A1) ny lafiky ny tari-pehezana fa F (izay mety ho ny A0 na ny A1 no lafikany) ka ovana ho mpandrohy mampiankina (Rk) ho ny mpandrohy mampiankina (Rk) fa :
(46) Matoky Rabe fa ho sitrana (E + izy + ny tenany) = Matoky (E + azy + ny tenany) ho sitrana Rabe
(47) Matoky Rabe fa mianatra ny zanany = Matoky ny zanany ho mianatra Rabe
10. [andry] / [anara] :
Ny fiofohana manisy andry, na [andry], izay antsoina ihany koa hoe fiofohana manova ho anarana (M = M–an, Ft = Ft–an), na [anara], dia mahatonga ny vara matoanteny (M) na faritoetra (Ft) ho anarana (izany hoe aman-tsirin-tenin’anarana tondroina amin’ny hoe : -an : M-an, Ft-an), amin’ny fampiasana matoanteny antsoina hoe matoanteny andry, na Mand, apetraka eo alohany. Dingana maromaro no lalovana amin’izany :
(48) Mamindra ny entana i Soa = Manao famindrana ny entana i Soa [andry] = Ataon’i Soa ny famindrana ny entana [ihara] = Ny famindrana izay ataon’i Soa ny entana [iray] = Ny famindrana ataon’i Soa ny entana [Rr z.] = Ny famindran’i Soa ny entana [dia vita] [Mand z.]
(49) Sitrana ny aretiko = Manana fahasitranana ny aretiko [andry] = Ananan’ny aretiko ny fahasitranana [ihara] = Ny fahasitranana izay ananan’ny aretiko [iray] = Ny fahasitranana ananan’ny aretiko [Rr z.] = Ny fahasitranan’ny aretiko [dia misy] [Mand z.]
Araka ireo, ny anarana mifandray endrika amin’ny M sy Ft dia vara hatrany hatrany, ka ny [andry]/ [anara] no fitaovana entina anehoana an’izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia samy fehezanteny, ao amin’ny (48) sy (49) avy, ny ohatra voalohany sy ny ohatra farany, na dia miseho amin’ny endrika tarika anarana (TA) aza ny farany, satria samy ahitana vara sy lafika avokoa.
1.1. [halava] :
Ny fiofohana halava, na [halava], dia mampifamadi-toerana tarika iba (akaiky ny vara) kokoa amin’ny tarika abo (lavitra ny vara) kokoa. Ampiasaina izy io rehefa lava kokoa ilay tarika marikitra kokoa ny matoanteny, izany hoe ilay tarika ahitana singa maro kokoa noho ilay tarika mihataka ny matoanteny kokoa :
(50) ? Mamatotra ny omby mahazaka i Be = Mamatotra mahazaka ny omby i Be
(51) ? Milaza fa misy Andriamanitra i Soa = Milaza i Soa fa misy Andriamanitra
1.2. [ako] :
Ny fiofohana miako, na [ako], dia miasa amin’ny matoanteny mihatra sy tsy mihatra (sy anarana ary faritoetra) maromaro manaiky ny fanesorana ny mpampiankin-teny (Pt) amina mampiditra ny zoina tsy mivantana izay mitaky ny fanisihana ny mpandrohy mampitohy (R0) sy eo anelanelan’ny zoina sy ny lafika ao amin’ny F tsy mihatra ary eo anelanelan’ny zoina anankiroa ao amin’ny F mihatra :
(52) Mivady amin’ny fotsy ny mainty = Mivady ny fotsy sy ny mainty
(53) Mamady ny mainty amin’ny fotsy ny mpandoko = Mamady ny mainty sy ny fotsy ny mpandoko
Famaranana
Hita fa ilaina ny fameno antsoina hoe zoina mba hampazava bebe kokoa ny fehezanteny ampiasana vara matoanteny.
Azo iverenana jerena amin’izany izay voaresaka momba ny fehezanteny (3) sy (4) ao amin’ny 1.4.2° :
(3) Milomano ny ankizy
(4) Mikapoka Ramose
Takina ny fampiasana ny voanteny amina fehezanteny lehibe indrindra (fa tsy kely indrindra intsony).
Azo dinihina koa ireto fehezanteny (a) sy (b) ireto :
(a) Miresaka i Soa
(b) Miangatra i Soa
Samy mitodika amin’ny sehatra ireo, raha ifotorana ny fitsipi-pitenenana araka anjara asa mahazatra, izay sady anilihana ny hevitra no tsy ijerena ny fifamatoran’ny singa am-pehezanteny indrindra koa. Tsy mitovy velively kosa anefa ireo amin’ny fomba fijery arahina eto, dia ny fitsipiteny ara-piofohana miseho amin’ny endrika « voambolana amam-pitsipiteny », satria fehezanteny mihatra ny (4) sy (a) fa fehezanteny tsy mihatra kosa ny (3) sy (b).
Izany no niezahako nanakilasy ny matoanteny malagasy arakaraka ny rafi-pehezanteny lehibe indrindra idirany. Kilasy roapolo roa amby (22) no hitako hatramin’izao ka mbola mitsinjara ho zana-kilasy roa avy ireo.
Fomba fiasa toy izany koa no nenti-nandinika ny sokajin-teny hafa toy ny tambim-pehezana
[Raharinirina Rabaovololona L., 1991], ny faritoetra [Ralalaoherivony B. S., 1995], ny anarana [Ranaivoson J. F., 1996], ny tsirin-teny mpanova man(a)- [Andrianierenana (L.), 1996], ny matoanteny mitoina sy miako [Razafimamonjy J. P., 1998], ny haifampianarana ny fitsipiteny malagasy amin’ny ezaka voalohany ao amin’ny ambaratonga faharoa [Rasoazananivo F., 1995].
Ny voka-pikarohana toy izany no ampoizina ho akora hoenti-manangana ny atao hoe Rakibolana elektrônika malagasy (Rakibolana mandriana voanaratra malagasy).