Lohahevitra 1: Ny teny Malagasy
Ny Tantaran’ny Teny malagasy
Seha-pikarohana misokatra hatrany ny Tantaran’ny teny malagasy koa fihevitra sy voka-pikarohana notsongaina tao anaty tahirinkevitra samihafa no atolotra eto NY FITENY MALAGASY [sy ny TENY MALAGASY] .
Nalaina tao amin’ny Tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy, nosoratan’i Dr Randria Michel , zanak’antitra 1896-1942 .
Tena mahatalanjona indrindra ny fahitana ny maha iray ny fiteny malagasy eran’ny Nosy manontolo, izay tsy fahita amin’ny tany lehibe toa an’i Madagasikara. Tao Frantsa aza, izay mbola kely velarana noho i Madagasikara ny habeny dia samy hafa fiteny ny atsimo sy avaratra ary ny atsinanana sy andrefana, ka izany no atao hoe « patois » izay tsy miroky ohatra ny aty amin’ny Malagasy akory fa tena fiteny samy hafa tokoa.
Ny fiteny frantsay izay fiteniny ankehitriny dia teny vao nianaran’ny foko rehetra ohatry ny nianarantsika Malagasy ny teny frantsay koa, fa fitenin-drazan’ireo natao hoe Francs izay nanjaka tao avy any atsinanana. Fantatra mazava fa fiteny avy any atsinanana ny fiteny malagasy : dia fiteny maleziana mifangaro indiana kely. Ary ireo Malagasy Maleziana izay tonga teto Madagasikara indray, dia namantana olona samy hafa fiteny teto Madagasikara dia ny Vazimba sy ny Antalaotra izay olona tena samy hafa fomba sy samy hafa fiteny. Ka noho izany rehefa nifangaro tamin’ireo mponina samy hafa ireo ny Malagasy dia tokony ho nifandray sy niova nanaraka ny an’ireo ny fitenenany.
Nefa ny tena mahagaga dia izao : rehefa nisaraka an’arivo taonany ireo Malagasy nifangaro tamin’ny Antalaotra tany amin’ny farany avaratra sy ireo Malagasy nifangaro tamin’ny Vazimba tany amin’ny farany atsimo ka tafahaona indray dia samy gaga fa mbola nifankahazo fitenenana ihany indray, fa ny filazana anaran-javatra sy ny fomba fanononana fotsiny no nisy samy hafa sy niova kely, fa ny foto-pitenenana rehetra dia iray ihany.
Ka raha izany no dinihina dia nahery sy nanan-danja kokoa ny teny Maley noho ny teny Antalaotra sy Vazimba ka ny teny Maley no noraisin’ireo Antalaotra sy Vazimba nianarany, fa tsy ny an’ireo no nianaran’ny Malagasy. Ka izany no tsy nampiova ny fiteny Malagasy eran’i Madagasikara.
Ny antony faharoa nampanjaka ny teny Maleziana dia satria maro kokoa ireo Malagasy tonga noho ny isan’ireo tompon-tany novantaniny.
Ny antony fahatelo dia maro zava-baovao nentina izay nilain’ny tompontany ireo vahiny sady nahay taozavatra maro izay nianarany taminy, ka nahavoatery azy nianatra ny fiteniny. Ny anaran-javatra izay tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ka tsy mba fahitan’ny Malagasy tany amin’ny tany nisy azy dia fantatra fa izay anarana nolazain’ny tompon-tany ihany no nataon’ny Malagasy anarany.
Dia toy izany ny anaran-kazo sy ny ankamaroan’ny zavamaniry tompon-tany rehetra ary koa ny ankamaroan’ ny vorona sy ny biby. Fa ny zavatra nataon-tanana rehetra dia saiky teny maleziana avokoa.
Raha ny maha teny malagasy mbola iray fototra sy iray hevitra no dinihina dia mbola azo lazaina fa iray ihany ny teny malagasy rehetra fa ny anaran-javatra sasany ihany no nisy niova, arakaraka ny niantsoan’ ireo tompon-tany azy taloha. Ny fanononana sy ny feo (accent) koa no tsy mitovy. Ka na dia ny samy eto Imerina aza no miresaka dia fantatra ny feo sy ny fitenin’ny foko samy hafa, na tatsinanana na tandrefana na tavaratra na tatsimo. Ka izany maha samy hafa ny fitenenana malagasy izany no atao hoe miroky. « Miroky Betsileo, miroky Vakinankaratra, miroky Imamo, miroky Sihanaka, miroky Imerina».
Ny Sakalava milaza ny olona manao teny imerina hoe miroky imerina. Ny Merina kosa milaza ny manao fitenin-tsakalava hoe : miroky sakalava.
Azo zaraina telo lehibe ny fizaran-tany nampiasa ny fiteny malagasy.
Ka ny voalohany indrindra dia ny ao amin’ny faritany atsinanana rehetra izay misy ny Betsimisaraka izay tsy mba nifangaro tamin’ny foko tompon-tany na vahiny hatramin’ny voalohany ka naharitra ela be. Ireo no foko azo inoana fa mbola Malagasy maleziana madio tsy vaky volo tamin’ny fitenenana sy ny fomban-drazana.
Ny faharoa dia ireo Malagasy nifangaro tamin’ny Antalaotra tao avaratra rehetra. Ary ny fahatelo dia ny Malagasy nifangaro tamin’ny Vazimba tao afovoan-tany sy tany atsimo ary tamin’ny ila-tany andrefana. Ity fahatelo ity dia mbola azo lazaina fa nizara roa lehibe koa dia ny tao afovoan-tany sy ny tany atsimo, izay toa nisy ireo Vazimba toa saiky samy hafa fomba sy tsy mitovy fitenenana loatra, ka nahatonga nampisy fiovana bebe ihany ny fitenenana sasany.
Fantatra fa taty aoriana elabe dia nisy ireo Vazaha vahiny sy Arabo izay tafiditra teto Madagasikara nitondra zava-baovao sy nampianatra fomba vaovao, nefa kosa tsy nampiova ny fiteny malagasy akory ireny fa nampitombo ny vokabolarin’ny anaran-javatra fotsiny, izay tonga teny vahiny tonga nogasina ny fanononana azy. Ohatra toy ny hoe la table tonga latabatra, chaise tonga seza. Ny teny anglisy maro koa no nogasina toy ny hoe solaitra, pensily, blakibaoritra, kopy, boky.
Ny anaram-pitafiana vazaha rehetra dia nogasina daholo, toy ny palitao, zipo, pataloha ets ets.
Izany anefa dia toy ny anaran-java-baovao rehetra tonga fiteny amin’ny firenena rehetra na aiza na aiza ka tsy mampiova ny tena fitenim-pirenena akory.
Ankehitriny anefa dia misy ihany Malagasy sasany izay minia manova sy manary ny tena fiteny malagasy mihitsy ka manao teny tsy vazaha tsy gasy toy ny hoe :
Mipromener mantsy ny mitsangantsangana
Mibavarder mantsy ny mibasivava
Mimarier mantsy ny manambady
Mitamponner mantsy ny mifandona
Midépasser mantsy ny mihoatra na misongona
Sns Sns Sns
Ireny dia zavatra fanahiniana atao mihitsy, ka heverina hoe mazava kokoa noho ny teny malagasy. Ary raha tsy izany dia tsy fahaizana teny malagasy ho enti-milaza zavatra, na fahakevohana hiseho mahay tenim-pirenena hafa. Dia toy ny fitenin’ny mpianatra tamin’ny tany malagasy amin’ny sekoly anglisy hoe : Tsy mahaox mantsy ny tsy mahomby ; sy ny mpianatra tamin’ny sekoly frantsay milaza hoe migorasy mantsy ny mifona na mibaboka. Izany fifangaroharoana izany no nampisy ny tsy fitoviam-pitenenana teto Madagasikara. Kanefa tsy nampiova ny tena fototeny malagasy izay mbola iraisan’ny foko rehetra eran’ny Nosy, indrindra fa ny fampiasana ny temps amin’ny verbe rehetra. Na dia hita aza fa misy fiovana ny teny ilazana zavatra arakaraka ireo foko nifangaro tamin’olona samy hafa fiteny teto Madagasikara, dia fantatra kosa fa ny hevitry ny teny dia iray ihany ny antony ilazana azy.
Inty misy teny malagasy iray hatao ohatra izay misy amin’ny foko rehetra eran’ny nosy, izay samy hafa ny fitenenana azy, nefa mitovy ny antony sy ny hevitra ilazana azy amin’ny Malagasy rehetra, dia ny teny hoe « Ihany », izay sarotra adika amin’ny tenim-pirenena hafa nefa fiteny tsy afaka am-bavan’ny Malagasy rehetra.
Amin’ny teny frantsay sy anglisy izay mba hany azo andikana azy amin’ny hevitra iray monja dia ny hoe « seulement » sy « only ». Fa raha miova indray ny zavatra ilazana azy dia tsy mety raha tsy itadiavana dikany misy fivoasan-kevitra. Nefa teny iray io ihany dia ampy amin’ny Malagasy.
Ohatra :
Izaho ihany ity. C’est moi-même
Afaka ihany aho. Je suis libre quand-même
Tsara ihany aho. Je vais bien.
Inona ihany izao ? Qu’est-ce qu’il y a encore ?
Sns Sns Sns
Dia io teny hoe ihany io no niova isam-paritany hoe « Mi », ao amin’ny faritany atsinanana. « Avao » ao amin’ny faritany atsimo indrindra sy ny andrefana rehetra. « Madina » kosa ao amin’ny faritany afovoany atsimo. Ka tsy misy hafa mihitsy ny hevitra malagasy ampiasana ireo teny iray hevitra ireo, izy tsy misy dikany tokana amin’ny tenim-pirenena hafa.
Araka ny fiheverana fa ny Betsimisaraka no Malagasy hany tsy nifangaro tamin’ny Vazimba na Antalaotra dia tokony ho io teny « Mi » io no nihavian’ny fitenenana rehetra izay tonga nohalavaina ka tonga hoe : ihany, avao ary madina, izay iray hevitra aminy tanteraka.
Fantatra koa manko, fa tsy arakaraka ny niantombohany ny fiovan’ny fiteny malagasy, fa nampitomboin’ny olona ny teny nilazany azy fa tsy mba nanalana na nafohezina fa vao mainka nohalavaina aza. Ka ny teto Imerina no tena nanalava ny fitenenana malagasy indrindra.
Ohatra :
Nama tonga hoe Namana
Raza tonga hoe Razana
Hava tonga hoe Havana
Olo tonga hoe Olona
Lala tonga hoe Lalana
Hay tonga hoe Zahay
Aho tonga hoe Zaho
Nao tonga hoe Hianao
Sns Sns Sns
Ka ireo teny fohy izay fitenin-drazana niantombohany ireo dia mbola fiteny amin’ny faritra maro manodidina fa indrindra ao amin’ny Betsimisaraka.
Ny ankamaroan’ny foko malagasy dia tsy mba miteny ny litera« Z », na Za, fa ny teto Imerina sy ny mifanakaiky aminy no mampiova io Za io alohan’ny anaran-javatra na anaran’olona toy ny fanamafisan-teny sy fanajana.
Ohatra :
Aho fiteny taloha tonga Zaho
Ahay fiteny taloha tonga Zahay
Anaka fiteny taloha tonga Zanaka
Avatra fiteny taloha tonga Zavatra
Ianahary fiteny taloha tonga Zanahary
Ireo teny fohy tsy Za ireo dia mbola fiteny mandraka androany ao amin’ny foko maro. Ny any atsimo dia mbola manao hoe Iaia mantsy ny zaza.
Ny Antandroy dia tsy mba manao hoe Ialahy na Ihanao, fa ny fiantombohan-teny fohy ihany no teneniny toy ny hoe Ia . . . . . . . . . . . . . . ialahy
Iha . . . . . . . . . . . . . Hianao na ihanao.
Dia hita araka ny fitenenana izay mifandraika amin’ny foko mifanakaiky toerana fa tonga misy fiteny salasalany sy mandray roa, toa ny an’ny Vakinankaratra izay sady Betsileo no Merina ; Ny Tanala koa izay tsy Betsimisaraka tsy Betsileo dia misy toy izany daholo ny elanelam-poko rehetra izay mifanila toerana.
Ireny fiteny zafindraony tsy salasalany ireny no tonga nilazana ny fiteny miroky na dia samy ao amin’ny foko iray ihany aza. Tsy mba ny fiteny ihany fa na dia ny feo koa aza eo am-pitenenana (accent) dia misy samy hafa, ka mety ahafantarana miaraka amin’izay ny foko nihavian’ilay miteny ka tsy mba ny « accent » ny fiteny momba ny alfabeta izay ohatra ny tsy tononina amin’ny farany akory no miova, fa io dia iombonan’ny teny malagasy rehetra tsy ankanavaka. Ka misy aza no tsy manonona mihitsy ny silaby farany toy ny Hava, zava, mantsy ny Havana sy ny zavatra. Fa ny feo mihitsy no misy toy ny naotin-kira miakatra sy midina mahavariana.
Ny feom-pitenenana Betsileo dia feo malefadefaka somary mihantahanta ary mampiseho halemem-panahy sy fitiavana ary fanajana olona.
Ny feon’ny Tatsinana sy ny Betsimisaraka dia feo mikalokalo toy ny hira, ka mamalifaly ny olona iresahany. Ny feon’ny lehilahy Tatsimo sy Tandrefana rehetra dia feo mitrerontrerona toy ny olon-tezitra na dia tsy dia araka izany velively aza no toe-pony.
Ny vehivavy koa dia maherihery fiteny, toa ohatra ny miteny amim-pahefana sy amin-kerim-po. Tsy dia araka izany fomba fiteniny izany anefa no toe-pony, fa olona mora sy tia fihavanana tokoa izy ireo. Izany fomba fiteniny izany no ahatsiarovana ny maha taranaky ny olona mpiady mahery fo hatrany am-boalohany azy ireo.
Ny feon’ny Merina dia feo saiky tsy mba misy fiovam-peo loatra fa tsotra sy tomandavana, tsy fanta-paly tsy hay tezitra. Ka tsy azo veroka amin’ny andavanandro nefa kosa mahay manova feo sy maka tahaka araka izay ilany azy. Raha ny marina no holazaina ankehitriny, dia ny fitenin’ny foko no tokony ho tena azo noraisina ho fiteny malagasy tokana azo iombonam-be. Hoy izahay tamin’ny fanazavanay taloha : raha ny teny maleziana madio no tokony ho fiteny malagasy tokana, dia tsy misy ahitana ny tena akaiky an’izany afa-tsy ao amin’ny Betsimisaraka sy ny Antanosy ary ny Antandroy. Nefa ankehitriny moa tsy efa niova be ihany koa ny fitenin’izy ireo hatramin’izay zato taona ampolony maro nonenany teto izay.
Nefa kosa, ireo Malagasy maro an-tapitrisany niely eran’ny nosy ka nifangaro taranaka tamin’ny Vazimba sy ny Antalaotra Sns, ka tonga firenena malagasy iray tsy misy fiavakavahany intsony, dia tena mba Malagasy koa ary tsy manary ny fiteny maleziana niombonana fa nanampy kosa ny fombam-pitenenan’ireo razana novantaniny teto amin’ny Nosy.
Ka noho izany tsy tokony hasiana tombo sy hala fa samy Malagasy iray niandohana sady mbola nifankahazo fiteny hatrany amin’ny farany atsimo ka hatrany amin’ny farany avaratra.
Ka izao anefa no zava-niseho teto Madagasikara: rehefa nanjary firenena iray tsy mivaky ny foko rehetra eran’i Madagasikara izay nampihavanin’i Merina tamin’ny andron’i Laidama, dia tamin’izany koa no namoronana ny Gramara malagasy sy nampianarana ny teny Malagasy an-taratasy eran’ny Nosy. Marina aloha fa fiteny Merina io vita gramara ara-dalana araka ny tenim-pirenena io, ka tsy nisy nanao hafa intsony na ny foko aiza na ny foko aiza taorian’io ela be. Ary tsy mbola hita mandraka androany. Dia tamin’io fiteny io ihany no nifanoratana tamin’ny foko rehetra. Io teny io no nampianarana namaky teny ny ankizy tamin’ny sekoly eran’ny Nosy. Ny boky rehetra hatramin’ny Baiboly sy ny filazantsara dia vita tamin’io teny malagasy io daholo. Ny gramara, ny jeografia, ny fianara-marika koa dia naely tamin’ny sekoly rehetra. Ary satria io teny malagasy merina io dia tsy fiteny hafa vao noforonina na tenim-bahiny vao nianaran’ny Malagasy fa tenin-drazana malagasy avy amin’ny Maleziana sy Vazimba ihany, dia tsy mba sarotra akory tamin’ny Malagasy rehetra ny nianatra azy.
Azo lazaina aza tamin’ny farany fa efa nahay namaky teny araka io teny malagasy io daholo ny ankamaroan’ny Malagasy rehetra eran’ny Nosy. Tsy izany ihany manko fa efa hatramin’ny tany malagasy ela be no nisy Imerina nielim-patrana eran’ny Nosy ka nahay ny fitenin’ny foko rehetra ary nampahay ny mponina niresaka tamin’io teny niombonam-be io. Araka ny efa voalazanay : tao Frantsa aza dia tenim-pirenena hafa vao tonga mihitsy ny teny Frantsay izay nianaran’ ireo Gaulois, ka tao amin’ny faritany kely natao hoe Ile de France ihany no niteny azy, nefa ankehitriny dia tonga tenim-pirenena eran’i Frantsa sy hatrany Belzika aza ny teny frantsay.
Fa ny an’ny Malagasy kosa dia tenin-drazany niombonana, ka fiteny tsirairay foana no sisa nianarany, fa fiteny efa fantany daholo ny ankamaroany.
Ka ho famaranana ity toko ity dia hoy kosa izahay mpanoratra : satria mandeha amin’ny fandrosoana daholo ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany, ka noho izany dia tsy tokony hionona amin’izay kely vita momba ny fitenim-pireneny ny Malagasy. Efa vita iny aloha ny lalana momba ny gramara, ka misaotra ireo razambe namolavola azy sy tonga nampandroso amin’ny lazam-pirenena ny teny malagasy. Nefa kosa, fahadisoana bevava ny fahasarotam-piaro amin’ny fampidirana ho teny malagasy ny baiko technique rehetra momba ny science na avy aiza izy na avy aiza. Fa indrindra ireo fiteny misy heviny lalina sy ny anaran-javatra malagasy maro izay misy amin’ny foko isan-karazany ka tsy mba hita amin’ny vokabolarin’ny teny merina. Tsy izany fa misy ireo ohabolana kanto any anindran-tany izay tokony mba handravaka ny literatiora malagasy, sy mba hahalalan’ny foko sasany izay tsy fantany. Raha izany no tanteraka dia tsy mba ho faralahin-tenim-pirenena eto amin’izao tontolo izao akory ny teny malagasy, fa mba ho tonga reharehan’ny firenena malagasy manontolo.
Lohahevitra 2 : Vokatra
Ny Bulletin de l’Académie malgache dia efa namoaka lahatsoratra maro momba ny Teny malagasy hatramin’ny laharana voalohany nisehoany araka ny fitanisana bibliôgrafika 1902 à 2001 aroso eto.