Fandraisana

Profesora Siméon Rajaona

Ny Matoanteny eo amin’ny teny malagasy

Nitondra fanavaozana maveza-danja sy maro lafy teo amin’ny fandinihana ny teny samihafa eran-tany ny “fandinihana ara-drafitra”.
Nampiharina tamin’ny teny malagasy izany lalam-pandinihana izany, ka endri-javatra maro no nivohitra sy nipoitra ho azy, tsy tandrina teo aloha.
Indro asehonay eto, fintinina ka afototra amin’ny matoanteny, ny vokatr’izany fandinihana izany. Koa ny ho hitantsika amin’izany dia ny fehezanteny malagasy eo amin’ny ankapobeny, ny rafi-piasan’ny matoanteny eo amin’ny fehezanteny malagasy, ary farany, ny fanehoan-javatra sy ny filazan-potoana eo amin’ny matoanteny.

I . Ny fehezanteny malagasy eo amin’ny ankapoben-javatra :

Inona moa ny teny ?

1.0 : Fitaovana ifanehoan-kevitra ny teny

Ny teny, amin’ny mahateny azy, ohatra ny teny malagasy, ny teny frantsay, ny teny sinoa, dia fitaovana ifanehoan- kevitra eo amin’ny mpiara-monina, ohatra ny samy Malagasy, ny samy Frantsay, ny samy Sinoa.
Marina fa azo anaovana zava-kanto koa ny teny, ohatra tononkalo, toy ny an-dry Rabearivelo, na ny an-dry Ny Avana. Tahaka ny feo azo anaovana zava-kanto, toy ny an-dry i Beethoven, na ny an-dry i Mozart. Tahaka ny hazo, ny vy, …, fanaovana fitaovana isan-karazany eo amin’ny fiainana, nefa azo anaovana zava-kanto koa.
Na dia eo aza anefa izany, ary na inona na inona, na manao ahoana na manao ahoana ny anjara toeran’ny zava-kanto vita amin’ny teny eo amin’ny fiainan’ ny olombelona, dia izy fitaovana ifanehoan-kevitra eo amin’ny mpiara-monina no tena mahateny ny teny. Ary miharihary aza moa fa ny zava-kanto vita amin’ny teny dia mifono hevitra ifampizaran’ny mpanoratra sy ny mpamaky.

Ny fehezanteny, mandrafitra ny teny

1.1 : Ny fehezanteny

Eo amin’ny mahafitaovana ifanehoan-kevitra azy, ny teny dia mirafitra, toy ny fitaovana hafa rehetra ; ohatra, ny angady, misy lelany sy zarany. Eo, aloha, andaniny, ny rafitra iarahan’ny teny rehetra eran-tany manana ; ary izany rafitra iraisan’ny teny rehetra izany no ahazoan’ny zanak’olombelona mifandika teny. Ary ankilany, samy manana ny rafitra maha izy azy avy koa ny teny tsirairay avy erantany. Ary ny rafitra mahaizy ny teny malagasy, eo amin’ny ankapoben-javatra, no hovahavahantsika eto, ka afofotra amin’ny matoanteny ny fandinihana.
Ny ampahan-drafitra kely indrindra eo amin’izany fifanehoan-kevitra izany dia ny fehezanteny. Ary ny fitambaran’ny fehezanteny roa na mihoatra no mandrafitra ny tian-kambara. Marina koa anefa fa indraindray, na matetika mihitsy aza, dia fehezanteny tokana ihany dia efa mahalaza izay tian-kambara.
Ohatra, ireto misy fehezanteny enina samy mahaleo tena :

(1) manga ny lanitra . (4) eto aho ny alahady maraina .
(2) milalao ao an-tokotany i Solo . (5) very ny volan’ny Koto .
(3) hitoto vary i Soa rahariva . (6) velarana tsihy ny trano .

Ny vanin-drafitra mamorona ny fehezanteny malagasy

1.2 : Ny rafitry ny fehezanteny

Araka ireo fehezanteny enina ireo dia mivany roa fara fahakeliny na telo ny fehezanteny malagasy. Ary izany isam-banindrafitra izany dia miandraikitra anjara asa mandrafitra ny fehezanteny – na anjara asa lazaina, na anjara asa entimilaza, na anjara asa fameno.

1.2.1 : Ny vanin-drafitra lazaina

Eo, aloha, ny vanin-drafitra mametraka ny foto-dresaka, izany hoe ny teny manambara ny olona na ny zavatra resahina, antsoina hoe lazaina.
Eto :
ny lanitra (1), i Solo (2), i Soa (3), aho (4), ny volan’i Koto (5), ny trano (6).

1.2.2: Ny vanin-drafitra entimilaza

Eo, manaraka izany, ny vanin-drafitra maneho izay ambara momba ny foto-dresaka, izay enti-miresaka ny foto-dresaka, antsoina hoe entimilaza.
Eto : manga (1), milalao (2), hitoto (3), eto (4), very (5), velarana (6).

1.2.3: Ny vanin-drafitra fameno

Ary eo, farany, ny vanin-drafitra mameno izay ambara momba ny entimilaza, antsoina hoe fameno.
Eto : ao an-tokotany (2), vary sy rahariva (3), ny alahady maraina (4), tsihy (6) ;
tsy misy fameno kosa ny fehezanteny (1) sy (5). 1.2.3.1: Ny karazana fameno

Raha ny marina dia misy karazany roa ny fameno. Ny teny hoe fameno tokoa manko, ara-bakiteny, dia manambara izay mameno ny hevitry ny teny iray, ary io teny fenoina hevitra io dia mety miandraikitra na ny anjara asa lazaina, na ny anjara asa entimilaza, na ny anjara asa fameno. Izany no mahatonga antsika hanavaka ankilany, ny renifameno, ary andaniny ny zana-pameno.

a) Ny renifameno

Ny ataontsika hoe renifameno dia izay fameno mifandray mivantana amin’ny entimilaza.
Eto : (milalao) ao antokotany (2), (hitoto) vary rahariva (3), (eto) ny alahady maraina (4), (velarana) tsihy (6).
Ny renifameno ao amin’ireo fehezanteny efatra ireo dia azo tsinjaraina ho toy izao :
ao amin’ny fehezanteny (3) dia misy renifameno roa : vary sy rahariva.
Ao amin’ny fehezanteny (4), ny tena renifameno dia ny teny hoe ny alahady ; ny teny hoe maraina dia zana-pameno mameno io renifameno hoe ny alahady io.
Ao amin’ny fehezanteny (2), ny tena renifameno dia ny mpisolo toerana ao ; ary ny hoe an-tokotany dia zana-pameno mameno io renifameno ao io.
Ary farany, ao amin’ny fehezanteny (5), dia ahitana zana-pameno mameno ny lazaina : ny tena lazaina dia ny hoe ny vola ; satria fehezanteny feno ara-drafitra sy ara-kevitra ny andian-teny hoe very ny vola. Ary ny hoe i Koto dia zana-pameno, milaza tompony, mameno ny lazaina hoe ny vola.

b) Ny zana-pameno

Noho izany, ny atao hoe zana-pameno dia izay fameno azo foanana, nefa izany fanafoanana azy izany dia tsy misakana ny teny sisa mijanona tsy hirafitra ho fehezanteny feno, ara-dalàna, ara-drafitra.
Eto ny hoe milalao ao i Solo (2), eto aho ny alahady (4), very ny vola (5) dia fehezanteny ara-dalàna, feno ara-drafitra. Marina fa ao amin’ny fehezanteny (4) dia azo foanana koa ny hoe ny alahady, satria ny teny roa sisa mijanona hoe eto aho dia mirafitra ho fehezanteny feno, ara-dalàna, ara-drafitra. Nefa dia renifameno ihany io teny io satria mifandray mivantana amin’ny entimilaza eto.

Fanamarihana :
Amin’ny fehezanteny toy ny hoe mianatra tsara i Koto, ny teny hoe tsara dia marina fa mifandray mivantana amin’ny entimilaza manambara mpamari-toejavatra, ny fomba, nefa tsy renifameno, satria tsy azo atao lazaina itodihan’ny fehezanteny, araka ny ho hitantsika ao amin’ny §24.

Fitsipika mifehy ny fifamatoran’ny vanin-drafitra irafetan’ny fehezanteny malagasy

1.3 : Fitsipi-drafitra mifehy ny fehezanteny malagasy

Izay sy izay àry ny vanin-drafitra mamorona ny fehezanteny malagasy. Ary eo amin’ny ankapoben-javatra dia misy fitsipika mifehy ny isam-banin-drafitra tsirairay avy, na mifehy ny fifamatoran’ireo vanin-drafitra telo ireo ; ka ny reny hevitra amin’izany no hovahavahantsika etoana.

1.3.1 : Ny entimilaza

Ny entimilaza dia misoritra na tsy misoritra, izany hoe, ialohavan’ny mpanoritra ny na tsia, arakaraka ny angolan- kevitra tian-kaseho.
milalao ny ankizy. ny milalao dia ny ankizy

1.3.1.1 : Ny fehezanteny tsy misoritra entimilaza

Ny fehezanteny tsy misoritra entimilaza dia manavaka sy mampifanohitra, amin’ny fomba tsy mivaky, ny entimilaza eo, amin’ny entimilaza hafa rehetra mety ho eo : milalao ny ankizy fa tsy mianatra, na fa tsy mantsaka, na fa tsy mitoto vary.

1.3.1.2 : Ny fehezanteny misoritra entimilaza

Ny fehezanteny misoritra entimilaza kosa dia manavaka sy mampivohitra, amin’ny fomba tsy mivaky, ny lazaina eo, amin’ny lazaina hafa rehetra mety ho eo : ny milalao dia ny ankizy fa tsy ny olon-dehibe. Ary raha misoritra ny entimilaza dia ilaina ny mampiasa ny kian-teny dia mampiditra ny lazaina : ny milalao dia ny ankizy ; na fara faharatsiny miato elaela sady miakatra ny lantom-peo vao miditra ny lazaina : ny milalao ‘ ny ankizy.

1.3.2 : Ny lazaina

Raha tsy misoritra ny entimilaza dia misoritra ny lazaina. Fa raha misoritra ny entimilaza dia tsy voatery hisoritra ny lazaina fa arakaraka ny angolan-kevitra tian-kambara :
milalao ny ankizy
ny milalao dia ny ankizy
ny milalao dia ankizy.

Raha tsy misoritra ny entimilaza, ny lazaina tsy mila mpanoritra fa mahasori-tena dia ny mpisolo : ny mpisolo tena, ohatra : mianatra isika ; ny mpisolo toerana, ohatra : mafana eto ; ny mpisolo fotoana, ohatra : hafana rahampitso ; ny mpisolo manondro, ohatra : alika io.

Fanamarihana
a) Tsipelina
Araka izany, ny hany fiteny na fanoratra dia ny hoe :
hoy Rakoto na hoe hoy i Koto ;
fa tsy fanoratra ny hoe :
* hoy i Koto.

b) Dikan-teny
Araka izany ihany koa, ny fehezanteny frantsay toy ny hoe trois hommes sont morts na toy ny hoe un enfant est venu ce matin, dia tsy misy dikan-teny mifamaly rafitra mivantana aminy :
trois hommes sont morts / nisy olona telo maty .
un enfant est venu ce matin / nisy ankizy tonga aninkeheo maraina.

1.3.3 : Ny toerana isehoan-javatra

Ny anarana milaza ny toerana isehoan-javatra, ohatra : ny tokotany, araka ny hitantsika tao amin’ny §1231, dia miandraikitra ny anjara asa zana-pameno ; ny teny miandraikitra ny anjara asa renifameno ka fenoin’io zana-pameno io dia ny mpisolo toerana, toy ny hoe ao, na any, na atsy, na aroa…, arakaraka ny endrika tiana hanehoana ilay toerana : ao an-tsena, any an-tsena, atsy an-tsena, aroa an-tsena.
Ary izany rafitra izany dia tsy miova na inona na inona anjara asa iandraiketan’ilay teny milaza toerana isehoan-javatra :
entimilaza : any an-tsena Rakoto
fameno : mivarotra any an-tsena Rakoto
lazaina : be olona any an-tsena

Ankavitsiana ny teny tsy manaraka izany rafitra izany ;
ohatra :
mihidy aman-trano ; manao volana an-tena, kobaka ambava ; milalao an-dalana ; maty an-drano ; tsy maty voalavo an-kibo ; manao ary zato am-pandriana …

Ny fehezanteny tso-drafitra / mivadi-drafitra

1.4 :Ny laharam-pisehoan’ny vanin-drafitra : fehezanteny tso-drafitra / mivadi-drafitra

Anisan’ny zavatra manan-danja eo amin’ny fehezanteny malagasy ny fanavahana ny atao hoe fehezanteny tso-drafitra sy ny atao hoe fehezanteny mivadi-drafitra.
Mba hahamora sy hanatsotra ny fanadihadiana dia tsy hasian-teny ny fameno isan-karazany mameno ny entimilaza, fa ny lazaina no hifotorantsika ; ary izany, arakaraka ny entimilaza, na misoritra na tsy misoritra.
Amin’ny teny malagasy, raha tsy misy anton-javatra manokana manery ilay miteny hampivohitra vanin-drafitra iray, dia ny enti-milaza no mamaky lay ny fehezanteny, ary ny lazaina no mamarana azy; izay no antsoina hoe fehezanteny tso-drafitra :

milalao i Koto
ao i Soa.

Ny antsoina hoe fehezanteny mivadi-drafitra, araka izany, dia ny fehezanteny miandoha amin’ny lazaina ary mifarana amin’ny entimilaza.

i Koto milalao
i Soa ao
Ary araka ny hitantsika tao amin’ny §131 dia mety tsy misoritra na misoritra ny entimilaza.

milalao i Koto / ny milalao dia i Koto
ao i Soa / ny ao dia i Soa

1.4.1. Ny fehezanteny tsy misoritra entimilaza : tso-drafitra na mivadi-drafitra

Raha tsy misoritra ny entimilaza, na tso-drafitra na mivadi-drafitra fa tsy misy kian-teny mampiditra ny entimilaza, ny mampiorina ny mahafehezanteny ny fehezanteny dia ny fiovan’ny lantom-peo manasaraka ny entimilaza sy ny lazaina :

milalao ? i Koto
i Koto ? milalao
ao ? i Soa
i Soa ? ao

Raha tsy eo io fiovan-dantom-peo io dia tsy miorina ho fehezanteny ireo teny mifanaraka ireo.
Manaraka izany, araka ny hitantsika tao amin’ny §1311, raha tsy misoritra ny entimilaza, ny fehezanteny – na tso- drafitra na mivadi-drafitra – dia mampivohitra ny entimilaza ka manavaka azy, amin’ny fomba tsy mivaky, amin’ny entimilaza hafa rehetra mety ho eo :

milalao i Koto
mantsaka
fa tsy mianatra
i Koto milalao
mitoto vary

1.4.2. Ny angolan-kevitra fonosin’ny fehezanteny mivadi-drafitra

Raha mivadi-drafitra ny fehezanteny dia misy angolan-kevitra, ankoatra io fananterana ny entimilaza io, fonosiny, arakaraka ny kian-teny mitsofoka anelanelan’ny lazaina mamaky lay ny fehezanteny sy ny entimilaza manaraka. Ny kian- teny fampiasa amin’izany dia na Ø, na dia, na ka:

a) Raha tsy misy kian-teny mitsofoka, ny fehezanteny dia manantitra fotsiny ny lazaina : i Koto milalao.
b) Raha ny kian-teny dia no eo, dia sady manantitra ny lazaina no manantitra ny entimilaza : i Koto dia milalao.
d) Raha ny kian-teny ka no eo dia misy fihetseham-po mahery vaika : na fihetseham-po enti-mankato, manindrahindra, manasohaso ny zava-dazaina :
i Koto ka hendry ! izany ka lehilahy !
na fihetseham-po enti-mitsipaka ny zava-dazaina :
i Koto ka kapohiny ! izany ka haniny !

1.4.3. Toe-javatra manokana : fehezanteny tsy afaka mivadi-drafitra

Amin’ny ankapoben-javatra dia iray ihany ny fehezanteny, na tso-drafitra na mivadi-drafitra, izany hoe iray ny zavadazaina., na mivadi-drafitra : i Koto milalao.
Nefa kosa amin’ny fehezanteny toy ny hoe : io i Koto, dia miova ny anjara asan’ny vanin-drafitra, raha avadi- drafitra ny fehezanteny. Satria tokoa manko amin’ny hoe io i Koto, dia ny teny hoe io, mpisolo manondro, no entimilaza, ka amin’izany mahaentimilaza tsy misoritra azy izany dia mampivohitra sy manavaka azy, amin’ny fomba tsy mivaky, amin’ny entimilaza hafa rehetra mety ho eo : io i Koto fa tsy iry.
Nefa raha avadi-drafitra ny fehezanteny ka atao hoe : i Koto io, dia tsy lazaina intsony ny teny hoe i Koto fa entimilaza.
Ary amin’izany mahaentimilaza azy izany dia mampivohitra sy manavaka azy, amin’ny fomba tsy mivaky, amin’ny entimilaza hafa rehetra mety ho eo : i Koto io fa tsy i Naivo.

Noho izany, raha mpisolo manondro, toy ny hoe io, na iny no mamorona ny vanin-drafitra na entimilaza na lazaina, ary ny iray, teny na andian-teny ampidirin’ny mpamaritra : ny, ilay, Ra-, dia tsy afaka mivadi-drafitra ny fehezanteny, fa fehezanteny samy hafa roa no eo, manambara zava-dazaina roa samy hafa ;
ohatra :
io ilay mpandrafitra / ilay mpandrafitra io

Na raha vahavahana dia hoe :
io ilay mpandrafitra fa tsy iry
ilay mpandrafitra io fa tsy ny mpitondra ronono.

1.4.4. Fehezanteny roa mifanesy mifamaly

Raha misy fehezanteny roa mifanesy ka samy hafa ny entimilaza sy ny lazaina, dia samy mivadi-drafitra ny fehezanteny roa; ary tsy misy kian-teny mampiditra ny entimilaza :

izaho mihomehy, izy mitomany
Na fara faharatsiny, mivadi-drafitra ny fehezanteny faharoa :
mihomehy aho, izy mitomany
Fa tsy fiteny ny hoe :
* mihomehy aho, mitomany izy.

1.4.5. Ny fehezanteny misoritra entimilaza, tso-drafitra

Araka ny hitantsika tao amin’ny §1311, dia atao hoe misoritra entimilaza ny fehezanteny rehefa ialohavan’ny mpanoritra ny ny entimilaza ao aminy.
Ohatra, andaniny tsy misoritra ny entimilaza amin’ny hoe : milalao ny ankizy sy ny hoe ao i Koto ;
ary ankilany, misoritra kosa amin’ny hoe : ny milalao dia ny ankizy sy ny hoe ny ao dia i Koto.

Tsy mitovy ny zava-dazaina amin’ireo kazarana fehezanteny roa ireo. Araka ny hitantsika tao amin’ny §§1311 sy 141, ny mahaizy ny fehezanteny tsy misoritra entimilaza dia izy mampivohitra sy manavaka, amin’ny fomba tsy mivaky, ny entimilaza eo, amin’ny entimilaza hafa rehetra mety ho eo : milalao ny ankizy fa tsy mianatra ; ao i Koto fa tsy ary.
Ny mahaizy ny fehezanteny misoritra entimilaza kosa dia izy mampivohitra sy manavaka, amin’ny fomba tsy mivaky, ny lazaina eo, amin’ny lazaina hafa rehetra mety ho eo : ny milalao dia ny ankizy fa tsy ny olon-dehibe ; ny ao dia i Koto fa Naivo.
Amin’ireo ohatra noraisintsika ireo dia tso-drafitra ny fehezanteny, satria ny entimilaza no mamaky lay ny fehezanteny ; ary misy kian-teny dia mampiditra ny lazaina.

1.4.6. Ny fehezanteny misoritra entimilaza, mivadi-drafitra

Raha avadi-drafitra ny fehezanteny misoritra entimilaza dia zavatra roa no indray miseho :
a) ampiasaina ny kian-teny no mampitohy ny lazaina mamaky lay sy ny entimilaza mamarana fehezanteny
b) mifamaho sy mifaningotra ny kian-teny no sy ny mpamaritra ny, ka ny kian-teny no sisa miseho, nitelina ny mpanoritra ny : *i Koto no ny ao > i Koto no ao.
Ny fampiasa matetika kokoa eo amin’ny fiteny andavanandro dia ny fehezanteny mivadi-drafitra.
Raha lazaina amin’ny teny hafa izany, dia hoe : iray ihany ny zava-dazaina amin’ny fehezanteny roa, ankilany hoe : ny ao dia i Koto; ary andaniny hoe: I Koto no ao.
Fa ny fiteny sy fanoratra kokoa dia ny hoe : i Koto no ao.

1.4.7. Fampiasana manokana ny kian-teny no

Araka izany, ny fehezanteny hoe : i Soa no maditra dia tsy mifamaly, mivadi-drafitra, amin’ny hoe : maditra i Soa, fa amin’ny hoe : ny maditra dia i Soa.

Fa raha fehezanteny iainkinana no eo, milaza anton-javatra, dia izay vao mifamaly, mivadi-drafitra, amin’ny hoe : maditra i Soa ny fehezanteny hoe : i Soa no maditra. Toy izany no hitantsika amin’ny hoe : i Soa no maditra, dia satria mijaly anaty ; izay midika hoe : matoa maditra i Soa, dia satria mijaly anaty.
Amin’ny fehezanteny toy itony, dia mazava fa tsy mampivohitra ka hoe manavaka, amin’ny fomba tsy mivaky, ny lazaina eo, amin’ny lazaina hafa rehetra mety ho eo, ny kian-teny no – tahaka izay miseho amin’ny fehezanteny misoritra entimilaza mivadi-drafitra – fa mampivohitra ka manavaka, amin’ny fomba tsy mivaky, ny entimilaza eo, amin’ny entimilaza hafa rehetra mety ho eo – tahaka izay miseho amin’ny fehezanteny tsy misoritra entimilaza mivadi-drafitra.

II - Ny rafi-piasan’ny matoanteny eo amin’ny fehezanteny malagasy

Anjara asa ara-drafitra / anjara asa ara-java-dazaina

2.0. Ankapoben-javatra momba ny rafi-piasan’ny fehezanteny malagasy

Ambaratongan-javatra roa no mamorona ny fehezanteny malagasy dia ny rafitra sy ny zava-dazaina. Samy mahaleo tena ireo ambaratongan-javatra roa ireo eo amin’ny mahaizy azy avy ; saingy mifamatotra kosa eo amin’ny rafi-piasan’ny fehezanteny. Ary izany fifamatoran’ny rafitra sy ny zava-dazaina izany no iorenan’ny rafi-piasan’ny fehezanteny.
Ny rafitra, araka ny nanehoantsika azy tao amin’ny fizarana voalohany amin’ity famelabelarana ity, dia tsy miditra amin’ny zavatra lazaina, fa mametraka kosa ny lasitra tsy maintsy idiran’ny zavatra lazaina rehetra, mba hahafahan’ ny mpiray teny mifankahazo teny. Araka izany lasitra izany, ny zavatra lazaina rehetra amin’ny teny malagasy, na inona na inona votoatiny, dia mivany ho lazaina, ho entimilaza ary ho fameno. Noho izany, ny voanteny na ny andian- teny samihafa mamorona ny fehezanteny dia miandraikitra izay antsointsika hoe anjara asa ara-drafitra, na lazaina, na entimilaza na fameno ; ary efa nasehontsika ny fitsipi-drafitra mifehy ny fifamatoran’ny vanin-drafi-pehezanteny miandraikitra ireo anjara asa ara-drafitra ireo mba hamorona fehezanteny.

Ny ambaratongan-javatra faharoa dia ny atin’ny fehezanteny izay antsointsika hoe zava-dazaina. Amin’ny mahafitaovana ifanehoan-kevitra ny teny tokoa manko, ny fehezanteny dia misy zavatra lazainy ; zava-miseho eo amin’ny fiainana na eo amin’ny tontolo iainana, iraisan’ny samy olombelona, fa ny fomba andrasàna azy mba hidirany ao anaty fehezanteny, ao anatin’ny lasitra irafetan’ny fehezanteny, no samy manana ny azy avy ny teny samihafa eran-tany. Raha ambara amin’ny teny hafa izany dia hoe : ny voanteny na ny andianteny samihafa mamorona ny fehezanteny dia mirasa koa ho vanim-pehezanteny miandraikitra anjara asa ara-java-dazaina.

Ny karazam-pehezanteny amin’ny teny malagasy

2.1. Ny rafi-piasan’ny fehezanteny

Ny fehezanteny malagasy dia mizara roa, arakaraka ny sokajin-teny mamorona ny entimilaza : andaniny, ny fehezanteny miforona amin’ny entimilaza matoanteny, toy ny hoe : milalao ao an-tokotany ny ankizy ; velarana tsihy ny trano ; andidiana mofo ity antsy ity ; ary ankilany, ny fehezanteny miorina amin’ny entimilaza tsy matoanteny, toy ny hoe : eto aho ny alahady ; tsara ny andro ; fotsy volo Rakoto. Ary samy manana ny rafi-piasany avy ireo karazam-pehezanteny roa ireo.

Ny fehezanteny miorina amin’ny entimilaza matoanteny : ny ankapoben-javatra momba ny anjara asa ara-java-dazaina irafetany

2.2. Ny ankapoben-javatra eo amin’ny rafi-piasan’ny fehezanteny miorina amnin’ny entimilaza matoanteny

Raha matoanteny ny entimilaza iorenan’ny fehezanteny dia fito ny anjara asa ara-java-dazaina itsinjaran’ny vanim- pehezanteny mamorona ny fehezanteny, arakaraka ny hevitry ny matoanteny : ny mpanao, ny sehatra, ny iharana, ny atao, ny mpandray, ny fitaovana, ny mpamari-toejavatra.
Ireo ny anjara asa ara-java-dazaina mety ho hita ao anaty fehezanteny iray. Misy, araka ny ho hitantsika manaraka, fitsipi- drafitra mifehy ny fifandraisan’ireo anjara asa ara-java-dazaina ireo. Eto amin’ny ambaratongam-pamelabelarana misy antsika, dia izao no azo ambara ny amin’izany :
- mifanilika ny mpanao sy ny sehatra, ny iharana sy ny atao, ny mpandray sy ny fitaovana ; izany hoe, ao anaty fehezanteny iray dia tsy ahitana miaraka mpanao sy sehatra, iharana sy atao, mpandray sy fitaovana.
- mifaningotra kosa ny mpandray sy ny atao, ary ny fitaovana sy ny iharana ; izany hoe, ao anaty fehezanteny iray, rehefa misy mpandray, dia tsy maintsy misy atao ; ary raha misy fitaovana, dia tsy maintsy misy iharana.
- afa-miaraka amin’ny anjara asa ara-java-dazaina rehetra kosa ny mpamari-toejavatra.

2.3. Ny fifandraisan’ny anjara asa ara-drafitra sy ny anjara asa ara-java-dazaina

Araka ny nolazaintsika tao amin’ny § 20, dia mifamatotra ny anjara asa ara-drafitra sy ny anjara asa ara-java- dazaina, izany hoe ny vanim-pehezanteny tsirairay avy dia sady miandraikitra anjara asa ara-drafitra no mitana anjara asa ara-java- dazaina.
Noho izany, ny lazaina dia na lazaina-mpanao, na lazaina-sehatra, na lazaina-iharana, na lazaina-atao, na lazainampandray, na lazaina-fitaovana, na lazaina-mpamari-toejavatra. Toy izany koa ny fameno : na fameno-mpanao, na fameno-sehatra, na fameno-iharana, na fameno-atao, na fameno-mpandray na fameno-fitaovana, na fameno-mpamari- toejavatra.

Ny fitodiky ny fehezanteny, ny satan’ny matoanteny

2.4. Ny atao hoe fitodiky ny fehezanteny

Araka izany, izay vanim-pehezanteny miandraikitra anjara asa ara-java-dazaina dia azo ampiasaina ho lazaina. Ary io fandraisana ho lazaina vanim-pehezanteny iray miandraikitra anjara asa ara-java-dazaina io no antsoina hoe fitodiky ny fehezanteny. Noho izany, raha matoanteny ny entimilaza, ny fehezanteny iray dia mitodika na amin’ny mpanao, na amin’ny sehatra, na amin’ny iharana, na amin’ny atao, na amin’ny mpandray, na amin’ny fitaovana, na amin’ny mpamari-toejavatra.

2.5. Ny famaritana ny anjara asa ara-java-dazaina

Ny anjara asa ara-java-dazaina dia tsy ny saina no mamaritra azy, fa ny rafitra idiran’ny voanteny na andian-teny miandraikitra izany anjara asa ara-java-dazaina izany eo amin’ny fehezanteny. Zavatra roa tokoa manko no enti- mamantatra ny anjara asa ara-java-dazaina iandraiketan’ny vanim-pehezanteny iray : voalohany, ny endriky ny entimilaza takiny rehefa ampiasaina ho lazaina izy, izany hoe ny tsirinteny enti-mamorona izany entimilaza izany. Faharoa, ny fehezanteny kely indrindra takin’izany entimilaza izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : ny tsirinteny mandrafitra ny entimilaza sy ny fehezanteny kely indrindra takiny rehefa ampiasaina ho lazaina izy no mamaritra ny anjara asa ara-java-dazaina iandraiketan’ny vanin-drafi- pehezanteny iray.

2.5.1. Ohatra roa amin’izany famaritana ny anjara asa ara-java-dazaina izany ; ny satan’ny matoanteny Ohatra, ny tsirinteny –ana dia azo atovana ny fototeny loko sy roso ; avy amin’izany no ahazoana ny matoanteny roa : loko-ana sy roso-ana. Na dia mitovy firafitra ivelany aza ireo matoanteny roa ireo, satria samy azo avy amin’ny fototeny nasiana tovana –ana, dia tsy mitovy sata. Ny hoe loko-ana dia matoantenin’ny iharana mitaky fehezanteny kely indrindra mivany roa : loko-ana ny trano.
Matoantenin’ny mpandray kosa ny roso-ana, ary mitaky fehezanteny kely indrindra mivany telo izy amin’izany : roso-ana sakafo ny vahiny.

2.5.2. Ny famaritana ny satan’ny matoanteny

Araka izany, ny atao hoe satan’ny matoanteny dia ny fahafahany mitaky lazaina miandraikitra anjara asa ara-java- dazaina iray, rehefa ampiasaina ho entimilaza izy. Izany no mahatonga ny fanavahana ny matoantenin’ny iharana sy ny matoantenin’ny mpandray, araka ny ohatra hitantsika teo. Ary eo amin’ny rafitra, izany satan’ny matoanteny izany dia tondroin’ny tsirinteny mandrafitra azy miaraka amin’ny fehezanteny kely indrindra takiny. Ohatra, matoantenin’ ny iharana ny loko-ana, satria ny tovana –ana mandrafitra azy dia mitaky fehezanteny kely indrindra mivany roa : loko-ana ny trano. Ary matoantenin’ny mpandray kosa ny rosoana, satria mitaky fehezanteny kely indrindra mivany telo : roso-ana sakafo ny vahiny. Ny ankapoben-javatra momba ny fitsinjaran’ny matoanteny malagasy araka ny satany avy.

2.6. Ny satana matoanteny irafetan’ny fehezanteny malagasy

Araka ireo ambaratongan-javatra roa mamaritra ny satan’ny matoanteny ireo, ny matoanteny malagasy dia mizara roa aloha : andaniny, ny matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany roa ; ary ankilany, ny matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany telo. Ary ny ambaratongan-javatra faharoa dia ny tsirinteny irafetany.
Noho izany, ny hofaritantsika dia hoe : inona avy ireo matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany roa ; ary inona avy kosa ireo mitaky fehezanteny kely indrindra mivany telo ?
Ny matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany roa:
2.6.1. Ireo matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany roa
Ireto avy ny matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany roa : ny matoantenin’ny sehatra, ny matoantenin’ny iharana, ny matoantenin’ny atao, ny matoantenin’ny mpamari-toejavatra.

2.6.1.1. Ny matoantenin’ny sehatra
Ny tsirintenin’ny sehatra dia ny tovona ma-, mi-, mø-, mana-, manka-.
Ohatra : ma-tory i Koto mana-meloka ny fitsarana
mi-hahy ny lamba manka-hala i Naivo
man-jaitra i Fara mø-ody i Soa

Fanamarihana
a) Araka izany, amin’ny fehezanteny mitodika amin’ny sehatra, ny asa atao na ny fihetseham-po dia mijanona ao anatin’ny lazaina fa tsy mivoaka, na hoe marimarina kokoa tsy lazaina fa hoe miantefa na mihatra amin’olona na zavatra ivelany. Noho izany, azo lazaina fa sehatra isehoan-javatra ny lazaina eto.
b) Mivaky roa avy ireo tsirintenin’ny sehatra ireo : ankilany ny vakin-tsirinteny miova m-, izay mifanolo amin’ny n- sy ny h- maneho ny fotoana.
Ohatra :
ma-tory i Koto mø-ody i Soa
na-tory i Koto nø-ody i Soa
ha-tory i Koto hø-ody i Soa

ary andaniny ny vakin-tsirinteny tsy miova : -a-, -i-, -an-, -ana-, -anka-, -ø- izay ho hitantsika ao amin’ny §2614 ny anjara asany eo amin’ny rafi-piasan’ny matoanteny.

2.6.1.2. Ny matoantenin’ny iharana

Ny tsirintenin’ny iharana dia ny tovona –ina na –ana
kapoh-ina i Naivo
sorat-ana ny taratasy
loko-ana ny trano
vono-ina ny akoho
tan-ana ny vola
lem-ana ny lamba

Araka izany, ny iharana dia izay iantefan’ny asa, izay iharan’ny asa.
Fanamarihana

Amin’ny iharana, dia samy manana ny tovana takiny avy ny fototeny, na –ina, na –ana. Saingy hatramin’izao dia tsy mbola hita ny lalàn-javatra ahafaha-mamantatra hoe karazana fototeny inona no mitaky ny tovana –ina, ary inona no mitaky ny tovana –ana.
Ny hany fantatra dia hoe :
amin’ny ankapoben-javatra dia mitovy eran’ny Nosy ny tovana takin’ny fototeny tsirairay avy ; ohatra ny fototeny vidy ~ vily, dia mitaky ny tovana –ina :
ny hany fiteny hatraiza hatraiza dia na vidina, na vidiny (tsimihety), na viliene (tandroy), na vidý (taisaka), na vilý (bara).
Tahaka izany koa ny fototeny taky na vaky, mitaky ny tovana -ina. Ny fototeny vangy kosa dia mitaky ny tovana –ana ;
ohatra, amin’ny tsimihety dia vangiá?a.
Noho izany dia tsy azo tsorina ny zavatra ka atao hoe –ina na –ana daholo na arakaraka izay tiana ny tovana ampiasaina. Raha vao misy mampisalasala dia mijery rakibolana, fa izany no anisan’ny ilana ny rakibolana.<

2.6.1.3. Ny matoantenin’ny atao

Ny tovona a- no tsirintenin’ny atao :
a-loa ny trosa
a-rotsaka ny vary
a-pitrapitra ny maso
a-rafitra ny hevitra
a-vona ny tady
a-latsaka ny vato
a-lahatra ny seza
a-hena ny vidin’entana
a-telina ny rora a-seho ny sandry
a-voaka ny entana
a-hinjitra ny tanana

Fanamarihana :
a) Ny atao dia izay iasana avy ao anaty, raha azo lazaina izany, miavaka amin’ny iharana izay iharan’ny asa, iantefan’ny asa avy ety ivelany.
b) Indreto misy ohatra vitsivitsy ahatsapana izany fiavahan’ny atao amin’ny iharana izany :
folah-ina ny omby / a-folaka ny sandry
*hofa-ana > hofana ny trano / a-hofa ny trano
don-ina ny fiara / a-dona ny fiara
*vidi-ina > vidina ny boky / am-(v)idy ny boky
hontsan-ana ny tavoahangy / a-hontsana ny fanafody
deradera-ina ny zava-bita / a-deradera ny zava-bita
dika-ina ny tatatra / a-dika ny teny
tsor-ina ny raharaha / a-tsotra ny tanana
kapoh-ina i Koto / a-kapoka ny lamba sasana

2.6.1.4. Ny matoantenin’ny mpamari-toejavatra

Ny matoantenin’ny mpamari-toejavatra dia arafitry ny tsirinteny sara-droa ; ny ampahany tovona dia ny vakiny tsy miova amin’ny tovon’ny sehatra / mpanao izay hitantsika tao amin’ny §2611, ary ny ampahany tovana dia –ana :
mi-petraka amin’ny seza / i-petrah-ana ny seza
man(s)-soratra amin’i Koto / an-(s)orat-ana i Koto
ma-tory amin’ny kidoro / a-tori-ana ny kidoro

Ny matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany telo

2.6.2. Ireo matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany telo

Ireto avy ny matoanteny mitaky fehezanteny kely indrindra mivany telo :
- ny matoantenin’ny fitaovana,
- ny matoantenin’ny mpandray,
- ny matoantenin’ny mpanao.

2.6.2.1. Ny matoantenin’ny fitaovana

Ny tsirintenin’ny fitaovana dia ny tovona a-, ary mitaky ny fisian’ny fameno-iharana ao anaty fehezanteny :
a-didy mofo ity antsy ity / didi-ana ny mofo
a-sarona vilany ny takotra / saron-ana ny vilany
a-fatotra akoho ny tady / fator-ana ny akoho
a-tototra lavaka ity tany ity / totof-ana ny lavaka
a-tafo trano ireto taila ireto / tafo-ana ny trano

Fanamarihana :
Tsy fahita ny matoantenin’ny fitaovana mitaky fameno-atao, fa tsy maintsy fameno-iharana. Ny miseho indraindray dia ny matoantenin’ny atao ampiasaina ho matoantenin’ny fitaovana :
a-tao ny trano / a-tao trano ireto biriky itreto
am-(v)idy ny trano / am-(v)idy trano ireto vola ireto

2.6.2.2. Ny matoantenin’ny mpandray
Ny tsirintenin’ny mpandray dia ny tovana –ana mitaky ny fisian’ny fameno-atao ao anaty fehezanteny :
tolor-ana fanomezana i Dada / a-tolotra ny fanomezana
rarah-ana rano ny tokotany / a-raraka ny rano
fafaz-ana voa ny tany / a-fafy ny voa
petah-ana taratasy ny rindrina / a-petaka ny taratasy

Fanamarihana :
a) Rafi-piasana tsy andrasana
Araka izany, ny vanin-drafi-pehezanteny fahatelo takin’ny matoantenin’ny mpandray dia fameno-atao. Indraindray anefa dia fameno-iharana no miseho
velar-ana tsihy ny trano / velar-ina ny tsihy
ater-ana sakafo i Dada / ater-ina ny sakafo
tafi-ana bodofotsy i Soa / *tafi-ina > tafina ny bodofotsy

b) Ny mahasamy hafa ny iharana sy ny atao

Mety ho azon’ny fakam-panahy isika hoe hanatsotra zavatra, indrindra ka hoe ny teny frantsay no itarafana ny teny malagasy – nefa inona moa aloha no manery antsika hampiditra ny teny malagasy amin’ny lasitry ny teny frantsay – ka hihevitra fa hoe iray ihany ny sandan’ny tovona a- sy ny sandan’ny tovana -ana na -ina. Nefa, araka ny hitantsika tao amin’ny § 2613, dia hafa ny fiara don-ina ary hafa ny hoe fiara a-dona ; ary indrindra ny rafi-piasan’ny atao sy ny iharana, dia manery antsika hanavaka hatrany ny atao sy ny iharana.

2.6.2.3. Ny matoantenin’ny mpanao

Ny tsirintenin’ny mpanao dia ny tsirintenin’ny sehatra ihany, fa izy mitaky ny fiasan’ny fameno-atao na fameno- iharana ao anaty fehezanteny :
man-(s)arona vilany i Soa / saron-ana ny vilany
mi-resaka an’i Soa izahay / resah-ina i Soa
man-droso sakafo i Naivo / a-roso ny sakafo
mi-fosa ny namany i Bozy / fosa-ina ny namany
man-drafitra hevitra izahay / a-rafitra ny hevitra
man-deha lalana hateloana izahay / a-leha ny lalana hateloana

Noho izany, ny fisian’ny fameno-iharana na ny fameno-atao no mahamatoantenin’ny mpanao ny matoantenin’ny mpanao. Raha tsy eo ny iray amin’ireo fameno ireo dia matoantenin’ny sehatra no eo.

mi-resaka an’i Soa izahay / mi-resaka izahay
mi-fosa namany i Bozy / mi-fosa i Bozy
man-droso sakafo i Naivo / man-droso i Naivo
mi-teny an-janany Rasoa / mi-teny Rasoa
mahita hevitra i Koto / ma-hita i Koto

Fanamarihana :
man-“mpanao” vs mi-”sehatra”
Na eo aza anefa izany, ho an’ny fototeny sasany, dia ny rafi-piasan’ny tsirinteny mihitsy dia efa ifanavahan’ny matoantenin’ny mpanao man- sy ny matoatenin’ny sehatra mi-.
Ohatra :
man-(t)ambatra / mi-tambatra
man-(t)ondraka / mi-tondraka
man-(s)oratra / mi-soratra
mam-(v)aky / mi-vaky
man-(s)andratra / mi-sandratra
man-avaka / mi-avaka
mana-saraka / mi-saraka
mam-(f)olaka / mi-folaka
man-(h)ogo / mi-hogo
mam-(v)elatra / mi-velatra
mam-(v)ory / mi-vory
mam-(p)etraka / mi-petraka
man-(s)asa / mi-sasa
man-drafitra / mi-rafitra

Fanavahana fanehoan-javatra roa ao anatina fitodika fehezanteny tokana

2.7. Ny ankapoben-javatra eo amin’ny fanehoana ny efa sy ny tsy efa

2.7.1. Ny mahasamy hafa ny fanehoan-javatra efa sy tsy efa
Ireo tsirintenina matoanteny hitantsika hatramin’izao dia mifanavaka samy izy, izany hoe ny isan-tsirinteny dia mamaritra satan’entimilaza iray, arakaraka ny rafi-pehezanteny kely indrindra takiny.
Ohatra :
a-rafitra ny hevitra -> a- : tsirintenin’ny atao
a-didy mofo ity antsy ity -> a- : tsirintenin’ny fitaovana
loko-ana ny trano -> -ana : tsirintenin’ny iharana
roso-ana sakafo ny vahiny -> -ana : tsirintenin’ny mpandray

Mbola misy koa anefa tsirintenina matoanteny mitovy sanda amin’ireo tsitrinteny hitantsika sy nodinihintsika hatramin’izao ireo, nefa mifanavaka aminy ihany koa eo amin’ny fanehoan-javatra. Ohatra, ny hoe folah-ina ny omby sy ny hoe voa-folaka ny omby dia samy matoanteny mitodika amin’ny iharana, nefa mifanavaka eo amin’ny antsoina hoe fanehoan-javatra.

Ho hitantsika tokoa manko ao amin’ny fizarana fahatelo amin’ity famelabelarana ity fa raha miteny asa, dia misy fanehoanjavatra roa mety anambarana azy : andaniny, ny fanehoan-javatra tsy efa, anehoana ilay asa eo am-panaovana azy ;
ohatra :
mam-(f)olaka omby ; folah-ina ny omby ;
ary ankilany, ny fanehoan-javatra efa, anambarana ilay asa amin’izy hoe mety ho tratra ny vokany, na efa tratra ny vokany. Ohatra :
maha-folaka io omby io aho ; Ø-folako io omby io, voa-folako ilay omby, Ø-folako ilay omby.

2.7.2. Ohatra vitsivitsy ahitana ny fifanavahan’ny efa sy ny tsy efa

Io fifanavahan’ny efa sy ny tsy efa io dia toa iraisan’ny zanak’olombelona rehetra eran-tany ; saingy ny sasany dia voanteny no anehoana azy, toy ny teny frantsay indraindray ; fa ny sasany kosa dia tsirinteny, toy ny teny malagasy.
- teny frantsay : j’ai essayé de dompter le zébu, mais je n’y suis pas arrivé.
- teny malagasy : nofolahiko ny omby fa tsy folako.

Indreto ohatra vitsivitsy amin’ny teny malagasy ahitantsika io fifanavahan’ny efa sy ny tsy efa asehon’io tsirinteny io :
vita-ina ny raharaha / Ø-vita ny raharaha
sorat-ana ny taratasy / voa-soratra ny taratasy
a-rafitra ny hevitra / voa-rafitra ny hevitra
a-iditra ny entana / taf(a)-iditra ny entana
mi-ditra ao an-kianja izahay / taf(a)-iditra ato an-kianja izahay
man-araka anao aho / mah(a)-araka anao aho
roso-ana sakafo ny vahiny / voa-roso sakafo ny vahiny

2.8. Ny tsirinteny manambara fanehoan-javatra efa sy ny fitodiky ny fehezanteny tondroiny

Ny tsirinteny manambara ny fanehoan-javatra efa dia ireto tovona ireto : Ø-, voa-, tafa-, maha-.
Araka ireo ohatra noraisintsika tetsy ambony dia hita fa ny isan-tsirinteny dia manambara fitodiham-pehezanteny roa na telo, arakaraka ny fototeny.
Ankoatra izany,
1. misy fototeny tsy afaka mandray tsirinten’ny efa ; ohatra, ny fototeny tao 2. ny matoantenin’ny mpamari-toejavatra, an-(s)orat-ana i Koto sy ny matoatenin’ny fitaovana, ohatra, a-didy mofo ity antsy ity dia tsy afaka mandray ny tsirintenin’ny efa. 3. Ny matoanteny hafa rehetra dia arakaraka ny fototeny ny tovona afaka miaraka aminy. 3-1. ny tovona maha- dia manambara ny efa amin’ny matoatenin’ny mpanao/sehatra. Ohatra : man-araka / mah(a)-araka, ma-tory / maha-tory 3-2. ny tovona Ø-, voa-, tafa- dia afa-mandrafitra ny matoantenin’ny iharana, ny atao, ny mpandray, ny sehatra arakaraka ny fototeny.
Ohatra :
don-ina / voa-dona : iharana
loko-ana / voa-loko : iharana
a-latsaka / voa-latsaka : atao
velar-ana / voa-velatra : mpandray
velar-ina / voa-velatra : iharana
mi-voaka / tafa-voaka : sehatra
a-voaka / tafa-voaka : atao
mØ-andry / taf(a)-andry : sehatra
vita-ina / Ø-vita : iharana
a-raraka / Ø-raraka, voa-raraka : atao

Ny fehezanteny miorona amin’ny entimilaza tsy matoanteny

Araka ny drafitra nofaritantsika dia ny rafi-piasan’ny fehezanteny miorina amin’ny entimilaza matoanteny no votoatin’ny famelabelarana. Izany no nezahina naseho hatramin’izay ; ary hofaranantsika amin’ny famelabelarana momba ny fanehoanjavatra sy ny filazam-potoana, ao amin’ny fizarana fahatelo.
Nefa, na dia izany aza dia heverinay fa mety ny hamintinana amin’ny teny fohy ny rafi-piasan’ny fehezanteny miorina amin’ny entimilaza tsy matoanteny.
2.9. Ny ankapoben-javatra momba ny anjara asa ara-java-dazaina eo amin’ny fehezanteny miorina amin’ny entimilaza tsy matoanteny

Fantatra fa ny anjara asa ara-drafitra dia tsy miova na matoanteny na tsy matoanteny ny entimilaza, izany hoe ny voanteny na ny andian-teny mamorona ny fehezanteny dia mitsinjara ho lazaina, na entimilaza, na fameno.
Raha tsy matoanteny ny entimilaza, dia mety ho mpamari-toetra, na anarana, na mpisolo toerana, na mpisolo fotoana :
mpamari-toetra : (1) tsara ny andro
: (2) fotsy ny volon-dRakoto noho ny ahiahy
anarana : (3) mpandrafitra Rabe
mpisolo toerana : (4) eto aho ny alahady
mpisolo fotoana : (5) anio ny fivoriana

2.9.1. Ny rafi-piasan’ny fehezanteny miorina amin’ny entimilaza tsy matoanteny

Ao amin’ireo fehezanteny noraisintsika ho ohatra ireo dia toy izao ny anjara asa ara-java-dazaina :
tsaraina : ny andro (1), ny volo (2), Rabe (3), aho (4), ny fivoriana (5)
mpamari-toejavatra : noho ny ahiahy (2), ny alahady (4)
tompon-javatra : Rakoto

Araka ny nolazaintsika teo dia mitodika amin’ny tsaraina daholo ireo fehezanteny noraisintsika ho ohatra ireo. Nefa dia azo ovana ny fitodiny, araka ny fisian’ny teny na ny andian-teny miandraikitra anjara asa ara-drafitra hafa.
Raha atodika amin’ny tompon-javatra ny fehezanteny (2) dia tonga toy izao :

(6) fotsy volo Rakoto noho ny ahiahy
Ary raha atodika amin’ny mpamari-toejavatra ny fehezanteny (2) sy (4) ary (6), dia tonga toy izao:

(7) ny mahafotsy ny volon-dRakoto dia ny ahiahy
(8) ny mahaeto ahy dia ny alahady
(9) ny mahafotsy volo an-dRakoto dia ny ahiahy

Ary araka ny nolazaintsika tao amin’ny §145, ny mahazatra kokoa eo amin’ny fiteny andavandro dia hoe :

Ary araka ny nolazaintsika tao amin’ny §145, ny mahazatra kokoa eo amin’ny fiteny andavandro dia hoe :

(7) ny ahiahy no mahafotsy ny volon-dRakoto
(8) ny alahady no mahaeto ahy
(9) ny ahiahy no mahafotsy volo an-dRakoto

Manaraka izany, ny fehezanteny (6) dia mbola azo atodika amin’ny mpamari-toejavatra ka tonga hoe :

(9) ny mahafotsy ny volon-dRakoto dia ny ahiahy na hoe : ny ahiahy no mahafotsy ny volon-dRakoto.

III- Ny fanehoan-javatra sy ny filazam-potoana eo amin’ny matoanteny malagasy

Ny fanehoan-javatra

3.0. Ny ankapoben-kevitra momba ny fanehoan-javatra

Ny atao hoe fanehoan-javatra na fisehoan-javatra dia ny fahafahan’ny teny iray – milaza asa na toetra na toerana – miova rafi-peo iforonana, na tsirinteny irafetana, arakaraka ny endrika tiana homena azy na ananany eo amin’ny zava-misy. Ary io fanehoan-javatra na fisehoan-javatra io dia samy hafa ny rafi-piasany raha matoanteny na tsy matoanteny ilay teny. Ny fisehoan-javatra eo amin’ny matoanteny no hifotorantsika ; nefa dia hasiana teny fohy ihany ny fisehoan-javatra ivelan’ny matoanteny.

Ny fanehoan-javatra ivelan’ny matoanteny

3.1. Ny ankapoben-kevitra momba ny fisehoan-javatra ivelan’ny matoanteny

Ny ohatra horaisintsika hanehoana, eo amin’ny ankapoben-javatra, ny fisehoan-javatra na ny fanehoan-javatra ivelan’ny matoanteny dia ny mpisolo toerana, ny fototeny ary ny tsirinteny.

3.1.1. Ny fanehoan-javatra eo amin’ny mpisolo toerana

Araka ny nolazaintsika tao amin’ny §133, eo amin’ny fehezanteny ny toerana isehoan-javatra dia miorina amin’ny mpisolo toerana, faritan’ilay teny manondro ilay toerana resahina ;
ohatra : any an-tsena.
Ny mpisolo toerana any dia azo ovana rafi-peo iforonana, arakaraka ny endrika tiana homena ilay toerana resahina, eto, ny tsena. Raha tiana homena endrika mifintina ilay toerana dia ny endrika ao no ampiasaina ; ohatra : aiza no tsy hahitanao azy ao an-tsena ? Raha ohatra kosa ka tiana homena endrika mivelatra ilay toerana, dia ny endrika any no ampiasaina ; ohatra : aiza no hahitako azy any an-tsena rehetra any ? Eto ny endrika mivelatra dia hamafisin’ny famaritana hoe rehetra, izay tsy azo ampiasaina miaraka amin’ny endrika mifintina ao, satria ny any mivelatra fa ny ao mifintina. Manaraka izany, raha tiana haseho amin’ny endrika akaiky ilay toerana dia atsy no ampiasaina ; ohatra : atsy an-tsena, mifanavaka amin’ny endrika lavitra ary ; ohatra ary an-tsena.
Eto dia mazava fa fanehoan-javatra no ambaran’ny fifanoloan-drafi-peo.

3.1.2. Ny fisehoan-javatra eo amin’ny fototeny

Eo amin’ny fototeny ny fisehoan-javatra dia ambaran’ny fifanoloan-janapeo misy tsindry amin’ny fototeny sasany ; ohatra ny fifanoloan-janapeo /é : ú/.
Marina aloha fa amin’ny ankamaroan’ny fototeny, dia tsy manambara fisehoan- javatra ny fifanoloan-janapeo /é : ú/, fa manambara fifanavahan-kevitra roa samy hafa ; ohatra : ery / ory ; endrika / ondrika ; fetsy / fotsy.
Nefa misy koa fototeny izay ahitana io fisehoan-javatra io ny fifanoloan-janapeo /é : ú/ ao aminy.
Manaraka izany, manana sanda maro io fifanoloan-janapeo io, fa ny horaisintsika eto dia ny sanda ivelany / anatiny.

Ohatra ny teny hoe kohaka sy kehaka (fiteny matetika kokoa ny hoe kehana, nefa izany fiovam-paran-teny izany dia tsy mitondra fiovana eo amin’ny hevitra, toy ny hoe : vizana = vizaka). Iray ihany ny zavatra lazain’ny hoe kohaka sy kehaka “feo tampoka avy ao an-tratra”, saingy ny endrika isehoany no samy hafa : ny kohaka, ahitana ny ambaratonga o eo amin’ny fototeny, dia avy ao anaty tratra ; fa ny kehaka kosa, izay ahitana ny ambaratonga e, dia avy aty ivelambelany ihany.

Noho izany, ny fototeny dia azo soratana hoe ke/ohaka ary vakina hoe kehaka /kohaka. Tahaka izany koa ny fototeny le/ona, izay manambara “fifandraisana amin’ny rano” ; ka ny ambaratonga e dia manambara ny sanda ivelany ; avy amin’izany ny hoe man-dena lamba ; ary ny ambaratonga o kosa dia manambara ny sanda anatiny ; ary avy amin’izany ny hoe man-dona lamba.
Ary tahaka izany ny fototeny tre/ona : iaraha-mahalala fa ny olona “tezitra“ dia mi-trena fotsiny ihany, fa ny olona “miala aina” no mi-trona.

3.1.3. Ny fisehoan-javatra asehon’ny tsirinteny

Ny ohatra fahatelo farany hojerentsika momba ny fisehoan-javatra ivelan’ny matoanteny, dia izay hita eo amin’ny tsirinteny. Ny ohatra voalohany dia ny fifamaliana ø-“raikitra” / mi- “tsy raikitra”.
Ohatra: ø-sahirana / mi-sahirana ø-ravoravo / mi-ravoravo
ø- faly / mi-faly ø-kely aina / mi-kely aina
ø-vizana / mi-vizana ø-sariaka / mi-sariaka

Ny ohatra faharoa horaisintsika dia ny fifamaliana –ina ~ -ana “raikitra” / voa-, misy + fototeny “tsy raikitra”:
tazo-ina / voan’ny tazo
kankan-ina / misy kankana
*seré-ina >serena / voan’ny sery
faseh-ina / misy fasika
*feré-ina >ferena / misy fery
haten-ina / misy hatina

Amin’ireto fifanoloan-drafi-peo karazany roa ireto dia mazava fa fisehoan-javatra no mivoaka.
Ny fanehoan-javatra eo amin’ny matoanteny

3.2. Ny ankapoben-kevitra momba ny fisehoan-javatra eo amin’ny matoanteny
Eo amin’ny matoanteny, ny tsirinteny mamaritra ny fitodiky ny matoanteny dia manambara fisehoan-javatra koa. Ary eo amin’ny fisehoan-javatra, dia misy ny fisehoan-javatra fototra sy ny fisehoan-javatra tampify. Ny fisehoan-javatra fototra dia misy laniny roa : andaniny, ny fifamaliana mivelatra / mifintina; ary ankilany, ny fifamaliana efa / tsy efa; ary ireo laniny roa ireo dia mifamatotra eo amin’ny rafi-piasany. Ny fisehoan-javatra tampify kosa dia ny fifamaliana iniana / tsy nahy.

3.3. Ny fisehoan-javatra mivelatra / mifintina
Ny tsirintenina matoanteny rehetra dia manambara na fisehoan-javatra mivelatra na fisehoan-javatra mifintina. Ny tsirinteny maneho ny mivelatra dia izay afa-mandray ny tovona miha-: ity tovona ity dia tsy manambara fitodika matoanteny akory, fa manambara kosa fivoarana miandalana, ka afa-miaraka amin’ny mpamari-toetra; ohatra: ma-dio/ miha-ma-dio,ma-lemy/miha-malemy, tazo-ina/miha-tazo-ina… Noho izy ity manambara fivoarana miandalana, dia azo raisina ho mari-kevitra ampifanavahana ny mivelatra sy ny mifintina. Koa izay tsirinteny rehetra afa-miaraka amin’ny miha- dia manambara ny mivelatra; ary izay tsy afa-miaraka aminy, dia manambara ny mifintina.

3.3.1. Ny tsirintenina matoanteny maneho ny mivelatra

Araka izany, ny tsirintenina matoateny manambara ny mivelatra dia roa: andaniny, ny tsirinteny manomboka amin’ny vakin-tsirinteny m-, izany hoe ny tsirintenina mpanao /sehatra; ary ankilany ny tsirinteny ø- na inona na inona sandany: na ø- “mpanao/ sehatra” toy ny ao amin’ny ø-tia na ø-tonga; na ø-“iharana”, toy ny amin’ny hoe ø-vita, mifanavaka amin’ny hoe vita-ina ; na ao amin’ny ø-“atao”, toy ny amin’ny hoe ø-raraka, mifanavaka amin’ny a-raraka. Avy amin’izany ny hoe : miha- ø-tia, miha-ø-tonga, miha-øvita, miha-ø-raraka. 3.3.2. Ny tsirintenina matoanteny maneho ny mifintina

Ny tsirintenina matoanteny tsy afa-miaraka amin’ny tovona miha-, izany hoe izay maneho ny mifintina, dia ireto:
Tsirinteny Ohatra
ny tsirintenin’ny iharana -ina, -ana, voa- folah-ina, voa-folaka; loko-ana, voa-loko
ny tsiritenin’ny mpandray –ana, voa- roso-ana, voa-roso sakafo ny vahiny
ny tsirintenin’ny fitaovana a- a-didy mofo ity antsy ity
ny tsirinteny tafa-, na inona na inona sandany tafa-verina, mifanavaka amin’ny hoe a-verina: atao taf(a)-iditra, mifanavaka amin’ny hoe mø-iditra : sehatra tafa-resaka an’i Koto izahay, mifanavaka amin’ny hoe mi-resaka an’i Koto izahay : mpanao
ny tsirintenin’ny mpamari-toejavatra, toy ny hoe : a-…..-ana, i-…..-ana ma-tory / a-tori-ana, mi-joro / i-joro-ana

3.3.3. Ny fiantraikan’ny fifamaliana mivelatra / mifintina eo amin’ny rafi-piasan’ny matoanteny

Izany fifanavahan’ny fisehoan-javatra mivelatra / mifintina izany dia misy fiantraikany mivantana eo amin’ny rafipiasan’ny matoanteny : eo amin’ny filaza mandidy, ny maneho ny mivelatra dia mandray ny tovana –a ; ary ny maneho ny mifintina dia mandray ny tovana –o ~ -y.
Ohatra:
andaniny : Ø-tonga / Ø-tongav-a; Ø-vita / Ø-vita-a> vitá; man-dray / man-drais-a
ankilany : folah-ina / *folah-ina-o >folah-o; a-didy / a-didi-o

3.4. Ny fisehoan-javatra efa / tsy efa

Amin’ny teny malagasy, ny asa, rehefa aseho amin’ny matoanteny, ny ao an-tsaina – ary enti-maneho ny zava-dazaina izany – dia na, andaniny, ny vokany,mety ho azo, mety ho tratra, efa azo, efa tratra, na ankilany, izy atao, izy eo am-panaovana azy fotsiny, ilay manao ny asa. Ary ireo fisehoan-javatra roa ireo dia samy manana ny tsirinteniny avy izy roa tonta.
Ohatra :
folaka tsy efa mam-(f)olaka, folah-ina, a-folaka, am-(f)olah-ana efa maha-folaka, Ø-folaka, voa-folaka
roso tsy efa man-droso, a-roso, roso-ana, an-droso-ana efa maha-roso, voa-roso
Tsy misy fiantraikany amin’izany fanehoan-javatra efa sy tsy efa izany ny mari-potoana. Ohatra ny hoe : folah-ina dia mijanona ho tsy efa na mandray ny filazam-potoana no-”lasa” aza. Ny hoe no-foloah-ina dia miditra amin’ny rafitra toy ny hoe : no-folah-ina fa tsy Ø-folaka na no-folah-ina ka Ø- folaka.

3.4.1. Ny matoanteny tsy ampy endrika ; ny solo endrika

Raha ny rafi-piasan’ny fototeny eo amin’ny sehatry ny matoanteny no jerena, dia mazava fa ny hevitry ny fototeny amin’ny mahafototeny azy mihitsy no mifono ny fisehoan-javatra efa / tsy efa, na ny fisehoan-javatra mivelatra / mifintina. Izany no mahatonga ny matoanteny sasany ho tsy ampy endrika; ohatra: misy matoanteny tsy manana afa-tsy ny fisehoanjavatra tsy efa ; toy izany, ohatra ny matoanteny man-(t)ao, man-deha, man-ome, mØ-anana. Ny fototeny amin’ireo matoanteny ireo dia tsy afaka miaraka amin’ny tsirinteny milaza ny efa : maha-, Ø-, voa-, tafa-.
Indraindray, mifamahofaho ny lafiny roa, mivelatra / mifintina sy efa / tsy efa, ka mahatonga ny matoanteny sasany haka ny endrika tsy ampy aminy amin’ny fototeny hafa ; toy izany ny hoe :
mi-tondra, ent-ina, Ø-zaka
mi-varotra, am-(v)idy, Ø-lafo
mØ-aka, ala-ina, Ø-azo
man(t)-ao, a-tao, Ø-vita

3.4.2. Ny rafi-piasan’ireo lanim-pisehoan-javatra roa ireo

Ireo lanim-pisehoan-javatra roa ireo, mivelatra / mifintina, efa / tsy efa ireo dia mifamatotra. Izany hoe, isan-tsirintenina matoanteny dia sady manambara ny mivelatra / mifintina no maneho ny efa / tsy efa koa.
Ohatra :
indreto misy fehezanteny vitsivitsy :
a-verina ny vola
voa-folaka ilay omby
taf(a)-iditra ny entana
tafa-verina izahay.

Momba ny matoanteny amin’ireo fehezanteny ireo dia izao no azo lazaina :
a-verina : matoantenin’ny atao, mifintina, tsy efa
voa-folaka : matoantenin’ny iharana, mifintina, efa
taf(a)-iditra : matoantenin’ny atao, mifintina, efa
tafa-verina : matoantenin’ny sehatra, mifintina, efa

3.4.3. Ny fanehoan-javatra tampify: iniana / tsy nahy

Ny matoanteny rehetra amin’ny endrika efa, na mivelatra na mifintina, izany hoe mitondra ny tovona maha-, Ø-, voa-, tafa- dia mifono ny fanehoan-javatra, antsointsika hoe tampify: tsy nahy; ohatra : ny fiteny dia hoe: aza fady, voa-donako ianao, na naha-dona anao aho, fa tsy fiteny mihitsy ny hoe *aza fady, no-don-i(na)-ko ianao na nandona anao aho, satria tsy nahy no nahatonga ilay olona ho voadona. Ny tsirinteny hafa rehetra dia mifono fanehoan- kevitra tampify iniana.
Manaraka izany, vokatr’izany fanehoan-javatra tampify fonosin’ny tovona maha-, Ø-, tafa- izany, ny tovona maha-, hany mitodika amin’ny mpanao / sehatra amin’ireo tsirinteny maneho ny efa ireo, dia manambara, araka ny zava-miseho, raha ialohavan’ny kianteny manda tsy, fandavana ankitsirano ny hanao ilay asa lazain’ny matoanteny; ohatra: tsy maha-vita io asa io aho; tsy maha-tsangana aho. Nefa amin’ny fehezanteny toy ny hoe, reraka aho ka tsy maha- vita io asa io, reraka aho ka tsy maha-tsangana, dia tsy eo mihitsy izany fandavana izany, fa dia manambara ny sandany ara-pitsipika ny tovona maha-.

Ny filazam-potoana

3.5. Ny ankapoben-javatra eo amin’ny filazam-potoana

Eo amin’ny ankapoben-javatra dia fomba roa no ampiasain’ny teny eran-tany hametrahana ny zava-dazaina eo amin’ny fotoana, lasa, ankehitriny, hoavy, araka ny fotoana itenenana. Andaniny, ny mari-potoana ara-boanteny, toy ny hoe fahiny, taloha, omaly, ankehitriny, izao, rahampitso, amin’ny hoavy…Ankilany, ny mari-potoana ara-tsirinteny – na filazam-potoana – toy ny amin’ny teny malagasy: no-“lasa”, Ø-”ankehitriny”, ho- “hoavy”, amin’ny hoe : no-vita-ina, Ø-vita-ina, ho-vita-ina ; n(o)-a-didy, Ø-a-didy, h(o)-a-didy.

Ny teny sasany, toy ny maley, dia ampy aminy ny mari-potoana ara-boanteny; koa tsy misy mihitsy amin’ny teny toy ireny ny mari-potoana ara-tsiriteny. Ny ankamaroan’ny teny eran-tany dia mampiasa miaraka ny mari-potoana ara- boanteny sy ny maripotoana ara-tsirinteny. Anisan’ireny ny teny malagasy; ary ny filazam-potoana ara-tsirinteny amin’ny teny malagasy, araka ny ahitana azy eo ami’ny matoanteny, no hodinihintsika manaraka eto.
Ankoatra izany, dia tsara ho fantatra ihany koa fa ny teny sasany dia mampifangaro ny filazam-potoana sy ny fanehoanjavatra. Toy izany ny teny frantsay, hany ka maro ny filazam-potoana amin’ny teny toy ireny. Ohatra, amin’ny teny frantsay, ny hoavy dia misy filazam-potoana roa: ny futur simple: je finirai, milaza ny hoavy tsy efa; ary ny futur antérieur: j’aurai fini, milaza ny hoavy efa. Amin’ny teny malagasy, ny filazam-potoana dia tsy manambara afa-tsy ny fotoana.

3.6. Ny ankapoben-javatra momba ny filazam-potoana amin’ny teny malagasy

Amin’ny teny maro, ny matoanteny ihany no idiran’ny mari-potoana ara-tsirinteny ; toy izany ny teny frantsay, ny teny alemana. Amin’ny teny malagasy kosa, ny teny rehetra ampiasaina ho entimilaza dia idiran’ny filazam-potoana ara-tsirinteny.
- matoanteny : ni-teny, mi-teny, hi-teny izy
- mpamari-toetra : na-ditra, ma-ditra, ha-ditra izy
- anarana : ø-miaramila izy tamin’ny herintaona, ø-miaramila izy izao, ho miaramila izy rehefa lehibe
- andianteny ampidirin’ny : t-amin’ny sivy ny fivoriana omaly, mpampiankina amina : Ø-amin’ny sivy izao ny fivoriana, Ø-amin’ny sivy ny fivoriana rahampitso.

Ary tsy rehefa ampiasaina ho entimilaza ihany ny teny iray vao mandray filazam-potoana, fa rehefa ampiasaina ho renifameno koa.
Ohatra :
- ankehitriny : milalao ao an-tokotany ny ankizy
- lasa : ni-lalao t-ao an-tokotany ny ankizy
- ankehitriny : mivory Ø-amin’ny sivy izao izahay
- lasa : nivory izahay omaly t-amin’ny sivy
- ankehitriny : ma-fana ato izao
- lasa : na-fana t-ato omaly

Hodinihintsika eto ny tsirinteny milaza fotoana eo amin’ny matoanteny malagasy ; avy eo dia hovahavahantsika ny rafi-piasany; ary farany dia hofintinintsika ny sanda ara-pifandraisana mety hananan’ny filazam-potoana tsirairay avy.

3.7. Ny tsirinteny milaza fotoana amin’ny teny malagasy
Amin’ny teny malagasy, ny fotoana dia mihasina efatra: ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy, ny mahazatra. Ary ny tsirinteny enti-milaza ireo hasim-potoana efatra ireo dia mizara roa : ny tsirinteny mahaleo tena ary ny vakin- tsirinteny miova.
a) ny tsirinteny mahaleo tena milaza fotoana dia ny tovona : no-, Ø-, ho-, fo-, izay manambara, araka ny tandrify azy avy, ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy, ny mahazatra.
b) ny vakin-tsirinteny miova dia ny vakin-tsirinteny m, araka ny hitantsika tao amin’ny §2611, amin’ny tsirintenin’ ny mpanao / sehatra, ka ny ambaratonga m- manambara ny ankehitriny, ny n-, ny lasa, ny h-, ny hoavy, ary ny f-, ny mahazatra.

3.8. Ny rafi-piasan’ny filazam-potoana amin’ny matoanteny malagasy

Ireo hasim-potoana efatra ireo anefa dia tsy hita amin’ny matoanteny rehetra, fa arakaraka ny tsirinteny mandrafitra ny matoanteny : ao, aloha, ireo matoanteny ahitana ny hasim-potoana efatra : ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy, ny mahazatra; ao ireo ahitana hasim-potoana telo: ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy; ary ao, farany, ireo ahitana hasim-potoana roa: ny hoavy sy ny tsy hoavy.

3.8.1. Ny matoanteny ahitana hasim-potoana efatra

Telo karazana ny matoanteny ahitana ny hasim-potoana efatra: ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy, ny mahazatra :
a) ny matoantenin’ny mpamari-toejavatra rehetra, tsy misy ankanavaka;
ohatra :
mi-vory, i-vori-ana
n(o)-i-vori-ana omaly
Ø-i-vori-ana izao ity trano ity
h(o)-i-vori-ana rahampitso
f(o)-i-vori-ana isan’andro

b) ny matoantenin’ny mpanao / sehatra vitsivitsy:

m : n : h : f-an-dainga io ankizy io
m : n : h : f-an-galatra io ankizy io

d) indraindray ny matoantenin’ny atao:
n(o)-/Ø-/h(o)-/f(o)-a-leha iny lalana iny

3.8.2. Ny matoanteny ahitana hasim-potoana telo

Ny matoanteny ahitana hasim-potoana telo : ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy, dia roa karazana :
a) ny matoantenin’ny mpanao /sehatra ahitana ny vakin-tsirinteny m-, ka ny filazam-potoana dia azo avy amin’ny fifanoloana / m “ankehitriny”: n “lasa”: h “hoavy”/. Ohatra: m : n : h-an-dray boky i Koto ; m : n : h-a-tory i Soa.
b) ny matoanteny arafitry ny tovona a-, ny tovana –ina na –ana na inona na inona sandany avy; ary ny filazam- potoana dia ny tovona Ø-“ankehitriny”, no-“lasa”, ho-“hoavy”.
Ohatra :
roso /a-roso : matoantenin’ny atao : n(o)-/Ø-/h(o)-a-roso ny sakafo
didy /a-didy : matoantenin’ny fitaovana : n(o)-/Ø-/h(o)-a-didy mofo ity antsy ity
vita /vita-ina : matoantenin’ny iharana no-/Ø-/ho-vita-ina ny raharaha
loko /loko-ana : matoantenin’ny iharana no-/Ø-/ho-loko-ana ny trano.
sarona /saron-ana : matoantenin’ny mpandray no/ Ø-/ ho-saron-ana takotra ny vilany

3.8.3. Ny matoanteny ahitana hasim-potoana roa : ny hoavy sy ny tsy hoavy
Eo amin’ny filazam-potoana, ny karazana matoanteny fahatelo dia ireo tsy mandray afa-tsy ny filazam-potoana ho- “hoavy” sy Ø- “tsy hoavy”. Araka izany, ny fotoana voalaza mivantana, dia ny hoavy, ambaran’ny tsirinteny ho-; ny mifanavaka amin’ny ho- dia Ø-, izay manambara, araka izany, ny tsy hoavy, izany hoe mety hanana ny sanda ankehitriny na lasa, arakaraka ny zava- dazaina ao amin’ny fehezanteny.
Ny matoanteny miditra amin’izany rafi-pilazam-potoana izany dia ny matoanteny arafitry ny tsirinteny telo manambara ny efa : Ø-, voa-, tafa-, na inona na inona sandany avy,
ohatra :
Ø-“sehatra” : ho-Ø-teraka Rasoa : hoavy
Ø-Ø-teraka Rasoa : tsy hoavy
Ø-“iharana” : Ø-vita / vita-ina : matoantenin’ny iharana
ho-Ø-vita ny raharaha : hoavy
Ø- Ø-vita ny raharaha : tsy hoavy
Ø- “atao” : Ø-raraka /a-raraka : matoantenin’ny atao
ho-Ø-raraka ny ronono : hoavy
Ø-Ø-raraka ny ronono : tsy hoavy
voa- “iharana” : voa-folaka / folah-ina : matoantenin’ny iharana
ho-voa-folaka ny omby : hoavy
Ø-voa-folaka ny omby : tsy hoavy
voa- “atao” : voa-rotsaka / a-rotsaka : matoantenin’ny atao
ho-voa-rotsaka ny vary : hoavy
Ø-voa-rotsaka ny vary : tsy hoavy
voa-“mpandray” : voa-roso / roso-ana : matoantenin’ny mpandray
ho-voa-roso sakafo ny vahiny : hoavy
Ø-voa-roso sakafo ny vahiny : tsy hoavy
tafa- “sehatra” : tafa-vory / mi-vory : matoantenin’ny sehatra
ho-tafa-vory izahay : hoavy
Ø-tafa-vory izahay : tsy hoavy
tafa- “atao” : taf(a)-iditra / a-iditra : matoantenin’ny atao
ho-taf(a)-iditra ny entana : hoavy
Ø-taf(a)-iditra ny entana : tsy hoavy
tafa-“mpanao” : tafa-resaka / mi-resaka (an’ i Koto) : matoantenin’ny mpanao
ho-tafa-resaka azy izahay : hoavy
Ø-tafa-resaka azy izahay : tsy hoavy

3.9. Ny ankapoben-javatra momba ny sanda ara-pifandraisana mety hananan’ny filazam-potoana tsirairay avy

Hatramin’izay dia ny sandan’ny filazam-potoana amin’ny mahaizy azy avy no nasiantsika teny. Ireny filazam-potoana tsirairay avy ireny anefa dia manana sanda hafa rehefa mifandray amin’ny fotoanan’ny zava-misy hafa ao anaty fehezanteny.
Eo amin’ny ankapoben-javatra, dia ny lasa no mahatana indrindra ny sanda amin’ny mahaizy azy eo amin’ny fifandraisana amin’ny zava-miseho hafa mandrafitra ny fehezanteny.
Ny ankehitriny, ohatra, dia tsy manambara ny ankehitriny mihitsy, fa ny lasa mahazatra, rehefa zava-miseho mahazatra tamin’ny lasa no tenenina. Tahaka izany ny amin’ny hoe : Fahiny, isaky ny andro fialan-tsasatra, dia midina eny ambanvohitra izahay.Tahaka izany koa ny ankehitriny, dia tsy manambara ny ankehitriny fa ny zava-niara-miseho tamin’ny lasa amin’ny fehezanteny toy ny hoe : nilaza izy fa marary, na hoe milalao teo an- tokotany i Koto no niantso azy aho.
Ny hoavy indraindray, dia tsy misy ifandraisany amin’ny hoavy mihitsy ny zavatra lazainy ;
ohatra :
hafa ny hoe ndeha mianatra, ampiasana ny mari-potoana ankehitriny rehefa tsy handeha miaraka amin’ilay itenenany ilay miteny ; ary hafa ny hoe : ndeha hianatra, rehefa handeha miaraka amin’ilay itenenany ilay miteny. Tsy misy ifandraisany amin’ny hoavy, tahaka izany koa ny lazain’ny filazam-potoana hoavy, fa petra-kevitra fotsiny, amin’ny fiteny toy ny hoe : raha hihira iny ! Ka azo ampiasaina hilazana ny lasa, na ny ankehitriny, na ny hoavy :
lasa : raha hihira iny taloha, gaigy lahy !
ankehitriny : raha hihira iny izao, fa tsy hoe taloha, gaigy lahy !
hoavy : raha hihira iny angamba rehefa lehibe, ho loza !

Izay sy izay àry no azo lazaina, raha fintinina, momba ny rafi-piasan’ny fehezanteny malagasy, ka aompana amin’ny matoanteny ny fandinihana. Tsy afa-niditra tamin’ny antsipiriany izahay na naka lafin-javatra hafa na dia mikasika ny matoanteny aza.
Koa indreto boky roa atoronay, hahafahana miditra amin’ny antsipiriany sy mahita lafin-javatra hafa :
- Rajaona (S), Structure du malgache, étude des formes prédicatives, Fianarantsoa, Ambozontany, 1972.
- Rajaona (S), Eléments de morphologie inflexionnelle du malgache, les phénomènes morphologiques, Antananarivo, Ambozontany, 2004.


FOIBE MOMBA NY TENY an'ny AKADEMIA MALAGASY
Rarihasina Analakely - Antananarivo 101

© Foibe momba ny teny 2010