Fandraisana





mg - fr


- abàka a. fafana fizahana marika. abaque n.
- abidia a. anondroana ireo litera rehetra manomboka amin'ny "a" ka hatramin'ny "z". alphabet n.
- adidy a. asa fanasoavana tontosaina amin'ny mpiara- monina, na ny mpiara-belona na ny mpiray tanindrazana ary tsy mba itakiana sandany. devoir n.
- adigasy a. fomba fandaharan-kevitra fampiasan'ny Malagasy manokana. démarche typiquement malgache loc.
- adihevitra1 a. fifanazavan-kevitra sy fifandresen-dahatra ifanaovana manoloana toe-javatra na fomba fiheverana tsy dia ifanarahana loatra. débat n.
- adihevitra2 a. fifanakalozan-kevitra ataona vondron'olona iray sehatr'asa mba hahazoana mandray fanapahan-kevitra iombonana manoloana toe-javatra na toe-draharaha iray. délibération n.
- adihevitra3 a. dinika ombana fifanakalozan-kevitra sy fifanazavan-kevitra ifanaovana manoloana lohahevitra iray na maromaro. discussion n.
- adihevitra4 a. fifanatrehana mivantana eo amin'ny olona roa na sokajin'olona roa mifanandrin-kevitra ka mazàna misy mpanelanelana mandrindra ny fifamalian-dresaka ifanaovana. face à face n.
- adina a. fanontaniana aseho amina endrika samihafa aroso hovalian'ny mpianatra na mpiofana, an-tsoratra na am-bava, mba hahafahana mitsara ny fahazoany sy ny fahaizany izay fahalalana natolotra azy. interrogation n.
- adina am-bava a.t. fanontaniana aseho am-bava amin'ny endrika samihafa aroso hovalian'ny mpianatra na mpiofana, mba hahafahana mitsara ny fahazoany sy ny fahaizany izay fahalalana natolotra azy. interrogation orale loc.
- adina an-tsoratra a.t. fanontaniana aseho an-tsoratra amin'ny endrika samihafa aroso hovalian'ny mpianatra na mpiofana, mba hahafahana mitsara ny fahazoany sy ny fahaizany izay fahalalana natolotra azy. interrogation écrite loc.
- adin-tsaina a.olana manindry sy mandindona mandritra ny fotoana ela. soucis n.
- adiny a. faharetam-potoana mitovy amin'izay lanin'ny falazany kely amin'ny famantaranandro eo am-pikisahana avy amin'ny tarehi-marika iray ho amin'ny manaraka. durée n.
- ad(in)y1 a. zavatra atao hahatrarana ny tanjona sy hamahana ny olana mitranga. démarche adoptée loc.
- ad(in)y2 a. paikam-pandresen-dahatra hoenti-manatratra ny tanjona najoro. stratégie n., tactique n.
- adirafitra a. fanambarana singan-javatra roa na maromaro. assemblage n.
- adiresy a. fitambaran'ireo fepetra izay ilaina ahazoana mamantatra ny fonenan'olona na manatona azy any amin'ny toeram-piasany, na manatona orinasa tiana hifandraisana, toy ny laharan'ny trano itoerana na iasana, ny faritra misy izany mbamin'ny tanàna sy ny vohitra misy azy, mazàna ahitana ny laharan'ny tetefaonina sy ny boaty paositaly ary ny andraikitra sahanina izany. adresse n.
- adisanina a. kajy atao rehefa manambatra isa. soucis n.
- ady1 a. fifanandrianana ara-batana mivantana ifanaovan'ny olona. combat n.
- ady2 a. fifandirana eo amin'ny olona roa na maromaro vokatry ny tsy fitoviam-pijery. dispute n.
- ady3 a. fiampangana na fifampiampangana ifanatrehana hatreny amin'ny fitsarana isan'ambaratonga. procès n.
- ady4 a. fifandonana ara-batana na ara-kevitra eo amina tsangan'olona na fikambanana mifanao ankolafiny. heurt n.
- afaka1 mpt. nahafeno ny fepetra takiana ka voaray ho amin'ny dingana manaraka. admis, ise adj.
- afaka2 mpt. tsy voasakan-javatra, na inona na inona, eo amin'ny fanatanterahana asa na fandraisana andraikitra fa malalaka tsy misy manohintohina. avoir la possibilité de faire quelque chose loc.
- afa-miaraka mpt. mifanentana sy mifandraika ary mifameno ka azo atambatra na ampifandrindrana hahazoana vokatra mahomby. compatible adj.
- afa-mifaninana1 mpt. tsy mena-mitaha amin'izay iray tarika na karazana aminy eo amin'ny lafiny rehetra. concurrentiel, elle adj.
- afa-mifaninana2 mpt. sahy sehatra sy sahy sedra ka vonona hatrany hifampitaha amin'ny hafa iray karazana na iray tarika aminy. compétitif, ive adj.
- afisy a. taratasy fampahafantaran-javatra, napetaka ankarihary eny amin'ny rindrina na toerana voatokana ho an'izany. affiche n.
-aingam-panahy a. fientanana anaty manosika ny olona ho eo amin'ny famoronana zava-kanto. inspiration n.
- akademia a. fikambanan'ny samy mpanoratra, mpanankanto, mpikaroka siantifika na manam-pahaizana amina taranja manokana izay efa voasedra ka ekena ho sangany noho ny asa vitany; sehatra fifampidinihana; sekoly fizarana manakatra ny kanto sy mahafapo amina taranja manokana. académie n.
- akalan-dava a. fanaka fipetrahana mety hisy fiankinana na tsia ary omby olona roa fara faharatsiny. Eny an-jaridaina, any an-tsekoly, any amin'ny trano fivoriana na any am-piangonana no tena fampiasana azy. banc n.
- akanin-jaza1 a. toerana natokana ametrahana sy ikarakarana ny zaza manana ray aman-dreny miasa ka tsy manam-potoana firy itaizana azy ireo. crèche n.
- akanin-jaza2 a. toeram-panabeazana ireo zaza tsy mbola taonan'ny sekoly nefa tiana ny hitarihan-dalana tsikelikely azy ireny hiroso miandalana amin'ny tena fanabeazana an-tsekoly. école maternelle loc.
- akanin-jaza3 a. toerana natokana ametrahana sy ikarakarana ny zaza izay miasa ny ray aman-dreniny ka tsy manam-potoana firy itaizana; na ny toerana fandraisana ny zaza na ny olona misahana ny fikarakarana rehetra ao dia matihanina avokoa. garderie n.
- akora a. raha samy hafa avy amin'ny zavamaniry na biby na harena an-kibon'ny tany ahodina amina orinasa vaventy na madinika na salantsalany mba ho zary harena azo avadika ho vola. matière n.
- akora trandrahana a.t. angona voka-pikarohana azo itrandrahan-kevitra. matériel de recherche loc.
- akoram-pikarohana a. J. akoran-draha. corpus n.
- akoran-draha a. tahirin-kevitra iasana amina seha-pikarohana, voafaritra mazava tsara na ny hevitra raketiny na ny toerana sy ny fotoana (n)isiany na ny karazany, voarakitra an-tsoratra na am-bava. corpus n.
- ala diso [asa printy] a. asa atao hanalana ny fanoratra tsy mandeha amin'ny laoniny. correction n.
- ala tahaka a. fandikana endri-javatra iray, ampahany na manontolo, mety ho vokatry ny kisendrasendra, na iniana atao. imitation n.
- ala1 a. lalana, fomba, tetika ahafahana miala sy / na mivoaka, manala sy / na mamoaka amin-javatra na toerana iray. sortie n.
- ala2 a. fanongotana zavatra iray tsy ho eo amin'ny toerana nisy azy teo aloha. enlèvement n.
- alabala a. fomba entina miporitsaka rehefa tojo zavatra mamatopatotra. prétexte n.
- alimanaka a. fitaovam-panisana ny andro sy ny herinandro ny volana araka ny fisesiny ao anatin'ny taona sady ahitana fampahafantaran-javatra mifandray amin'ny fandehan'ny masoandro sy ny volana mbamin'ny kintana, ny fizaran-taona, ny fiainam-pivavahana, ny fiainam-pirenena ny asa any an-tsaha. almanach n.
- alimanina a. olom-pirenena teratany avy any Alimanina. allemand n.
- alina a. fotoana tsy isian'ny masoandro manazava ny tany, eo anelanelan'ny ora ilentehan'ny masoandro ka hatramin'ny fiposahany ary mahamaizina ny andro. nuit n.
- alizay a. rivotra mitsoka am-bambandrano avy any amin'ny biran'ny tropika ho amin'ny biran'ny anivony. Mazàna izy no avy any atsinanana. alizé n.
- ambaratonga a. an-tanantohatra eo amin'ny fandaharana ny antokon'olona na antokon-draharaha arakaraka ny toerana misy sy / na andraikitra sahanina. échelon n., hiérarchie n.
- ambaviny a. sokajin'izay rehetra, tsy lahy eo amin'ny biby, na zavatra na olona. féminin n.
- amboara1 a. boky na takelaka maromaro mirakitra karazan-dahatsoratra vitsivitsy na maromaro. recueil n.
- amboara2 a. zavatra atolotra ny mpilalao na mpifaninana ho fanamarihana ny fahazoany fandresena. coupe n.
- amboara3 a. andiana boky natambatra ao anatina lohateny iray manambara ny tanjona kendrena. collection n.
- amboaran-dahatsoratra a. lahatsoratsa vitsivitsy na maromaro notsongaina, matetika noho ny hakantony, araka ny karazany sy / na ny vanim-potoana nivoahany, ka atonta ho boky na atao an-takila vitsivitsy. recueil de textes loc.
- ambony fahaizana a.t. ny olona nahavita lavitra sy lalina teo amin'ny fanovozana sy fandrantoam-pahaizana amam-pahalalàna. intellectuel, elle adj.
- amim-pahakingana a. fisehoana na fanaovan-javatra amim-pihetsika mailaka sy mavitrika ary mahomby mandrakariva. adroitement adv.
- amim-pirahalahiana a. fifampitondrana mitory fahaiza-mifandray amin-kitsim-po amin'olona eo am-pandraisana na fifaneraserana na fiarahana tsotra. amicalement adv.
- amin-kerisetra a. fihetsika miharo fihenjanana sy fanaovana am-boletra eo am-panatanterahana asa na fiatrehana toe-javatra. agressivement n.
- ampangalainga a. fitorohana feno endrikendrika sy famoronan-dresaka hahameloka ny olo-marina. accusation mensongère loc.
- ampy fianarana a.t. olona nahavita lavitra teo amin'ny fanovozana sy fandrantoam-pahaizana amam-pahalalana. instruit, e adj.
- anankina mpt. toe-javatra mbola tsy azo antoka. relatif, ive adj.
- anarana a. sokajin-teny manambara olona, na zavatra, na biby. nom n.
- anatra1 a. teny feno fahendrena sy voahevitra tsara ary mendrika, alahatra mba hoenti-manoro na manitsy na mitari-dalana amin'ny zavatra atao sy amin'ny fiainana andavanandro. admonestation n.
- anatra2 a. tolo-tsaina omena ny hafa na avy amin'ny hafa mba hoentina manatsara zavatra na hampahomby izay kasain-katao. conseil n.
- andahiny a. sokajin'izay rehetra, tsy vavy eo amin'ny zavatra na olona na biby. masculin n.
- andalana a. tsipika mirazotra manao marindrano fahita amin'ny kahie na ny taratasy fanoratana sasany. ligne n.
- andalanina mpt. fomba fanatanterahana asa na famahana olana mivoatra tsikelikely mankany amin'ny tanjona kendrena. progressif,ive adj.
- andian-jaza miala sasatra a.t. dia voahomana karakarain'ny sekoly na toeram-piasana hahazoana mandefa andian'ankizy amina toerana iray hanao fakan-drivotra itambarana. colonie de vacances loc.
- andian-teny a. voanteny roa na maromaro mifanarakaraka ary manambara hevitra iray ihany. locution n.
- andiany1 a. mpianatra na mpiofana iray ira. promotion n.
- andiany2 a. olona na biby na hevitra na zavatra maromaro iray dia. groupe n. - andinindininy a. fanehoan-kevitra na fanazavan-javatra atao amin'ny antsipiriany. détail n.
- andininy1 a. ampahan-dahatsoratra miavaka voafaritry ny teboka arahina fiovana andalana. paragraphe n.
- andininy2 a. fitambarana andalana maromaro ao anaty lahatsoratra mirindra voafaritry ny fiovana andalana na fitsambikinana andalana ary mazàna miady rima ny faran'ny andalana. strophe n.
- andininy3 a. fehezan-teny na fehezan-kevitra vitsivitsy manondro na manazava fitsipika, didy na hitsivolana. article n.
- andraikitra1 asa na raharaha tontosaina ho foto-pivelomana ary mamaritra ny saranga misy ny tsirairay. obligation n.
- andraikitra2 a. fisahanana zavatra na asa aman-draharaha ankinina amin'ny tena. responsabilité n.
- andram-panadinana a. fitsapam-pahaizana miendrika fanadinana ofisialy ampanaovina ny mpianatra any an-tsekoly mialoha ny hiatrehany ny tena fanadinana ara-panjakana. examen blanc loc.
- andrana a. fitsapana atao itarafana ny fahombiazan'ny zavatra vao noforonina na vao namboarina na vao azo, mialoha ny hampiasana azy. essai n.
- andrim-pikarohana a. toerana na ivon-toerana misahana mivantana ny fandrindrana mbamin'ny fanentanana izay hampandeha sy hampandroso ny asa fikarohana hatramin'ny fampiharana ireny voka-pikarohana ireny mba hahazoam-bokatra azo hampiharina avy hatrany. institution de recherche loc.
- andrin-karena a. totalim-bola mihodina na miasa ao amin'ny fiharian'ny firenena. masse manétaire loc.
- angentsana a. toetra amam-pihetsika somary midongidongy, miangotingoty ary mihantahanta. caprice n., fantaisie n.
- anglisy a. olona teratany avy ao Angletera. anglais, e n.
- angom-pikarohana a. tahirin-kevitra iasana amina seha-pikarohana, voafaritra mazava tsara na ny hevitra raketiny na ny toerana sy ny fotoana (n)isiany na ny karazany, voarakitra an-tsoratra na am-bava. matériaux de recherche loc.
- angona akora a.t. fitambarana tahirin-kevitra voarakitra an-tsoratra na am-bava na an-kapila. collecte de données loc.
- angon-dahatra a. j.angon-daza. corpus n.
- angon-daza a. tahirin-kevitra iasana amina seha-pikarohana, voafaritra mazava tsara na ny hevitra raketiny na ny toerana sy ny fotoana (n)isiany na ny karazany, voarakitra an-tsoratra na am-bava. corpus n.
- angon-teny a. tahirin-kevitra iasana amina seha-pikarohana manodidina ny teny, voarakitra an-tsoratra na am-bava na an-kapila na horonam-peo. corpus n.
- anjano a. teny na fehezan-teny atao iresahana olona iray kanefa tsy ambara mazava ny anarany;lahateny mifono hevitra ambara an-kolaka. allusion n.
- anjara asa1 a.t. andraikitra sahanina eo anivona sehatra iray. fonction n.
- anjara asa2 a. andraikitra tanan'ny tsirairay arakaraka ny saranga misy azy. rôle n.
- anjara1 a. endri-piainana na trangan-javatra soa na ratsy heverina ho avy amin'Andriamanitra na ny Razana. sort n.
- anjara2 a. ampaham-pananana mivantana na ankolaka eo ambany fahefan'ny isam-batan'olona na ny fiarahamonina. part n.
- anjoria1 a. fikirizana hanao zavatra izay efa fantatra mialoha fa mety hampidi-doza na hampiditra fatiantoka ho an'ny tena. chose faite en prenant des risques loc.
- anjoria2 a. fanaovan-javatra tsy dia anantenana vokatra loatra fa ankinina amin'ny kisendrasendra. chose faite pour tenter sa chance loc., risque n.
- ankehitriny a. amin'izao fotoana izao, eo amin'ny fotoana anatanterahan-javatra na itenenana. actuellement n.
- ankizy a. sokajin-taona eo anelanelan'ny zazakely sy ny tanora, entina anondroana ihany koa ny zanaka na ny mpianatra. enfant n.
- ankolafiny mpt. ireo mpifanandrina manao andaniny sy ankilany eo amina lalao na fifaninana isan-karazany. adverse adj.
- anon-jery a. asan'ny fanamboloana ahazoana mandre. sens n.
- antoana1 a. talantalana natao fametrahan-javatra. étagère n. rayon n.
- antoana2 a. refy enti-manondro ny mari-pana. degré n.
- antoka1 a. faneken'ny kaompania nandoavan-tsarany handoa onitra amin'ny kliàny niharan-doza. assurance n.
- antoka2 a. fanomezan-dalana manan-kery ara-dalàna atolotra olona na sokajin'olona mba hahafahany manao zavatra amin-kahalalahana. autorisation n.
- antoka3 a. vola na zavatra na taratasy apetraka ho fanomezan-toky ilay nifampiraharahana ny amin'ny hahatanterahan'izay nifanekena taminy. garantie n.
- antoko a. fikambanana ivondronana olona iray foto-kevitra sy iray tanjona. parti n.
- antokony1 a. vondron'olona manana sata manokana mifehy azy ary miara-miasa eo amina sehatra iray. compagnie n.
- antokony2 a. tarika manatanteraka ambaratongana andraikitra eo amina lamin'asa mifanjohy. section n.
- antom-pivelomana a. asa tontonsaina hahazoam-bola hoenti-miahy ny tena sy / na ny ankohonana. profession n.
- antonantony1 a. izay mety ho fototry ny fihetsika na zavatra atao. motif n.
- antonantony2 a. izay mety ho loharano nipoiran'ny zava- mitranga. cause n.
- antonontoniny mpt. tsy dia mahomby loatra fa somary osa, efa saika tsy naharaka ny hafa. passable adj.
- antonony mpt. endri-javatra tsy mahatratra ny fara tampony na ny fanaperana nefa koa tsy tafapaka amin'ny ambany fa eo antenatenany. moyen, ne adj.
- antontan-taratasy a. fitambaran'ireo taratasy ilaina amina fanaovan-draharaha. dossier n.
- antony1 a. izay fototra nahatonga trangan-javatra iray. motif n., cause n. .
- antony2 a. lalan-tsaina mety ho nahatonga trangan-javatra. raison n.
- antra olona a.t. malala-tanana eo amin'ny fifandraisana amin'ny hafa. généreux, euse adj.
- antsamasina a. hira fanaja noho izy voatokana ho an'ny zava-dehibe toy ny firenena. hymne n.
- antsipiriany a. ireo pitsopitsony madinidinika tokony ho fantatra. détail n.
- antso anarana a. famakiana anarana mba hanamarihana ny fahatongavany. appel n.
- ara-drariny1 mpt. manaraka ny soatoavina sy izay nifanarahana fa hankatoavina ho fiarovana ny fihavanana. juste adj.
- ara-drariny2 mpt. mifanandrify amin'ny tokony ho izy. équitable adj.
- ara-maso a. fitomorana ataon'ny mpitantsoroka mikasika ny fampiharana ny fahalalana azo tany amin'ny fanofanana. contrôle n.
- ara-potoana a.t. tsy diso ny ora sy ny minitra nifanomezana. ponctuel, elle adj.
- ara-tarakevitra a.t. toe-javatra mifanaraka amin'ny fomba fiheverana ijoroana. conceptuel, elle adj.
- arika faritra ao amin'ny saina itobian'ny fahalalana rehetra azo vokatry ny asan'ny vavahadintsaina. mémoire n.
- arika miserana a.t. fitadidiana miasa eo am-panaovan-javatra. mémoire vive loc.
- arika mitoetra a.t. fitadidiana maharitra ny zavatra natao. mémoire à long terme loc.
- arikaroka a. boky mitahiry ny asa fanadihadian-kevitra ataon'ny mpianatra ao amin'ny taona fahaefatra eny amin'ny fampianarana ambony ary atalotra ampahabemaso hotsarain'ny mpanadina amin'ny fanadinana. mémoire de maîtrise loc.
- aro a. fitaovana na fomba entina mikajy zavatra tsy ho simba. protection n.
- arofenitra a. fitambaran'ny fomba amam-pihetsika tsy maintsy hatao amin'ny fifandraisana aman'olobe amin'ny tany sy ny fanjakana; fampifanarahana ny fihetsika amin'ny haja amam-boninahitry ny olona ifandraisana indrindra fa amin'ny lanonana. protocole n.
- arokona a. kojakoja miaro amin'ny fifandonana. parachoc n.
- aron'akanjo a. akanjo ivelany natao ho fiarovana ny fitafiana tsy haloto. blouse n., combinaison n., tablier n. .
- arotanana a. hoditra na akora hafa amonosana ny tanana hiarovana azy. gant de travail loc.
- arotaratra a. kojakoja apetaka eo amin'ny jiro natao hamiliana ny hazavana aterak'izany sy hiarovana ny maso. abat-jour loc.
- asa a. foto-draharaha ahazoam-bola hiantohana ny fiainana andavanandro. métier n., travail n.
- asa an-tselika a.t. asa tsy raikitra ary natao andraisan-karama araka ny ora vita. vacation n.
- asa fampiharana a.t. fanatanterahana avy hatrany ny toro-marika eo amin'ny tena asa mivantana. travaux pratiques loc.
- asa saina a.t. katro-doha natao hikarohana hevitra. travail intellectuel loc.
- asa tanana1 a.t. fitambaran'ireo vokatra azo avy amin'ny famolahan'ny mpanao taozavatra ireo akora samihafa toy ny hazo, vy, hoditra. produit artisanale loc.
- asa tanana2 a.t. fanamboaran-javatra avy amina famolahana akora maro samihafa toy ny hazo na vato na vy tontosain'olona. artisanat loc.
- asa tanana3 a.t. fanamboaran-javatra tsy mampiasa milina tontosain'olon-tokana na olona manana mpanampy vitsivitsy. travail manuel loc.
- asa tany1 a.t. fomba famokarana mifahatra amin'ny fikarakarana ny fambolena. agriculture n., culture n. .
- asa tena a.t. fomba famokarana miankina amin'ny herin'ny tena sy ny fahaiza-manao samirery. travail indépendant loc.
- asan-tsokajy a. olona maromaro avy ao anaty vondron'olona mitovy tigetra natokana mba handinika lohahevitra iray. travail de groupe loc.
- atleta a. mpanao fanatanjahan-tena mety ho matihanina na tsia. athlète n.
- atletisma a. taranjam-panatanjahan-tena an'olo-tokana ahitana hazakazaka misy fefy ohatra, na viki-miakatra, na tsipy kanetibe sy ny toy izany. athlétisme n.
- atrikasa1 a. fanatontosana asa iarahan'olona maromaro manatanteraka. atelier n.
- atrikasa2 a. fampiharana ireo fianarana sy / na fiofanana noraisina. pratique n.
- atrikasa3 a. fizarana asa aorian'ny fianarana na ny fanofanana natao. stage n.
- ava-peo a. sampam-pandinihana ny teny entina manavaka ny feo. phonologie n.
- avara-pianarana a. sokajin'olona nandia ny fianarana ambaratonga ambony. intellectuel, elle n.
- avom-bava a. teny mitory tsy fanajana ny hafa. insolence n.
- avona1 a. tsy firaharahana loatra ny olona mifanerasera na mifandray amin'ny tena. dédain n.
- avona2 a. fanindrahindran-tena ho mahavita zavatra ambony noho ny hafa. fierté n., orgueil n.
- avy afara a.t. izay rehetra tratra aoriana eo am-pahatongavana amina toerana na fotoana nifanarahana. retardataire adj.
- azo ampifanoharina a.t. azo alahatra hifampitaha amin'izay iray karazana na iray tarika aminy. comparable adj.
- azo ampihavanina a.t. manana toetra na endrika na fomba mifanahantsahana na mifanahatahaka ka azo atao tsara ny mampifanaraka na mampifameno azy. conciliable n.
- azo ampitahaina a.t. azo ampifanoharina amin'izay iray karazana na iray tarika aminy. comparable adj.
- azo antoka1 a.t. zavatra na hevitra na olona tsy fandà na fanilika avy hatrany fa azo ianteherana sy itokiana. crédible adj.
- azo antoka2 a.t. marim-pototra tsara amin'ny lafiny maro. valide adj.
- azo tsapaina a.t. fisiana azo porofoina. concret,ète adj.


FOIBE MOMBA NY TENY an'ny AKADEMIA MALAGASY
Rarihasina Analakely - Antananarivo 101

© Foibe momba ny teny 2010