Ny Fandrafetana ny teny siantifika
Profesora Raoelina Andriambololona sy Ramiandrasoa Fred
Ny fivoriambe iraisam-pirenena afrikana atao hoe « CASTAFRICA » izay natao tamin’ny volana Janoary 1974 tao Dakar, sy ny fihaonambe nataon’ny manampahaizana eran-tany tao Nice momba ny fampielezana ny siansa amin’ny daholobe, dia samy nanamarika fa ny fahaizana sy ny fahalalana dia tsy tokony ho an’olom-bitsy fa tadiavina sy katsahina kosa hiparitaka sy ho fananan’ny olona rehetra.
Hita sy tsapa anefa fa anisan’ny vato lehibe misakana ny fanatanterahana izany dia eo amin’ny teny ampisain’ny olona.
Raha teny vahiny no ianarana ny siansa dia mazava ho azy fa roa sosona ny fahasahiranana : ny fahasahiranana amin’ny fahaizana sy fampiasana ny teny vahiny aloha ; eo anilan’izany, ny fahasahiranana izay tandra vadin-koditry ny siansa.
Raha ny tenin-drazana kosa no ianarana ny siansa dia iaraha-manaiky fa tsy misy na tsy ampy ny fitaovana (teny) hoentina manao izany. Io toe-javatra io no nahatonga ny maro hihevitra fa tsy sahaza sy tsy mahomby hisainana sy hitantarana ny siansa ireny tenim-pirenena sasany ireny ka herim-po very maina ny fitadiavana hanao izany.
Tsapa ankehitriny fa tetika sy hevitry ny mpanamaizin-tsaina ihany izany, satria ny tsy fahampian’ny teny dia tsy aretina tsy misy fanefitra akory (1) ; fa zo atao ny mamorona teny isan-karazany handikana ireo teny vahiny efa misy amin’izao ambaratonga tratry ny siansa izao ; sy mamorona teny izay takin’ny fivoaran’ny siansa mandritra ny fikarohana ataon’ny olona aoriana.
Tamin’ny famelabelarana nataon’ny iray taminay (2) teto amin’ny Akademia no nampisehoana ny fahasahiranana izay mipoitra eo amin’ny famolavolana ny teny siantifika. Tsy hiverina amin’ny fitanisana izany fahasahiranana izany isika fa ny voamarika dia somary nanakorontana ny sain’ny sasany izay tsy nandalina azy izany.
Ao ny namadika izany ho zavatra hafa ; ao ny ninia nandika vilana.
Nitohy anefa ny fikarohana izay notakin’io famelabelarana io. Koa ity asa arosonay ity dia tohin’izany ihany.
Fakafakainay eto ny làlana tokony hizorana mba hanatanterahana izany hoe « teny siantifika malagasy mendrika ».
Ny fiheveran’ny maro ny hoe famolavolana ny teny siantifika dia miendrika fandikan-teny fotsiny.
Izany hoe : alaina ny teny vahiny dia tadiavina ny dikany na izay fomba ahazoana mandika azy amin’ny teny malagasy, dia atonta ny voambolana !
Heverina anefa tsy marim-pototra velively izany, satria tsapa fa tsy mety ho tanteraka an-tsakany sy an-davany izany fandikan-teny izany ary tsy mahafa-po koa ny vokany.
Izany no nitarika anay hihevitra fa mety kokoa ny mandrafitra teny siantifika malagasy ; izany hoe : amboarina sy foronina toy ny fanaka sarobidy rafetin’ny mpandrafitra.
Izany fandrafetana izany anefa tsy atao kitoatoa fotsiny fa misy fitsipika sy lalàna tokony harahina mba hisian’ny fanamboarana ara-dalàna iray ankapobeny azo ampiharina amin’ny sokajin-tsiansa rehetra.
Antitranterinay fa tsy fandikana befahatany fotsiny ireo teny vahiny ny fanaovana teny siantifika malagasy fa ilana sy mitaky fikarohana lalina dia lalina na dia avy amin’ny teny vahiny aza no hiaingana. Eo anilan’izany dia heverinay fa misy ireo fitsipika sy fepetra izay tsy maintsy hajaina mandrakariva raha manao an’io asa io.
Mitsinjara toy izao ny rafitr’ity fikarohana atolotray ity :
1. Ireo fitsipika tokony hajaina raha mandrafitra ny teny siantifika
Ny teny rehetra, na ireo foronina, na ireo teny vahiny gasina dia :
1.1. – Tokony hifanaraka sy hanaja ny firafitra sy ny fitsipi-panoratra ny teny malagasy.
Ohatra :
- santimetatra fa tsy centimetatra, na dia hafohezina « cm » aza,
- sekoly fa tsy skoly, ….
1.2. – Tokony hanana endrika mifanaraka amin’ny fomba fisainan’ny sambambem-bahoaka mba hahamora ny fahazoan’ny besinimaro ny teny sy ny hevitra ao ambadiky ny teny ary ny fampiasana azy. Izany dia satria ny fampielezana ny fahaizana amam-pahalalana ho an’ny sarambaben’ny olona no tarigetra kendrena indrindra.
1.3. Tokony hanana endrika siantifika izany hoe : tokony hanana hevitra mazava sy miavaka mba tsy hisian’ny fangaroharo ny teny tsirairay avy. Tsy azo andeferana mihitsy io fepetra io ary tokony hahasaro-piaro mihitsy raha toa ka heverina fa tokony tsy hanana hevitra miteraka fisalasalana ny teny siantifika.
1.4. Tokony hisy lasitra iray mamaritra ny fomba iombonana amin’ny famoronana ny teny – na ny teny siantifika izay misy ankehitriny izany (vahiny), na ireo teny hoforonina rahatrizay. Dia hanana rafitra iray ny teny siantifika na inona na inona sokajin-tsiansa voakasika : fizika, matematika, fitsaboana, simia, ….
2. – Ireo sori-dalana tokony harahina amin’ny fanatontosana izany
2.1 – Tokony ho voahaja ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy.
2.2 – Tokony hiezaka amin’ny fampiasana ny teny efa misy amin’ny teny malag. sy na dia mila fanamboarana aza izany.
2.3 – Tsy ahilikilika befahatany fotsiny ireo teny vahiny ; kanefa tsy mety koa ny fandraisana an-tendrony azy ireny amin’ny fanagasiana azy. Ny marimarina kokoa angaha dia raisina ireo hita fa tsy azo ialana mihitsy. Eto izahay dia hanome ohatra vitsivitsy. Ireo teny vahiny sarotra adika ka efa nogasiana fotsiny ary efa ampiasain’ny maro amin’ny fiainana andavanandro. Ireo dia tokony tsy hovana intsony fa efa mahazatra, nekena sy mazava amin’ny besinimaro.
Misy koa ny teny mpamaritra avy amin’ny teny vahiny izay namoronan’ny Malagasy tovana :
- tika ? tique……………..Sôvietika, hemetika
- iana ? ien, ienne…………….Italiana, kariteziana, sns.
Io rafi-panononana sy fanoratana ny teny mpamaritra io dia matetika fomba nindramina avy amin’ny teny anglisy sy frantsay. Ity izany dia mitaky ny fampidirana ireo tovana ireo ao amin’ny fomba fiteny malagasy.
2.4. – Fomba fanomezana ny teny, toetra mifanaraka amin’ny fomba fisainan’ny besinimaro. Izany dia miendrika toy izao : dika-teny fohy ; mora tovanana, na tovonana ; mora azo ; maro tadidina. Azo atao ny fandikana amin’ny fehezan-teny raha tsy lava loatra izany – nefa kosa dia lavina ankitsirano izany raha mihoatra ny teny lava telo.
Eto dia hanome ohatra vitsivitsy izahay :
Ohatra : dikan-teny tsara :
- Foibe Taosarintany : Centre Géographique ;
- Tsipika minifintsofa : ligne brisée ;
- Ivo : centre ;
- Miraivo : concentrique ;
- Lanja : poids ;
- Ivonanja : centre de gravité ;
- Fonja : masse ;
- Ivomponja : centre de masse
Marihina fa ny zavatra mitovy fonja mety tsy hitovy lanja.
Ohatra : dikan-teny ratsy :
- « vokatry ny fifanesena fifandraisana roa » nandikana ny hoe « composée de deux relations » ;
- « Fifanesena fifandraisana roa » : composition ;
- « toetra mampiavaka ny fizarana katsa » nandikana ny hoe « caractère de divisibilité » ;
- « Fifanampifaritahana » : « distributivité ».
2.5. – lalana araka izay azo atao koa ny teny verindroa fa ny teny tsotra ihany no tanana.
Ohatra : -Ova x : une variable x (fa tsy ovaovao x) ;
- Fiovan’ny lefa (fa tsy teny hafa hoe « fihetsika » no andikana ny hoe « variation d’une fonction f », satria ny fototra dia « ova » fa tsy « hetsika »).
2.6. – Hikarohana teny avokoa ny tenim-paritany manerana ny Nosy :
ohatra :
- mira : égal
-dôko : identité
Ireo teny izay fohy dia azo ampiasaina ho tovona sy tovana :
- miraivo : concentrique
- mirarefy : isométrique
eto dia tarihinay ny sain’ny mpikaroka fa ny teny ampisaina amin’ny fanamorian-tsambo, ohatra, dia tsy ilaozan’izay hanana ny dikany amin’ny teny malagasy ampiasain’ny tantsiraka, teny izay tokony hokarohina.
2.7. – Fehin-teny momba ny andininy faharoa : misy tombony sy setriny mety haterak’ireo andininy 2.1. ka hatramin’ny 2.6 : mora azon’ny sarambaben’ny olona ny teny ; mety hahaverezana kosa eo main’ny lafiny fahazavana. Eo anatrehan’izany anefa dia tsotra ny mety hatao : lalana ny teny tsy mazava na inona na inona vokatr’izany.
3. Ny fomba hanomezana endrika siantifika ny teny
3.1. – Zava kendrena : Ny fahazavan’ny teny no antony tsy azo andeferana mihitsy. Ny zavatra tsirairay avy, ny fisehoan-javatra tsirairay avy dia tokony hanana teny mifanaraka sy iantsoana azy, ary teny azy manokana tsy iombonany amin’ny hafa ka mety hiteraka fangaroharo. Noho izany, lalana ny teny mitovy feo, na ny teny manana hevitra tsy miavaka tsara ka mety, hafangaron’ny olona.
Tsy ekena koa izany ny hananan’ny zavatra iray anarana roa na telo. Ary tsy leferina koa raha ohatra ka zavatra maro manana anarana iray ihany, indrindra raha sendra zavatra mitovitovy ka tsy ho azo avy amin’ny « contexte » ny heviny.
Ohatra : - fiantefana na fahatongavana : arrivée
- irailemaka na tokalemaka na miralemaka : coplanaire
3.2. – Tsy ialana mihitsy ny lasitry ny teny, indrindra amin’ny fandikana ny terabolana avy amin’ny teny iray.
Ohatra : raha « alijebra » no nandikana ny « algèbre » dia « alijebrika » no tsy maintsy andikana ny « algébrique » ; izany hoe « refy alijebrika » no andikana ny « mesure algébrique fa tsy refy voatodika.
Ny fomba ahatanterahana izany lasitra iray izany dia ny fampiasana tsy misy ambanambana ny tovona sy ny tovana, handikana ny : iso- ; co- ; anti- ; sns.
Ohatra : tohi- : anti- :
-tohipamindrana : antidéplacement
- tohipamadihana : antisymétrie
- tohipitika : antiparticule
mira : co- ; iso- : – mira ivo : concentrique
- mira lemaka : colanaire
- mira lemaka : colanaire
- mira tsipika : colinéaire
- mira refy : isométrique
Izany dia ny mba hialana amin’ny fandikana befahatany. Kanefa na eo aza izany fiezahana amin’ny fampiasana lasitra iray izany, raha sendra tena mifangarika amin’ny fomba sy fihainon’ny sofina malagasy ny vokany dia tsy atao amboletra fotsiny ny fampiasana azy.
Eto dia misy teny izay heverinay fa tsy tomombana loatra : « fifanampiana » no andikana ny « addition » io teny io izay mandika tsara ny « entr’aide , solidarité », dia tsy mandika velively ny hevitra hoe « addition » noho ny fisian’ny tovona fifa-… izay milaza « réciprocité ». Marina fa ny lalàm-panorenana izay azo avaika « loi commutative », dia marihina hoe « addition », nefa izany hevitra izany dia tsy ao anatin’ny teny hoe « addition ». Eto dia mety kokoa angamba ny fanagaiana ny teny vahiny kanatao « adisanina » izay efa nampiasain’ny tany aloha rahateo. Nefa kosa raha ohatra ka efa neken’ny besinimaro ny teny hoe « fifanampiana » ho dikan’ny addition » ary mba tsy hampikorontana ny sain’ny maro dia azo tanana io dikan-teny « fifanampiana » io na dia fantatra aza fa tsy mety loatra izany.
4. Fomba telo isafidianana raha mandrafitra teny siantifika
4.1. – Mikaroka izay mety mifanaraka sy tena mandika ny teny vahiny amin’ireo tenim-paritany rehetra.
4.2. – Fanagasiana amin’ny alalan’ny fanononana sy fanoratana ny teny vahiny : alijebra : algèbre. Isika malagasy dia afaka misafidy amin’ny tenim-pirenena vahiny roa, dia ny teny anglisy sy ny teny frantsay (3).
Maro ny teny izay heverintsika ho tena malagasy nefa nalaina avy amin’ny teny vahiny (frantsay na anglisy) izy ireny io fanagasiana amin’ny alalan’ny fanononana sy ny fanoratana io no toa tsotra indrindra ary toa ahazoana mitsimbina ny fahazavan’ny teny ; nefa koa dia misy setriny, satria mety ho hafahafa soratra ilay teny vaovao ; ary raha avela hanaram-po io fomba io dia ho velona ny teny malagasy. Koa tokony ho malina tsara isika. Misy anefa teny izay efa nanjary teny iraisam-pirenena. Ireny kosa dia tokony tsy isalasalana ny fanagasiana azy.
Ohatra : – Alikaola (fa tsy alkola) : alcool
- Botàna : butane
- Etanôla : ethanol
- Oniversite : Université
Toy izany koa ny fanafohezana soratra ny teny siantifika somary lava, faafohezana izay efa nanjary iraisam-pirenena :
- laoga (soratana hoe « log ») : logarithme
- siny (soratana hoe « sin-« ) : sinus
- kôsy (soratana hoe « cos ») : cosinus - tega (soratana hoe « tg ») : tangente - kôtege (soratana hoe « cotg ») : contangente
4.3. – Famoronana teny vaovao avy amin’ny teny efa misy ao amin’ny teny malagasy.
Io no fomba heverinay fa tokony nampiharina matetika indrindra. Ny teny malagasy rahateo dia manana toetra izay ahazoana milaza zavatra izay mazàna – amin’ireo karazan-teny hafa maro – mitaky fehezan-teny lava ny fitantarana azy ; kanefa ny teny malagasy dia afaka milaza izany amin’ny teny iray vokatry ny teny maro akambana :
Ohatra :
- velondraiamandreny
- tsipika minifintsofa
Io toetra ananan’ny teny malagasy io dia mahatonga azy hanana tombom-pahombiazana raha eo amin’ny sahan’ny teny siantifika no heverina. Ilàna fahalalana tsara momba ny rafi-panoratana sy fitenenana ny teny malagasy anefa ny fampiasana izany. Eto dia tsara ny manome ohatra maro izay noraisina avy tamin’ny sokajin-tsiansa maro, ary dia fampiasana ny tovona « mira », « tokana » no akanay ohatra.
Fizika :
- miratsindry : isobare
- – mirahadiry : isohore
- mirafaharetana : isochronique
Meteorolojia :
- mirahafanana : isotherme
- biloka mirahafanana : lignes isothermiques
- mirahatsiaka : isochimène
- biloka mirahatsiaka : ligne isochimène
Zeolozia :
- mirafandry : isocline
- biloka mirafandry : ligne isocline
- mirabika : isomorphe
- fimirabika : isomorphisme
Matematika :
- fimirarefy : isométrie
- mirazotra : Isotrope
- mirahatsy : colinéaire
- fampimirana : équation
Simia :
- miratapany : isomène
Ohatra avy amin’ny « tokana » :
Matematika :
- tokampiova : monotone
- tokampiantaona : monome
- tokambika : uniforme
Siansa natioraly :
- tokambady : monogame
- tokanefitra : unicéllulaire
Fizika :
- tokantady : unifilaire
- tokambolo : monochrome
- tokambaingana : monobloc
- tokasolomaso : monocle (4)
- tokamaso : monoculaire
Fomba fiteny :
- tokamboly : monoculture
- tokambarotra : monopole
- tokalafy : unilatéral (4)
Fitsaboana :
- Tokaatiny : mononucléaire (4)
5 – Ambaratonga eo amin’ny fomba fiasa
5.1. – Mba tsy hisian’ny fisavoritahana sy ny tsy fifankahazoana, ny dingana voalohany eo amin’ny fanombohana ny asa dia ny fanangonana ny teny fototra izay ampiasaina amin’ny siansa ; dia ireo aloha no itadiavana dikany (5). Tsy hanahirana velively ny fanatanterahana izany, satria ireo sokajin-tsiansa dia efa samy manana sy ahitana ireo teny fototra ireo izay azo adika avy amin’’y boky fampianarana azy ireny ho an’’y kilasy ambaratonga voalohany sy faharoa.
5.2. – Rehefa voadika ireo teny fototra ireo dia miditra amin’ireo teny narafitra (terabolana) ; avy amin’izy ireny indrindra ireo teny ampiasaina ny tovona sy tovana, toy ny : anti- ; mono- ; graphie ; -métrie ; -logie ; sns. Tokony hotsarovaa mandrakariva eo am-panaovana izany fa ny sasany amin’ireny dia ampiasaina amin’ny sokajin-tsiansa samihafa (ohatra : fizika sy siansa natioraly) ka jerena araka izany ny maha-mety na tsy maha-mety ilay teny noforonina.
5.3 – Dia hanaovana fanandramana amin’ny mpianatra sy eo amin’ny sarambaben’olona ireny teny vaovao ireny ka amin’ny alalan’izany no hahatsapana ny fahombiazany na tsia ; na mahavantana ny olona ; na dia tena tsy eken’ny sainy, ny sofin sy ny lanilaniny ! Amin’izany ihany koa no mbola hahatsapana raha tsy mazava sy tsy miavaka tsara ny hevitry ny teny tsirairay avy, ary dia akifika sy soloana avy hatrany ireo teny mampiroaroa saina sy tsy mazava tsara.
Antananarivo 27 Jona 1974