Fandraisana

NY TENY MALAGASY EO ANIVON’NY FIRAISAMBE AFRIKANINA

Ramavonirina Oliva

Ho fandraisana anjara amin’ny fanandratana ny teny malagasy, ny Akademiam-pirenena malagasy, tamin’ny alàlan’ny Foibe momba ny Teny, efa roapolo taona mahery izay, raha zohina ny tantara, dia nanokana ny volana jona ho volana anadratana ny teny malagasy izay roa andro teo aloha fa noho ny hetahetan’ny be sy ny maro, dia nitarina ho iray volana taty aoriana. Misy ihany koa eo an-kilan’izay ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny Teny ibeazana dia ny 21 febroary izany. Be ny bainga voavadika : raha zara raha nisy ny boky mirakitra ny voambolan-tsehatra amin’ny teny malagasy ho fanabeazam-boho ny teny malagasy dia efa mba misimisy ihany no efa vita sy voaparitaka eny amin’ny mpanjifa : Voambolana momba ny Zahatany (2000), Voambolana momba ny Fanabeazana sy Fanofanana (2000), Voambolana momba ny Rika sy ny morony (2000), , Voambolana ampiasaina eo amin’ny Fanabeazana ny tanora ho olom-pirenena (2005), Voambolana momba ny Fitondran-draharaham-panjakana (2007), Voambolana momba ny Fitantanana ny Tanànan’Antananarivo (2015), ary ny lehibe indrindra dia ny Rakibolana rakipahalalana izay efa miroso eo amin’ny fanotana fanidroany izao. Ireo fitaovana ireo sy ny zava-boasoratra sy voadika amin’ny teny malagasy dia ahafahana milaza fa teny fa « Teny mana-penitra » ny teny Malagasy ary ampiasain’ny vahoaka malagasy sy ny hafa firenena sasany monina eto Madagasikara. Saingy na eo aza izay, dia tsy vitsy amin’ny Malagasy ihany koa no mino fa tsy mihoatra ny sisintanin’i Madagasikara ny teny malagasy, tsy mihoatra an’i Madagasikara, teny misary monina eto Madagasikara ihany. Ny  7 Febroary 2009 anefa, ny ACALAN (Académie Africaine  des Langues), tamin’ny fivoriana nataony tao Addis-Ababa (Etiopia) dia nandray fanapahan-kevitra fa ny teny malagasy dia ho anisan’ireo teny afrikana 12 matanjaka indrindra aty Afrika atsinanana ary teny miampita sisintany. Koa mety misy manontany hoe : Ahoana no nahatonga izany fisondrotan-tsata izany ?  Inona no lamina takian’izany, satria fisondrotana miteraka adidy sy andraikitra izany ? Ireo no fanontaniana ezahina ho valiana amin’izao famelabelarana izao.

 

Fisondrotan-tsatan’ny teny Malagasy.

Angamba tsy hovoazava izay fisondrotan-tsata izay raha tsy itodihana kely ny mikasika ny fiheverana ny Teny eo anivon’ny firaisambe afrikanina sy ny  Académie Africaine des Langues (ACALAN).

Amin’ireo raiamandreny nanorina ny Firaisambe Afrikana àry dia foto-kevitra tsy azo ialana ny hoe : tsy maintsy miray hina ny firenena aty Afrika raha te ho afaka, raha te handroso, ka fitaovam-piadiana lehibe amin’izany ny teny izay tsy misaraka amin’ny kolontsaina, fa ny teny no hozatry ny kolontsaina, ary ny kolontsaina no hazon-damosin’ny firenena. Izany no ventin’ny antsoina hoe : Panafricanisme, tarigetra tsy nialan’ny Firaisambe Afrikana hatramin’ny 1963 ka hatramin’izao Fiombonambe Afrikana izao. Tamin’ny 2001 moa no lasa Fiombonambe Afrikana (Union Africaine), ny Firaisambe Afrikana (Organisation de l’Unité Africaine) tamin’ny fivoriana nataon’ireo Filoha afrikana tao Lusaka (Zambia)

Tsy mora anefa ny fanatratrarana io tarigetra io, satria maro ny fahavalony na avy any ivelan’i Afrika na tato anatin’i Afrika. Teo amin’ny lafiny teny manokana, ohatra, dia tamin’ny 2001 vao tafatsangana ny rafitra teknika hikarakara azy, dia ny Akademia Afrikana momba ny Teny, na, raha hafohezina, ACALAN (Académie Africaine des Langues, Academy of African Languages), izay ao Bamako (Mali) no napetraka ny Foibeny, satria ny Filohan’ny Repoblikan’i Mali no tena angady nananana azy.

Isan’ireo tanjona nataon’ny Firaisambe afrikanina hotratrarina dia ny fampiroboroboana ny teny afrikanina araka ny voalaza ao amin’ny drafitrasa momba ny teny afrikanina (1986), sy tamin’ny kaonferansa nandraisan’ireo tompon’andraikitry ny Fitondrana aty Afrika izay natao tany Harare (1997 ). Ho fanatrarana izany àry dia natsangana eo anivon’ny Firaisambe afrikanina ny ACALAN, Académie Africaine des Langues, ary tamin’ny 2006 dia nankatoavin’ny Filoha afrikana rehetra ny fisian’ny ACALAN nandritra ny fivoriana nataony tao Kartoum (Soudan),  ka ny isan’ireo tanjona fototra ho tratrarin’ny ACALAN dia ny:

- fampiroboroboana ny teny afrikanina eo ifotony (satan’ny ACALAN, toko. 3 and. 1)

- fampiroboroboana ny teny afrikanina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (satan’ny ACALAN, toko 3, and. 6 )

- Ny rafitra iasany dia misy roa : (satan’ny ACALAN, toko 22, and. 1 )

  • ny rafitra misahana ny tenim-pirenena
  • ny komity misahana ny teny miampita sisintany, ka miankina amin’ireto fepetra 10 manaraka ireto ny maha-teny miampita sisintany na tsia ny teny iray :

- ny isan’ny faritany mampiasa ilay teny

- ny isan’ny firenena mampiasa ilay teny

- ny isan’ny  mpampiasa ilay teny

- tahan-kahamora ny fampiasana azy eo amin’ny fampitan-kevitra (taux de véhicularité)

- ny dingam-pivoarana tratran’ilay teny (niveaux de développement de la langue)

- ny karazam-boky navoaka

- ny sehatra ampiasana ilay teny

- ny fampiasana azy eo amin’ny haino aman-jery iraisam-pirenena (utilisation dans des émmissions étrangères, traduction d’ouvrages)

- sata ara-panjakana ananan’ilay teny

- finiavana hiara-miasa

Raha ny teny malagasy manokana no asian-teny, ankoatra ny fampiasana teny Malagasy ao amin’ireo Nosy eo amin’ny Ranomasimbe Indianina ( Maurice ….%; Seychelles       %; La Réunion       %)[1], dia toy izao no azo ambara :

- vahoaka malagasy mihoatra ny 20 000 000 no mifankahazo resaka amin’ny fampiasana azy. Teny mana-penitra ny teny malagasy. Maro ny boky voasoratra amin’ny teny malagasysy karazan-dahatsoratra voarakitra amin’ny teny malagasy. Maro ny boky vahiny voadika amin’ny teny malagasy. Tsy vitsy ny horonantsary fanadihadiana amin’ny teny vahiny misy dikanteny amin’ny teny malagasy voasoratra eo ambany. Ny teny Malagasy dia teny ôfisialy eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

- Tsy eto Madagasikara irery ihany no mampiasa ny teny Malagasy ho teny enti-mifandray ao amin’ny fiarahamonina fa misy firenen-kafa ihany koa.

Araka ny tatitra nataon’Atoa BOUHRANE Abderemane, mpampianatra mpikaroka eo amin’ny sehatry ny tantara sy arkeôlôjia no sady mpiandraikitra voalohany ao  amin’ny ivon-toeram-pikarohana CNDRS ( Centre National de Documentation et de Recherches Scientifiques) ao Anjouan, ho an’ny ACALAN, tamin’ny 26 août 2011 tao Nairobi – Kenya, nandritra ny atrikasa fananganana ny Komisionina misahana ny teny miampita sisin-tany dia :

- misy tanàna mihoatra ny 15 mampiasa ny teny Malagasy “kibushi” na Shibushi” ao Mayotte.

- Mihoatra lavitra ny 3000 ny mpampiasa io teny Malagasy io any ary izany dia tsy mitsaha-mitombo isan’andro noho ny antony ara-tantara sy ara-piarahamonina – [Ankoatra ny taranaka Sakalava sy Betsimisaraka nentin’ny Mpanjaka Andriantsoly ao Anjoany, sy ny Malagasy avy amin-dRamanetaka sy ny namany izay lasa nonina ao Kômôro, ny zava-nisy tao Mahajanga tamin’ny 1976 dia nahatonga ny teratany kaomôrianina izay efa valovontaka tao Mahajanga hangoron’entana hody any Comores - Ny ankamaroan’ireo mpiasam-panjakana tompon’andraikitra ambony  ao Comores dia nandranto fianarana taty Madagasikara ary miteny gasy; betsaka ireo mpiasam-panjakana teratany Malagasy no miasa any Comores ary misy aza mpampianatra teratany Malagasy nampianatra tao amin’ny kilasy CM2 ary nampianatra teny gasy ny mpianany. Noho ny fahombiazany teo amin’ny asa dia nampitondraina ny anarany ilay sekoly “ Andrianjafy” ] – ary ankehitriny, nanomboka tamin’ny taona 2000 dia maro ireo fianakaviana Malagasy miasa eo amin’ny sehatry ny varotra no tonga monina ao Comores. Ary dia efa manana tetikasa hampiroboroboana ny teny Malagasy any aminy ary mihevitra mihitsy ny hampiditra ny teny Malagasy hampianarina any an-tsekoly ny any Kômôro.

Vokatr’ireo lafin-javatra voalaza momba ny teny Malagasy  ireo, ary amin’ny maha-firenena mpikambana ao amin’ny Firaisambe afrikanina an’i Madagasikara, sy amin’ny maha- mpikambana azy ao amin’ny ACALAN, dia nandray  fanapahan-kevitra ny ACALAN, tamin’ny 7 Febroary 2009 tamin’ny fivoriana nataony tao Addis-Ababa (Etiopia), fa hampiditra ny teny malagasy ho anisan’ireo teny afrikana 12 amin’ny 42 matanjaka indrindra sy miampita sisintany aty Afrika atsinanana miaraka amin’ny Kiswahili sy Somali.

Izay fisondrotan-tsata izay, na eo aza ireo toetra ananan’ny teny malagasy, mamaly ny fipetra takiana dia tsy ho tanteraka raha tsy nisy ny tolona nataon’ny talen’ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy fony izy nanatrika ny fivorian’ny ACALAN, nentina nanaporofo ireo fepetra takiana ary hita ao amin’ny teny Malagasy ka ankasitrahana azy izany.

Tombony ary ve izay nahafantarana fa teny miampita sisintany ny teny malagasy ary isan’ny 12 matanjaka indrindra aty Afrika atsinanana izay? Raha manaraka ny fomba fandinika ampiharina eran-tany efa taona maro ela izay[2], mikasika ny atao hoe : fampandrosoana ny Malagasy, fomba fijery ny fampandrosoana izay tsy azo aompana fotsiny amin’ny lafiny toekarena fa mampiditra an-tsehatra tanteraka ny teny, “Teny sy fampandrosoana”, dia eny no valiny ary soa fanararaotra izay.

 

Inona ary no lamina takiany, satria fisondrotana miteraka adidy sy andraikitra izany ?

- Ny voalohany amin’ireo dia ny fandaniana ny volavolan-dalàna mikasika ny politika momba ny teny ary ny fampiharana azy.

- Ny faharoa dia fanohanana ny kaomisiônina eo amin’ny andraikitra sahaniny dia ny fampitaovana ny teny malagasy hahatonga azy haharaka ny fitosaky ny haitao vaova ao amin’ny fiarahamonina, izay mitondra voambolana vaovao, fampitaovana izay hany hanampy ny teny Malagasy hivelatra eo amin’izay sata efa isalorany eo anivon’ny firaisambe afrikanina izay dia ny maha-teny miampita sisintany azy sy isan’ny 12 matanjaka aty Afika atsinanana azy. Fanohanana azy amin’ny fanatontosana ireo tetikasa novolavolainy hampitombo tanjaka ny teny Malagasy eo amin’izay fiampitana sisintany izay dia:

1) Filoha : Ramavonirina Oliva Rahantamalala (Madagasikara)

2) Mpitantsoratra : Dr Bourhane Abderemane (Kômôro)

3) Mpikambana :

Rtoa isany :

-          Raafatil Kalbi (Kômôro)

-          Rakotonirainy Valiharisoa (Madagasikara)

-          Rasoamalalavao Claire (Madagasikara)

-          Ratsimandrava Juliette ( Madagasikara)

Atoa isany :

-          Abderemane Abdallah (Kômôro)

-          Andrianasolo Benoît (Madagasikara)

-          Rabenalisoa Ravalitera Jean (Madagasikara)

-          Raharidina Jean Jacques (Madagasikara)

-           Randriamarolaza Louis Paul (Madagasikara)

Fakan-kevitra :

-          Atoa Rahaingoson Henri (Madagasikara)

-          Atoa Rajaonarimanana Narivelo (Madagasikara)

-          Atoa Tsimilaza Alphonse (Madagasikara)

 

Fahatelo, fanohanana ireo ivon-toeram-pikarohana momba ny teny toy ny Foibe momba ny teny an’ny akademia malagasy amin’ny alàlan’ny ………………….

 


[1] Colloque Panorama Antananarivo Madagascar.

[2] Rambelo Michel


FOIBE MOMBA NY TENY an'ny AKADEMIA MALAGASY
Rarihasina Analakely - Antananarivo 101

© Foibe momba ny teny 2010